Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ahoana no Hitsapan’Andriamanitra ny Mpitantana Notendreny

    Manao ahoana loatra re ny fironan’ny olona amin’ny fametrahana ny fitiavany amin-javatra eto an-tany e! Voasinton’ny trano sy tany ny fifantohany, ka ataony tsirambina ny adidiny amin’ny mpiara-belona aminy; raisiny ho toy ny zavatra tsy manan-danja ny famonjena ny tenany, ary hadinoiny ny fitakian’Andriamanitra aminy. Mamikitra mafy amin’ireo haren’ny tany tahaka ny hoe afaka hihazona izany mandrakizay ny olona. Toa mihevitra izy ireo fa manan-jo hanao izay sitrany amin’ny fananany, na inona na inona ny zavatra nandidian’ny Tompo, ary na inona na inona no mety ho zavatra ilain’ny mpiara-belona aminy.TF 121.1

    Hadinoin’izy ireo fa nankinina taminy fotsiny ihany izay rehetra lazainy fa azy na inona izany na inona. Mpitandrina ny fahasoavan’Andriamanitra izy ireo. Nankinin’Andriamanitra tamin’izy ireo io harena io mba hitsapana azy ireo, mba hahafahan’izy ireo maneho ny fihetsiny manoloana ny asany, sy mampiseho ny hevitry ny fony manoloana Azy. Tsy mandritra ny fotoana iray fotsiny, fa mandritra ny mandrakizay no angatahana amin’izy ireo hampitombo ny volan’ny Tompo, ary hametra ny toerana sy ny fitokisana ho azony any amin’ilay tontolo ho avy ny fampiasany na ny fanararaotana eo amin’ny fampiasany ny talentany. - RH, 14 Feb. 1888.TF 121.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents