Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 31 - Ireo Fitaka Ataon’i Satana

    Mamolavola drafitra maty paika hamonoana ny finoan’ny vahoakan'Andriamanitra izay miroso manakaiky ny fahasarotan’ny andro farany i Satana sy ny anjeliny. Hitany fa efa sondriana ny fiangonan-dehibe noho ny fahaizany mandambolambo azy. Tazoniny eo ambany fifehezany amin’ny alalan’ny sarintsarim-pahafinaretana sy lainga tsara lahatra izy. Noho izany dia irahiny amin’ny fomba manokana mihitsy ireo anjeliny mba hametraka vela-pandrika ho an’ireo izay miandry ny fiverenan’i Jesôsy fanindroany sy mitandrina ny didiny.TF 170.1

    Izao no lazain’ilay mpamitaka lehibe: “Tokony harahi- maso manokana mihitsy ireo izay misarika ny vahoaka hitandrina ny sabatan’i Jehôvah. Ho maro kokoa mantsy ny olona ho voataonany hahatakatra tsara ireo fepetra takin’ny lalàn’Andriamanitra ary ny hazavana izay mampiseho ny Sabata dia manambara ny asa fanompoana ataon’i Kristy ao amin’ny fitoerana masina any an-danitra sady maneho ny ezaka farany ataony amin’izao vanin’andro izao mba hoentina hanavotana ny zanak’olombelona. Tazoniny ao anatin’ny haizina ny fanahin’ny olona mandra-pahatapitra izany asa fisoronana izany ka hofehezintsika na izao tontolo izao na ny fiangonana.”TF 170.2

    “Mandehana ary ataovy ny ezaka rehetra hahavariana ireo izay manan-tany sy manam-bola amin’ny fiahiahiana izao fiainana izao. Asehoy azy ny endrika manintona ananan’izao tontolo izao mba ametrahany ny hareny ao ka hahatonga azy hampifantoka ny fijeriny amin’ny zavatry ny tany” Andao hanao ny fomba rehetra isika hanakanana ireo izay miasa ho an’Andriamanitra tsy hahazoany ny vola sy ny hoenti-manana ilainy handresena antsika. Arakaraka ny hitomboan’ny vola eo am-pelatanany mantsy no hamparefo ny fanjakantsika ka hanesorany amintsika indray izay olona efa antsika. Raha vitantsika ny hampitombo bebe kokoa ny fitiavan’izy ireo hamory harena mihoatra amin’ny fanorenana ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fanapariahana ny fahamarinana izay efa halantsika rahateo dia tsy hatahotra ny hery miasa mangina ananany iska satria fantatsika fa ny olona tsy mety afa-po sy tia tena dia ho lavo vetivety foana eo ambany fanapahantsika, ary any amin’ny farany dia ho tafasaraka tanteraka amin’ny vahoakan’Andriamanitra. — TMGW,t. 472-474.TF 170.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents