Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Olana goavana

    Zavatra mampidi-doza ny manodinkodina ny fananan’ny Tompo, sy ny mandroba an’Andriamanitra; satria lasa simba ny fomba fijery ary lasa mafy ny fo. Tsy mahavokatra manao ahoana ny fanandramana ara-pivavahana, ary manjavozavo manao ahoana ny fisainan’ny olona iray izay tsy tia an’Andriamanitra amin’ny fitiavana madio sy tsy misy fitiavan-tena, noho izany, tsy mahavita ny mitia ny namany tahaka ny tenany izy (...)TF 93.1

    Ny andro lehibe farany dia haneho amin’izy ireo sy amin’izao tontolo rehetra izao ny zava-tsoa nety ho azon’izy ireo natao raha toa ka tsy nanaraka ny fironany feno fitiavan-tena izy ireo, ka tsy nandroba an’Andriamanitra teo amin’ny ampahafolony sy ny fanatitra. Azon’izy ireo natao ny nametraka ny fananany tao amin’ny bankin’ny lanitra, ka nitahiry izany tao anatin’ny kitapom-bola tsy mety ho tonta; tsy nanao izany anefa izy ireo, fa nolaniany tamin’ny tenany sy tamin’ny zanany ny hareny, ary toa natahotra mihitsy aza izy ireo fa haka ny ampahany amin’ny volany na amin’ny fahefany ny Tompo. Ary noho izany dia nahita ny fahaverezana mandrakizay izy ireo. Aoka izy ireo handinika ny vokatry ny fihazonana izay an’Andriamanitra. Ny mpanompo malaina izay tsy mampanjanaka ny volan’ny Tompo ny, dia manary lova mandrakizay ao amin’ny fanjakam-boninahitra. - RH, 22 Jan. 1895.TF 93.2

    Ny fanambakana an’Andriamanitra no heloka bevava lehibe indrindra mety hahameloka ny olombelona; kanefa dia latsa-paka lalina sy mihanaka io fahotana io. - RH, 13 Okt. 1896.TF 94.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents