Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Tsy Fahampian’ny Fahitsiana

    Ny fihatsarambelatsihy sy ny fitiavan-tena eo amin’ny fifampiraharahana amin’Andriamanitra no iray amin’ireo fahotana lehibe indrindra eo amin’ny tontolo Kristianina ankehitriny. Mitombo hatrany ny tsy firaihana avy amin’ny ankamaroan’ny olona momba ireo fifanekena natao tamin’ireo sampana sy sehatrasa ara-pivavahana maro samihafa. Ny ankamaroan’ny olona dia mihevitra ny fifanekena sy ny voady toy izany ho toy ny tsy misy antony maneritery tsy maintsy handoavana azy akory. Raha hitan’izy ireo fa mety hitondra tombony betsaka ho azy ny fampiasana ny volany any amin’ny banky na amin’ny varotra hafa, ka raha toa misy olona tsy dia mahita sitraka loatra aminy ao anatin’ny sehatr’asa izay efa nanaovany fanekena, dia mihevitra izy ireo fa afaka mampiasa amin-kalalahana ny fananany araka izay tiany. Tena hita ho miha-mahazo vahana eo anivon’ireo izay milaza ny tenany ho mitandrina ny didin’Andriamanitra, sy miandry fatratra ny fiverenan’ny Tompo sy Mpamonjiny tsy ho ela intsony izany tsy fahampian’ny fahitsiana izany (...)TF 342.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents