Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 5 - Fahalalahan-Tanana Eo Amin’izay Itoeran’i Kristy

    Hisy zavatra mahatalanjona ho tontosa rehefa ao am- po ny fitiavana tanteraka ananan’Andriamanitra. Ho ao am-pon’ny mpino i Kristy, tahaka ny loharano miboiboika ho fiainana mandrakizay. Fa ireo izay maneho tsy firaihana manoloana ireo mijaly eo amin’ny taranak’olombelona kosa dia hohelohina noho ny tsy firaihana manoloana an’i Jesôsy Kristy, izay ao ambadik’ireo olo-masiny mijaly ireo. Tsy misy zavatra mikiky haingana kokoa ny aim-panahin’ny fanahy mihoatra noho ny fanidiana izany ao anatin’ny fitiavan-tena sy ny tsy fikarakarana afa-tsy ny tenany ihany. Ireo izay mampanaranam-po ny tena sy manao tsirambina ny fikarakarana ny fanahy sy vatan’ireo izay nanoloran’i Kristy ny ainy, dia tsy mihinana ny mofon’aina, na misotro ny ranon’ny loharanom-pamonjena. Maina sy karakaina izy ireo, tahaka ny hazo tsy mamoa. Sahozanina ara-panahy izy ireo, izay mandany ny hoenti-manany amin’ny tenany; saingy “izay afafin'ny olona no hojinjainy” — Gal. 6:7. Hatao ho hitan’ny maso mandrakariva ireo foto-kevitra kristianina. Haharihary amin’ny fomba maro ireo foto-kevitra ao anaty. I Kristy mitoetra ao amin’ny fanahy dia tahaka ny loharano izay tsy ho ritra na oviana na oviana. — RH, 15 Jan. 1895.TF 28.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents