Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Lesona Azo Tsoahina avy amin’ny Fiainan’i Jodasy

    Nanana toetra tsara i Jodasy, saingy nisy kosa ireo izay nila nofongorana talohan’ny tokony nahazoany famonjena. Tokony ho nateraka indray izy, tsy amin’ny voa mety lo fa amin’ny voa tsy mety lo. Ny fironana nolovainy izay nomeny vahana sy nokolokoloiny no faniriany fatratra. Lasa fahazarana izay nasehony tamin’ny fomba fiainany rehetra izany rehefa nokolokoloiny tao. Nomeny vahana koa ny toe- tsaina feno fieremana ka tonga fandrika mitera-doza. Tonga fitsipika azo ekena tao anatin’ny traikefa ara-pivavahany ny fitiavam-bola. Nesoriny tanteraka tsy ho hita eo amin’ny fomba fiainany intsony ny fitsipi-piainana Kristianina momba ny fahitsiana sy ny fahatokiana.TF 240.2

    Ny fahalalan’i Kristy fa tafaroboka tsikelikely tamin’ny fahalovana noho ny faniriana fatratra ny haren’ny tany i Jodasy ary nanao izay hahazoana izany tamin’ny alalan’ny kolikoly noho ny fitiavam-bola no nanomezan’i Jesôsy fahafahana manokana ho azy handraisany lesona sarobidy maro. Efa henon’i Jodasy ny nilazan’i Jesôsy momba ny foto-kevitra tokony hananan’ireo izay maniry ny hiditra ao amin’ny fanjakany. Nanana fahafahana tamin’ny fomba rehetra mba hahazoana mandray an’i Kristy ho Mpamonjy ny tenany manokana izy kanefa nolaviny izany fanomezana izany. Tsy te handao ny sitrapony sy hanolotra ny fiainany ho an’i Kristy izy. Nanapa-kevitra ny tsy hanao izay mifanohitra amin’ny fironany izy; noho izany, dia tsy voahitsy ny toe- tsaina feno fieremana nananany. Na dia nanana ny endrika ivelany maha-mpianatra teo ambany fanatrehan’i Kristy aza izy, dia nisintona ho an’ny tenany samirery ny vola avy tao amin’ny trano firaketan’Andriamanitra. Mety nitondra tombontsoa ho an’i Jodasy ireo lesona ireo raha toa ka mba nanana faniriana hanana fahatsoram-po izy; saingy indrisy fa resin’ny fironana hanangona sy hamihina samirery izy, ary nanjaka tao aminy toy ny hery tsy azo resena ny fitiavam-bola. Ny fileferany tamin’izany fironana izany no nampahazo vahana io toetra io ho voakolokolo sy hiorim- paka tao aminy ka nampiongotra ny voan’ny fahamarinana izay nalatsaka tao am-pony. - RH, 5 Okt. 1897.TF 241.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents