Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ny Zon’ny Mpitondratena sy ny Kamboty

    Tsy fahendrena ny manome tsy ankanavaka ny olona rehetra mety mangataka fanampiana amintsika; satria mety mampiriska ny fahalainana sy ny tsy fahononan-tena ary ny firobarobana isika amin’izany. Kanefa raha misy olona tonga eo am-baravaranao ka milaza fa noana, dia aza avela hody maina izy Omeo zavatra hohanina, amin’ireo zavatra izay anananao izy. Tsy fantatrao ny zava-misy eo aminy, ary mety ho vokatry ny tsy fahombiazana teo amin’ny fiainany no nahatonga ny fahantrany.TF 180.1

    Kanefa amin’ireo olona rehetra izay mila ny fahalianantsika, dia ny mpitondratena sy ny kamboty no manana zo ambony indrindra amin’ny fangoraham-pontsika sy ny fikarakarantsika. “Izao no fivavahana madio sady tsy misy loto eo anatrehan'Andriamanitra Ray: ny mamangy ny kamboty sy ny mpitondratena amin’ny fahoriany, sy ny miaro ny tena tsy hisy pentimpentina avy amin'izao tontolo izao.” Jak. 1:27.TF 180.2

    Ny ray izay maty tao amin’ny finoana, niankina tamin’ny teny fikasana mandrakizain’Andriamanitra, dia namela ireo malalany tamin’ny fatokiana tanteraka fa hikarakara azy ireo ny Tompo. Dia ahoana àry no itsinjovan’ny Tompo ny zavatra ilain’ireo nidonam-pahoriana ireo? Tsy hanao fahagagana ka handatsaka mana avy any an-danitra Izy, tsy haniraka goaika hitondra sakafo ho azy ireo Izy; fa hanao fahagagana amin’ny fon’ny olona ka handroaka ny fitiavan- tena avy ao amin’ny fanahy, ary hanokatra ny loharanon’ny fanaovan-tsoa. Tsapainy ny fitiavan’ireo izay milaza azy ho mpanara-dia Azy, amin’ny alalan’ny fanankinana amin’ny famindrampony feno fahalemem-panahy ireo olona ory sy nidonam-pahoriana ireo, ireo malahelo sy kamboty ireo. Ireo olona ireo no jeren’i Jesôsy amin’ny fomba, ilay nolazainy fa manafintohina Azy ny fanaovana tsinontsinona azy ireo. Ireo izay manao tsinontsinona ireo dia manao tsinontsinona an’i Kristy, izay soloin’ireo olona ory ireo tena.TF 180.3

    Ny fihetsika feno halemem-panahy tsirairay izay atao amin’izy ireo amin’ny anaran’i Jesôsy dia ekeny toy ny hoe atao Aminy mihitsy, satria ampitoviany amin’ny tombontsoan’ny olombelona mijaly ny tombontsoany, ary nankininy tamin’ny Fiangonany ny asa fanompoana an’i Jesôsy amin’ny alalan’ny fanampiana sy fitahiana ireo izay mila izany sy ireo izay mijaly. Hitoetra eo amin’ireo izay hiasa ho azy ireo amin-tsitrapo ny fitahian’ny Tompo.TF 181.1

    Raha mbola tsy resy ka levona ny fahafatesana, dia mbola hisy kamboty hokarakaraina hatrany, izay hijaly amin’ny fomba mihoatra noho ny anankiray raha toa ka tsy aseho amin’izy ireo ny fitserana malefaka sy ny fitiavana feno fahamoram-panahin’ireo mambran’ny fiangonantsika. Mandidy antsika ny Tompo mba “hampiantrano ny ory manjenjena.” - Isa. 58:7. Tokony hanolotra ray sy reny ho an’ireny tsy manan-kialofana ireny ny Kristianisma. Ny fangorahana ny mpitondratena sy ny kamboty aseho amin’ny alalan’ny vavaka sy ny asa, dia hotsaroana mandrakariva eo anatrehan’Andriamanitra, ary hovaliany soa hatrany hatranyTF 181.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents