Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 67 - Fitahiana Eto An-tany Ho An'ny Malala-Tanana

    Rehefa mifangaro amin'ny fitiavana sy ny fahalalahan- tanana ny fangoraham-pon’ny olombelona, ka nohamasinin'ny Fanahin’i Jesôsy, dia ho tonga singa izay mety hamokatra soa lehibe. Ireo izay mikolokolo fahalalahan-tanana dia tsy hoe manao asa tsara ho an'ny hafa fotsiny ihany, sy tonga fitahiana ho an'ireo izay mandray ny asa soa ataony fotsiny ihany, fa mandray tombony ho an’ny tenany koa izy ireo amin’ny fanokafany ny fony hanjakan’ny hery miasa mangina tsara avy amin’ny fanaovan-tsoa marina.TF 382.1

    Hitaratra eo amin’ny fontsika manokana mihitsy ny tara-pahazavana tsirairay natosaka teny amin'ny hafa. Hiteraka fitahiana ho an'izay manolotra azy tokoa ny tenim- pitiavana sy tenim-pangoraham-po nolazaina tamin'ireo nalahelo, sy ny hetsika tsirairay hanamaivanana ireo izay nampahoriana, ary ny fanomezana tsirairay natolotra mba hanomezana fahafaham-po ny zavatra ilain’ireo mpiara- belona amintsika, natolotra na natao ho fanomezam- boninahitra an'Andriamanitra. Izay manao asa tahaka izany dia mankatò ny lalàn'ny lanitra, ary handray ny fankasitrahan'Andriamanitra. Ny fifaliana amin'ny fanaovan- tsoa ho an'ny hafa dia hampita tara-pahazavana any amin’ny fihetseham-po, izay miely manerana ireo hozatra rehetra ka mampisosa sy manatsara ny fikorian'ny rà ary mitondra fahasalamana ara-tsaina sy ara-batana. — TFC, b. 4, t. 56.TF 382.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents