Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Isan’ny Sahan’Asa koa ny Mpiasa

    Tokony hanao ny asa amin’ny toe-tsaina feno fahatsapana fa isan’ny sahan’asa mihitsy ireo izay mirotsaka ho mpitsabo mpanampy eo amin’ny sehatr’asantsika. Tsy tokony hieritreritra mihitsy izy ireo hoe hameno ora fotsiny no antony hiasany isan’andro. Noho izany dia tokony hamaly amim-pahazotoana sy am-pifaliana fatratra izy ireo rehefa miseho ny fahaterena ary mitranga koa ny filana fanampiana manokana. Tokony hanana fahatsapana feno fiheverana manokana izay hampahomby ny asa anolorany tena izy ireo. Ary ny hafa koa dia tokony hampirishina hiasa amim-pahalianana sy amim-pisaintsainana fatratra.TF 295.2

    Hoy i Jesôsy, “Angony ny sisa tsy lany, mba tsy ho very.” - Jao. 6:12. Aoka hanaraka izany toromarika izany ireo izay miasa eo amin’ireo sehatrasantsika. Aoka izy ireo hitandrina fatratra mba tsy hisy mihitsy ny fandanilaniam-poana amin’ireo fanomezana ara-panahy sy ara-nofo natolotr’Andriamanitra. Ny fahaiza-mitantana dia tsy maintsy hianaran’ireo mpanabe tsara ka hampitaina amin’ireo izay mirotsaka hanampy. Ary ny ray aman-dreny koa dia tokony hampianatra ireo zanany ny siansan’ny fahaizana mampiasa ny vola madinika hahavitana zavatra lehibe araka izay azo atao amin’ny alalan’ny fitsipika sy ny ohatra omeny. Betsaka amin’ny fianakaviana mahantra no mahantra satria haingana loatra izy ireo mandany ny volany raha vantany vao voarainy fotsiny izany.TF 295.3

    Ireo izay mitana ny andraikitry ny fandrahoan-tsakafo ao amin’ny toeram-pitsaboana dia tokony hofanina tsara hanana fahazarana mitsitsy. Tsy maintsy mahatsapa izy ireo fa tsy misy sakafo tokony holanilanina foana.TF 296.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents