Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Tsy Misy Saranga eo Imason’ Andriamanitra

    Tsy tokony ho mangatsiaka sy hihirim-belona na oviana na oviana isika, indrindra manoloana ireoTF 179.1

    malahelo. Tsy maintsy haseho amin’ny olona rehetra ny fahalalam-pomba, ny fangoraham-po, ary ny fitserana. Tsy ankasitrahan’Andriamanitra ny fiangarana aseho amin’ireo manan-karena. Tafintohina i Jesôsy rehefa tafintohina ireo zanany izay sahirana. Tsy manan-karena amin’ny fananan’izao tontolo izao izy ireo, saingy sarobidy eo imason’ilay fony feno fitiavana. Tsy misy fanavakavahana laharana eo amin’ny fiaraha-monina eken’Andriamanitra. Aminy dia tsy misy izany saranga izany. Eo imasony, ny olombelona dia olombelona ihany, na tsara na ratsy. Amin’ny andro fampamoahana farany dia tsy hampiova na inona na inona amin’ny anjaran’ny tsirairay ny fahefany, na ny sarangany, na ny hareny. Hotsarain’Ilay Andriamanitra izay mahita ny zavatra rehetra araka ny fahadiovany, sy ny fahamendrehany ary ny fitiavany an’i Kristy ny olona (...)TF 179.2

    Nambaran’i Kristy fa tsy maintsy torina amin’ny malahelo ny filazantsara. Tsy hiseho amin’ny lafiny maha- fitiavana azy mihoatra noho rehefa entina eo anatrehan’ny malahelo sy ny mahantra ny fahamarinanan’Andriamanitra, na oviana na oviana. Amin’izay vao hamirapiratra amin’ny fahazavany manjelanjelatra indrindra ny fahazavan’ny filazantsara, hanazavany trano bongon’ny tantsaha sy ny trano tsizarizarin’ny mpiasa. Eo mandrakariva ireo anjelin’Andriamanitra ary ny fanatrehany no mahatonga ny mofo kely sy rano eran’ny vera ho hanim-pitoloha. Hakarina ho lasa zanakalahy sy zanakavavin’Ilay Avo indrindra ireo izay tsy noraharahaina sy nafoin’izao tontolo izao. Hasandratra eo amin’ny toerana avo noho izay azon’izao tontolo izao omena izy ireo, ka hipetraka any amin’ny toerana any an- danitra, miaraka amin’i Jesôsy Kristy. Mety tsy manana harena sarobidy eto an-tany izy ireo, saingy nahita kosa ilay vatosoa sarobidy - RH, 21 Jol. 1910.TF 179.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents