Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Mandray mba Hanome

    Na aiza na aiza no misy aina ao amin’ny fiangonana iray, dia misy fitomboana sy fandrosoana. Misy fifanakalozana tsy an-kiato ihany koa ao: maka dia manome, mandray dia mamerina amin’ny Tompo ny anjarany. Omen’Andriamanitra fahazavana sy fitahiana ny mpino marina tsirairay, ary zarain’ilay mpino amin’ny hafa ireo, amin’ny alalan’ny asa ataony ho an’ny Tompo. Rehefa manome amin’izay noraisiny izy, dia mitombo ny fahafahany mandray. Misy toerana handraisana fahasoavana sy fahamarinana vaovao indray. Mahazo fahazavana mazava kokoa sy fahalalana mitombo izy. Miankina amin’io fanomezana io sy io fandraisana io ny fiainan’ny fiangonana sy ny fitombony. Izay mandray, nefa tsy manome mihitsy, tsy ho ela dia tsy handray intsony. Ho very ny fahafahany mandray raha tsy mikoriana avy aminy mankamin’ny hafa ny fahamarinana. Tsy maintsy mizara ireo zava-tsoa avy amin’ny lanitra isika, raha tiantsika ny handray fitahiana vaovao indray.TF 34.2

    Tsy manana eritreritra ny Tompo ny ho tonga eto amin’izao tontolo izao ka hitondra volamena sy volafotsy mba hampandrosoana ny asany. Omeny hoenti-manana ny olona, mba hahafahan’izy ireo mampandroso hatrany ny asany,amin’ny alalan’ny fanomezana sy ny fanatitra atolotr’izy ireo. Ny tanjona ambonin’ny tanjona hafa rehetra tokony hampiasana ny fanomezan’Andriamanitra dia ny fanohanana ireo mpiasa any amin’ny saha fijinjana. Ary raha ho tonga fantsona izay ikorianan’ny fitahian’ny lanitra mankamin’ny hafa ny olona, dia hasian’Andriamanitra zavatra foana ao anatin’ilay fantsona. Ny tsy famerenana amin’i Jehôvah ny anjarany no mahatonga ny olona hahantra; mitarika ho amin’ny fahantrana ny famihinana (...).TF 35.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents