Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Jamban’ny Fitiavana Izao Tontolo Izao

    Tokony hahazo toerana voalohany eo amin’ny fikasantsika sy ny fitiavantsika ny asan’Andriamanitra. Ilaina ny milaza ny hafatra mivantana momba ny fitiavana ny izaho raha mbola hita fa ny momba an’Andriamanitra dia mila vola be. Misy ireo izay tena mangatsiaka sy tsy mivaky loha ka tsy fantany intsony hoe mampifikitra loatra ny fitiavany eo amin’ny haren’ny tany, izay ho voafafa tsy ho ela intsony izy ireo. Mandrakotra azy toy ny lamba matevina ny fitiavana izao tontolo izao; ary raha tsy miova fitondrantena izy, dia tsy ho fantany mihitsy hoe akory ny hatsaran’ny fandavan- tena ho an’ny asan’i Kristy. Tokony horoasina tsy ho ao am-pontsika avokoa ny sampy sy ny fitiavana tanteraka izao tontolo izao. Misy amin’ireo mpitory sy namana mahatoky no tonga saina ny amin’io loza manandindona ireo fanahy torotoron’ny fitiavan-tena io, ka mampahafantatra azy ireo ny fahadisoany eo amin’ny fitondran-tenany, kanefa raha mba tokony hanaiky izany fampitandremana izany izy ireo, dia aleony indray manohitra ireo namana mahatoky, izay te hikarakara azy amim-pahatsorana ireo.TF 241.2

    Ho afaka amin’izany gadra ara-panahy izany ve izy ireo ka hiezaka hahalala an’Andriamanitra amin’ny fomba manokana? Nohajambain’izao tontolo izao mantsy ny mason’izy ireo mba hanakanana azy tsy hahita ny tsy hita maso. Lasa tsy mahay manavaka ny zavatra sarobidy izay maharitra mandrakizay izy ireo, ka manjavozavo sisa ny fahitany ny fahazavan’ny fahamarinan’Andriamanitra ary tsy fantany intsony izay dikany. Ny tsipirian-javatra kely indrindra mahakasika ny tombotsoa manokana ho azy ireo, izay mielina sy mandalo ihany no diso mibahana loatra ao an-tsainy, hany ka tsy ao anaty kajiny intsony ireo zavatra mahakasika ny mandrakizay. - RH, 31 Okt. 1893.TF 242.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents