Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ilain a ny Talenta amin’ny Endrika Vola

    Tokony hotadiavina amin’ny fitiavana feno fahalemem- panahy sy amim-panajana feno firahalahiana ireo izay eo amin’ireo saranga ambony kokoa eo amin’ny fiarahamonina. Diso nohamaivanina loatra io sarangan’olona io. Sitrapon’Andriamanitra ny handrenesan’ireo olona izay nanankinany talenta betsaka ny fahamarinana amin’ny fomba hafa amin’izay nandrenesan’izy ireo izany tamin’ny lasa. Tokony ho anisan’ireo izay mandre voalohany ny antson’ny filazantsara ireo olona eo amin’ny fandraharahana, eo amin’ny toerana mitaky andraikitra, olona manana fahaizana mamorona betsaka sy fanofanana ara-tsiansa, olona manana fahaizana miavaka.TF 153.1

    Misy olona eo amin’izao tontolo izao izay nanankinan’Andriamanitra fahaiza-mandamina izay ilaina mba hampandrosoana ny asan’Andriamanitra amin’izao andro farany izao. Tsy ho mpitoriteny avokoa ny rehetra; Fa mba ilaina koa ireo olona izay afaka mandray ny fitantanana ireo sahan’asa anatontosana asam-pamokarana, olona izay afaka manao ny asan’ny mpitarika sy mpanabe ao amin’ireo Federasiona. Ilain’Andriamanitra ireo olona izay afaka mandroso hatrany sy mahita izay ilaina hatao, olona izay afaka hiasa amin’ny maha-mpitantam-bola mahatoky, olona izay hijoro tsy azo hozongozonina tahaka ny vatolampy ka hahatoky amin’ny foto-kevitra, manoloana izao olana ankehitriny izao sy ireo kizo mety hipoitra amin’ny hoavy. - RH, 8 May 1900.TF 153.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents