Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ny Vokatr'ireo Ezaka Roa Ireo

    Noho ny fitondran’Andriamanitra, ireo izay milanja ny enta-mavesatry ny asany dia niezaka ny nanisy aina vao teo amin’ireo fomba fiasa tranainy, sy namorona koa drafitra sy fomba vaovao hamohazana ny fahalianan’ny mambran’ny fiangonana mba hanatanteraka ezaka iraisana ho fanatrarana izao tontolo izao. Iray amin’ireo drafitra vaovao ho fanatrarana ny tsy mpino ny drafitra famoriam- bola isan-taona ho an’ny saha rehetra. Hita fa fahombiazana io drafitra io tany amin’ny toerana maro sy nandritra ireo dimy taona farany, ka nitondra fitahiana ho an’ny olona maro sy nampitombo ny vola nirotsaka tao amin’ny trano firaketan’ny misiona. Satria efa nampahafantarina ireo tsy iray finoana amintsika ny fandroson’ny hafatry ny anjely fahatelo tany amin’ny tanin’ny Jentilisa, dia voaentana ny fangoraham-pon’izy ireo, ka ny sasany aza dia naniry ny hahafantatra bebe kokoa ny momba ilay fahamarinana izay manana hery afaka manova fo sy fiainana maro. Lehilahy sy vehivavy maro amin’ny sarangan’olona rehetra no voakasika, ary dia noderaina ny anaran’Andriamanitra.TF 209.1

    Nandritra ireo taona lasa aho dia niresaka momba ny drafitra hanehoana ny asa misiônera tanterahintsika sy ny fandrosony amin’ireo namantsika sy ireo mpifanolo- bodirindrina amintsika, sy momba ny ohatra nasehon’i Nehemia. Ankehitriny kosa aho dia mampiriska ireo rahavavy sy anadahintsika mba handalina indray ny fanandraman’io lehilahin’ny vavaka sy finoana ary fahendrena io, izay sahy nangataka fanampiana tamin’ny namany, ny mpanjaka Artaksersesy, mba hampandrosoana ny tombontsoan’ny asan’Andriamanitra. Aoka anefa ho takatry ny rehetra fa rehefa maneho ny zavatra ilain’ny asantsika isika, dia tsy afaka hitaratra ny fahazavana amin’ny hafa ireo mpino raha tsy manakaiky an’Andriamanitra sy mivelona ao anatin’ny fifandraisana ety amin’ilay Mpanome ny fahazavana rehetra ihany izy ireo, tahaka izay nataon’i Nehemia fahiny. Tsy maintsy miorina mafy eo amin’ny fahalalana ny fahamarinana ny fanahintsika, raha tiantsika ny hambabo ny hafa hiala amin’ny fahadisoana ho amin’ny fahamarinana. Mila mandalina amim-pahazotoana ny Soratra Masina isika ankehitriny, mba hahafahantsika, rehefa mifankazatra amin’ireo tsy mpino isika, maneho an’i Kristy eo anoloan’izy ireo amin’ny maha-ilay Mpamonjy voahosotra sy nohomboana teo amin’ny hazo fijaliana ary nitsangana tamin’ny maty; Izy no ilay ambaran’ireo mpaminany, sy ijoroan’ireo Kristianina ho vavolombelona, ary amin'ny anarany no ahazoantsika famelan-keloka. - MS 2, 1914.TF 209.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents