Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 26 - Mandroba An’Andriamanitra Amin’ny Fanompoana Mendrika Azy

    Misy olona ao anaty laharan’ny mpitandrina ny Sabata no mifikitra mafy amin’ny hareny eto an-tany. Izany no andriamaniny, ny sampiny; ary ny volany, ny famboleny, ny biby fiompiny, sy ny entam-barony no tiany mihoatra noho ny Mpanavotra azy, izay tonga malahelo noho ny aminy, mba hampanan-karena azy ny alahelony. Asandrany ambony ny hareny eto an-tany, ka raisiny ho toy ny manana tombambidy ambony kokoa noho ny fanahin’ny olona izany. Holazaina amin’ny olona tahaka izany ve ny teny hoe “tsara izany”? Tsia; tsy holazaina aminy na oviana na oviana izany. Hilatsaka amin’ny fanahiny feno tahotra ny sazy henritra sy tsy azo ovaina intsony manao hoe: “Mialà”. Tsy misy ilà’i Kristy azy ireo. Mpanompo malaina izy ireo, izay namory ny hoenti-manana nomen’Andriamanitra azy ireo, kanefa very ao anatin’ny haizina sy ny fahadisoana ireo mpiara-belona aminy.TF 135.1

    Manahy mafy ny amin’io resaka io ny fanahiko. Hatory va ireo olona manana hoenti-manana mandra-pahataraiky azy? Mandra-pandavan’Andriamanitra azy sy ny fananany, ka hilazany hoe: “He! hianareo manan-karena, mitomania sy midradradradrà noho ny fahoriana izay efa manjo anareo. Ny harenareo efa lanin'ny kalalao. Ny volamena sy ny volafotsinareo dia efa harafesina; ary ny harafesiny dia ho vavolombelona hiampanga anareo” — Jak. 5:1-3. Inona no fanambaràna hatao amin’ny andron’Andriamanitra, rehefa hiantsoantsoireo harena novoriana sy ireo karama nohazonina tamin-kafetsena ka hanameloka ny tompony, izay misora-tena ho Krisrianina tsara, sy nandoka tena fa nitandrina ny didin’Andriamanitra, kanefa izy ireo dia da ny harena mihoatra noho ny fitiavany ny fanahin’ny olona, izay nanoloran’i Kristy ny rany.TF 135.2

    Izao no fotoana tokony hiasan’ny rehetra (...). Inona no havalin’ny olona maro amin’ny andron’Andriamanitra, rehefa hanontany Izy hoe: Inona no nataonao ho Ahy, izay nanolotra ny hareko, ny voninahitro, ny didiko, ary ny aiko mba hamonjena anao tamin’ny fahaverezana? Tsy hahaloa-peo ireo izay tsy nanao na inona na inona amin’izany andro izany. Ho hitan’izy ireo ny fahotany noho ny fanaovany tsirambina. Nandroba an’Andriamanitra tamin’ny fanompoana tokony nataony nandritra ny androm- piainany izy ireo. Tsy nitarika olona ho amin’ny tsara izy ireo. Tsy nitondra na dia fanahy iray ho eo amin’i Jesôsy izy ireo. Nahatsiaro fifaliana izy ireo raha tsy nanao na inona na inona ho an’ny Tompo; tsy hahazo valim-pitia izy ireo, fa fahaverezana mandrakizay no miandry azy. Very miaraka amin’ireo ratsy fanahy izy ireo, na dia nitonon-tena ho mpanara-dia an’i Kristy aza. - RH, 14 Mar. 1878.TF 136.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents