Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fiantsoana Fianakaviana Feno Fanoloran-Tena

    Mitaky ezaka manokana avy amin’ireo izay mahalala ny fahamarinana Andriamanitra. Miantso ny fianakaviana kristianina izy mba handeha any amin’ireo vondron’olona ao anatin’ny fahamaizinana sy ny fahadisoana, handeha any amin’ny saha any ivelany, mba hifankafantatra amin’ny sarangan’olona mbola tsy fantany eo amin’ny fiarahamonina, ary hiasa amim-pahendrena sy amim-paharetana ho an’ny Tompo. Tsy maintsy hiainana ny fanoloran-tena mba hamaliana io antso io.TF 59.2

    Raha mbola eo am-piandrasana ny hanesorana ny sakantsakana tsirairay ny olona maro, dia efa betsaka koa ny fanahy eto amin’izao tontolo izao no maty kanefa tsy manana fanantenana ary tsy manana an’Andriamanitra. Maro, tena maro ny olona izay hanandrankandrana ny hankany amin’ny faritra mampidi-doza, sy hankany amin’ny firenena izay heveriny fa hahazoany tombontsoa ara-bola noho ny tombontsoa eto an-tany, noho ny faniriana handranto fahalalana sy fahaizana. Aiza anefa ireo lehilahy sy ireo vehivavy izay hiova toerana ka hamindra ny fianakaviany any amin’ny faritra izay mila ny fahazavan’ny fahamarinana, mba hahafahan’ny ohatra omen’izy ireo hilaza izany amin’ireo izay hahita ny solontenan’i Kristy ao amin’izy ireo?TF 59.3

    Manakoako avy any amin’ny vazan-tany rehetra ny antsoantson’ny Makedônianina manao hoe: “Mità mankatý (...), ka vonjeo izahay” - Asa. 16:9. Kanefa nahoana no tsy misy valinteny matotra sy mazava? Olona an’arivony maro no tokony ho voatosiky ny Fanahin’i Kristy mba hanaraka ny ohatra nomen’Ilay nanolotra ny ainy hamonjena ny ain’izao tontolo izao. Nahoana no mandà tsy hanao ezaka matotra sy feno fandavan-tena, hampianatra ireo izay tsy mahafantatra ny fahamarinana ho an’izao vanin’andro izao isika? Tonga teto amin’ny tontolontsika ilay Misiônera Lehibe, ary nialoha lalana antsika Izy mba haneho amintsika ny fomba tokony hiasantsika. Tsy misy olona afaka manoritra tsipika voafaritra tsara ho an’ireo izay ho vavolombelon’i Kristy.TF 60.1

    Tompon’andraikitra indroa miantoana ireo izay manana hoenti-manana, satria nankinin’Andriamanitra tamin’izy ireo io hoenti-manana io, ka tokony hahatsiaro ny andraikiny eo amin’ny fampandrosoana ny asan’Andramanitra eo amin’ny sampana samy hafa izy ireo. Satria mampifamatotra ny fanahy amin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fatorana volamena ny fahamarinana, dia hanainga ny olona hiasa amin’ny tanjaka rehetra nomen’Andriamanitra azy sy hizara ireo fananana nomen’Andriamanitra azy any amin’ireo faritra samihafa izany, ho fampielezana ny fahalalana an’i Kristy any amin’ny Jentilisa izay heverina ho lavitra indrindra any.TF 60.2

    Maro amin’ireo izay nanankinan’Andriamanitra harena hitahiana ny olombelona no namela izany ho lasa fitaka ho azy samirery fotsiny, fa tsy namela izany ho fitahiana ho azy sy ho an’ny hafa. Dia havela ho lasa fanafintohinana ve ny fananana izay nomen’Andriamanitra anao? Havelanao hanalavitra anao amin’ny asan’Andriamanitra ve ny hoenti-manana nankininy taminao, izay nomena anao mba hitondra vokatra? Havelanao hampihena ny hery miasa mangina anananao sy hanakanana ny tenanao tsy ho mpiara-miasa amin’Andriamanitra ve ny fitokisana izay napetrak’Andriamanitra taminao amin’ny maha-mpitantana mahatoky nofidiny anao? Havelanao ho voatazona ao an- trano ve ny tenanao mba hihazonana ireo hoenti-manana rehetra nankinin’Andriamanitra aminao izay tokony harotsaka ao amin’ny bankin’ny lanitra? Tsy afaka milaza ianao fa tsy misy zavatra atao, satria atao avokoa ny zavatra rehetra. Ho faly higoka ny fiainana milamina ao an-tranonao fotsiny ve ianao, ka tsy hiezaka ny hilaza amin’ireo fanahy ho very izay fomba hahafahan’izy ireo mahazo ireo fitoerana nomanin’i Kristy ho an’izay tia Azy? Tsy hanolotra ny fanananao ho fanatitra va ianao, mba hahafahan’ny hafa hahazo lova tsy mety simba? - RH, 21 Jol. 1896.TF 60.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents