Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Harena Mandrakizay Nohamavoina

    Ny Tompo dia mijery amim-pangorahana ireo izay mamela ny tenany hovesaran’ny fikarakarana ny tokantrano sy ny ahiahy eo amin’ny asa aman-draharaha. Tototry ny fanompoana be loatra izy ireo, ka hamaivaniny ny zavatra manan-danja indrindra. Hoy ny Mpamonjy: “Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany. “—Mat. 6:33. Izany hoe: esory amin’izao tontolo izao ny fijerinareo, ka banjino ny mandrakizay. Miezaha mafy mba hahazoana ireo zavatra izay omen’Andriamanitra tombambidy, sy nanoloran’i Kristy ny ainy sarobidy mba hahazoanareo izany. Nanokatra midanadana ho anareo ny vavahadin’ny lanitra ny sorona nataony. Miharia harena ho anareo eo akaikin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra, amin’ny alalan’ny fampiasana ny petra-karena nankininy mba hanaovana ny asa izay iriny ho vita, dia ny famaboana fanahy mba hahalala ny fahamarinana. Hanome toky ny hahazoanareo harena mandrakizay izany (...)TF 247.1

    Rehefa mieritreritra ny fanomezan-dehibe avy tamin’ny lanitra ho fanavotana tontolo iray feno fahotana isika, ka mandinika ny fanatitra azontsika hatolotra, dia tsy ho sahy hanao ny fampitahana mihitsy isika. Tsy afaka hifampitaha amin’io fanomezana iray io ny fitakiana rehetra izay mety atao amin’izao voary rehetra izao. Fitiavana tsy azo refesina no naseho rehefa tonga ilay Iray mitovy amin’ny Ray, mba handoa ny saran’ny fanahin’ny olona sy hitondra ny fiainana mandrakizay ho azy ireo. Tsy mahita zavatra mahasarika eo amin’ny Mpanavotra izao tontolo izao intsony va ireo izay miantso ny anaran’i Kristy? Tsy hiraika amin’ny fananana ny fahamarinana sy ny fahitsiana va izy ireo, ka hahafoy ny harena any an-danitra, fa hitodika kosa amin’ny harena eto an-tany?TF 248.1

    “Ary izao no fanamelohana, fa tonga amin'izao tontolo izao ny mazava, nefa aleon'ny olona ny maizina toy izay ny mazava, satria ratsy ny asany. Fa izay rehetra manao ratsy dia mankahala ny mazava sady tsy manatona ny mazava, fandrao hita miharihary ny asany. Fa izay manao ny marina kosa dia manatona ny mazava mba haseho ny asany, fa atao amin'Andriamanitra izany. ” -Jao. 3:19-21.TF 248.2

    Iray amin’ireo andalan-teny sarobidy indrindra ao amin’ny Testamenta Vaovao io hafatry ny filazantsara io. Rehefa ekena izany, dia miteraka asa tsara eo amin’ny fiainan’ny mpandray azy, asa tsara izay manana tombambidy ambony lavitra noho ny tombambidin’ny diamondra sy ny volamena. Manana hery izany mba hitondra fifaliana sy fiononana eo amin’ny fiainana eto an-tany, sy hanome fiainana mandrakizay ho an’ny mpino. Enga anie ka tena hohazavain’ny fahasoavana ny saintsika, ka ho takatsika amin’ny fahafenoany ny hevitr’izany hafatra izany! Milaza amintsika ny ray manao hoe: Hanome anareo harena sarobidy kokoa noho ny fananana rehetra eto an-tany Aho, fananana izay hampanan-karena sy hahavoatahy anareo mandrakizay - RH, 5 Mar. 1908.TF 248.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents