Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fizarana 9 — Ny Fikatsahana Ny Haren’ny Tany

    Toko 42 - Ny Zava-Doza Amin’ny Fitiavan- Karena

    Betsaka amin’ireo vahoakan’Andriamanitra no voapoizin’ny toe-tsain’izao tontolo izao ka mandà ny finoany amin’ny alalan’ny asany. Mamboly fitiavam-bola, sy fitiavana trano sy tany izy ireo, mandra-pisinton’izany ny herin-tsaina sy ny herim-batana rehetra, sy hampanalavirany ny fitiavana ny Mpahary sy ny fitiavana ireo fanahy izay nanoloran’i Kristy ny ainy. Nanajamba ny mason’izy ireo ny andriamanitr’izao tontolo izao; ataony ankilabao ireo tombontsoany mandrakizay; ary ampiasaina faran’izay mafy ny atidoha sy ny taolana ary ny hozatra mba hampitomboany ny hareny eto an-tany. Kanefa izany fampitomboana fanahiana sy ezaka rehetra izany dia fandikana mivantana ny baikon’i Kristy manao hoe: “Aza mihary harena ho anareo ety an-tany, izay misy kalalao sy harafesina manimba, sady misy mpangalatra manamitrano sy mangalatra.” - Mat. 6:19. Hadinon’izy ireo fa niteny toy izao koa Izy: “Fa miharia harena ho anareo any an-danitra” - Mat. 6:20, ary raha manao izany ireo dia ho tombontsoany ihany izany. Amin’ny toerana azo antoka ny harena harina ao an-danitra; tsy misy mpangalatra afaka manatona, tsy misy kalalao afaka manimba. Eto an-tany anefa no misy ny hareny, ary eo amin’izay misy ny hareny no hisy ny fitiavany.TF 227.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents