Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fizarana 11 — Ny Fanjakazakan’ny Trosa

    Toko 48 - Miaina Araka Izay Vola Midrita

    Betsaka tena betsaka no tsy nizatra niaina hitazona ny fandaniana ataony tsy hihoatra ny fetran’ny vola miditra aminy Tsy nianatra ny hampifanaraka ny fiainany amin’ny toe-java-misy izy ireo, ka dia mitrosa, ary mitrosa hatrany hatrany, ka manjary resin’ny trosa tanteraka, vokatr’izany dia manjary kivy sy ketraka izy ireo.TF 269.1

    Betsaka no manadino ny asan’Andriamanitra, sy tsy miraika fa mandany vola amin’ny fialam-boly isaky ny faran’ny herinandro, sy amin’ny fitafiana ary ny hadalana, ka raha vao mba misy antso atao ho amin’ny fampandrosoana ny asa na eo an-toerana izany na any amin’ny misiona hafa any ivelany, dia tsy manan-katolotra intsony izy ireo, na efa foana tanteraka mihitsy ny tahiriny. Rehefa izany dia mandroba an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny ampahafolony sy ny fanatitra amin’izay izy ireo, ary mamelatra ny fanahiny eo amin’ireo fakam-panahy feno herisetra noho ny fironana amin’ny fitiavan-tena ao anatiny, ka indro fa lavo amin’ny vela-pandrik’i Satana.TF 269.2

    Mila miambina fatratra isika, ka tsy hamela ny tenantsika handany vola amin’ny zavatra tsy dia ilaina sy be haitraitra fotsiny. Tsy tokony hamela ny tenantsika hifantoka amin’ny fankamamian-javatra mitarika amin’ny fanahafana ny fanaon’izao tontolo izao isika, ka handroba ny trano firaketan’Andriamanitra.TF 269.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents