Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fahatanterahana Lehibe Lavitra noho Izay Eritreretina

    Neken'i Kristy ny hitafy ny maha-olombelona, sy ny hiaina fiainana madio sy masina fony tety an-tany. Izany no antony nahazoany ny andraikitry ny mpitsara. Izy ilay mitana ny toeran'ny Mpitsara dia Andriamanitra naseho teo amin'ny nofo. Ho fifaliana manao ahoana re ny hahita ao Aminy ilay Mpampianatra sy Mpanavotra antsika, Izay mbola mitondra ny mariky ny hazo fijaliana izay misy tara-pahazavan'ny voninahitra mamirapiratra avy eo aminy, ka manome lanja misimisy kokoa ny satroboninahitra noraisin'ireo voavonjy avy teo an-tanany, dia ireo tanana nitsotra mba hitahy ireo mpianany tamin'ny fotoana niakarany ho any an-danitra! Ilay feo izay nilaza hoe: “Indro Izaho momba anareo mandrakariva, ambara-pahatongan’ny fahataperan'izao tontolo izao” — Mat. 28:20, no miarahaba ireo navotany fa tongasoa eo amin’ny fanatrehany.TF 387.2

    Ilay Iray izay nanolotra ny ainy sarobidy ho azy ireo, ilay nanetsika ny fony ho amin’ny fibebahana noho ny fahasoavany, ary nanaitra azy ireo hikatsaka izany fibebahana izany, no mandray azy ireo ho ao amin’ny fifaliany ankehitriny. O, manao ahoana loatra re ny fitiavan’izy ireo Azy e! Ny fahatanterahan'ny fanantenana tao anatin'izy ireo dia lehibe lavitra noho izay noeritreretin'izy ireo. Feno tanteraka ny fifaliany, ary dia hanaisotra ny satroboninahiny mamirapiratra izy ireo ka hametraka izany eo an-tongotry ny Mpanavotra azy. - RH, 18 Jona 1901.TF 388.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents