Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 43 — Mitady Hanompo An’Andriamanitra Sy I Mamona

    Mety hampidi-doza ny fikatsahantsika ny haren’ny tany satria ny zavatra rehetra mihitsy no atahorana hafointsika vokatr’izany. Ny fikolokoloantsika hafanam- po amin’ny fikatsahana ny haren’izao tontolo izao mantsy, dia hanadinoantsika ny tombontsoa mihaja sy ambony indrindra. Tsy hamela antsika hanam-potoana sy hanam- paniriana hikatsaka ny lanjan’ny harena mandrakizay mihitsy ny fiheverana lalina sy fiahiahiana ateraky ny fikatsahana ny haren’ny tany. “Fa izay itoeran’ny harenao dia ho any koa ny fonao.” — Mat.6:21. Ny eritreritrao, ny fikasanao, ny faharisihanao dia lasa any amin’izao tontolo izao, ary dia voaloton’ny fitiavan-tena sy ny fitiavam-bola ny fanahinao. “Fa inona moa no soa ho azon'ny olona raha mahazo izao tontolo izao kanefa very ny ainy?” - Mat. 16:26.TF 237.1

    Mety ho lasa tempolin’i Fanahy Masina ny fon’ny olona. Mety hitoetra ao amin’ny fanahinao ny fiadanan’ny Tompo izay mihoatra ny fahalalana rehetra; ary mety hiasa ao amin’ny fiainanao ny hery manovan’ny fahasoavany ka hanomana anao ho ao an-kianjan’ny lanitra izay toerana be voninahitra tokoa. Mbola tsy azo lazaina fa manao an’Andriamanitra sy ny zavatry ny lanitra ho laharam-pahamehan’ny fiainana mihitsy anefa ianao raha mbola atokanao hanompoana ny izaho ny atidoha sy ny retsi-pandre ary ny hozatrao rehetra. Tsy ho vitanao mihitsy ny hampiditra ny fahasoavan’Andriamanitra ao amin’ny toetranao raha mbola entinao hiandaniana amin’izao tontolo izao ny herinao rehetra. Mety ho azonao atao ny manangona harena eto an-tany, hanatrarana tanjona feno fitiavan-tena; nefa tadidio «Fa izay itoeran’ny harenao dia any koa ny fonao”. Ho lasa tsy dia manan- danja aminao loatra ny zavatra mahantra mandrakizay. Afaka mandray anjara amin’ny fombafomba ivelan’ny fotoam-pivavahana ianao, fa ny fanompoanao dia zava- betaveta eo imason’Andriamanitra. Tsy afaka ny hanompo an’Andriamanitra sy i Mamôna ianao. Na ianao mametraka ny fonao sy ny sitraponao eo amin’Andriamanitra, na ianao mandany ny herinao hanompoana izao tontolo izao. Tsy manaiky velively ny fanompoana tompo roa Andriamanitra. - RH, 1 Sept. 1910.TF 237.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents