Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fitenenan-Dratsy Mihitsy

    Izay navahana araka izay lazain’ny Soratra Masina fa an’ny Tompo no mandrafitra ny volan’ny filazantsara, ka tsy antsika intsony. Tena fitenenan-dratsy mihitsy ho an’ny olona iray ny maka avy ao amin’ny firaketan’Andriamanitra mba hampiasainy ho an’ny tenany na hampiasainy ho an’ny hafa eo amin’ny raharahany andavanandro. Misy olona sasany izay niroboka tao amin’ny fahadisoana ka mampivily avy eo amin’ny alitaran’Andriamanitra ny zavatra izay natokana ho Azy manokana. Tokony hodinihin’ny rehetra amin’ny fahazavany marina io resaka io. Aoka tsy hisy olona, raha tojo toe-java-tsarotra, haka ny vola natokana ho amin’ny raharaha ara-pivavahana, ka hampiasa izany ho amin’ny tombontsoany, sy hampangina ny feon’ny fieritreretany amin’ny filazana fa haloany indray izany amin’ny fotoana manaraka. Aleo lavitra aza mampihena ny fandaniana mba hifanaraka amin’ny vola miditra, sy mametra ny faniriana, ary miaina araka ny hoenti-manana, toy izay mampiasa ny volan’i Jehôvah ho amin’ny raharaha andavanandro. - 9T 246, 247.TF 84.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents