Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Manafoana ny Fitiavan-Tena ao am-Po

    Mampalahelo fa ny fiangonana ankehitriny dia tsy rototra firy amin’ny fanehoana fankasitrahana ny Tompo noho Izy nampanan-karena azy tamin’ny alalan’ny fahasoavany, sy nanome azy talenta ara-bola, mba hahafahany mamatsy ny trano firaketan’Andriamanitra amin’ny alalan’izany.TF 50.1

    Miantsoantso an’Andriamanitra ireo ampahany karakaina amin’ny tanimboalokoky ny Tompo, manao hoe: “Nanao tsirambina ny fikarakarana ahy ny olona.” Amin’ny famelan’ny olona ireo mpiara-belona aminy ao anatin’ny fatoran’ny tsy fahampiana sy ny fitotonganana, dia mamela an’i Satana hanome tsiny an’Andriamanitra noho ny famelana ny zanany ho ory ny amin’ireo zavatra ilaina eo amin’ny fiainana izy ireo. Voatsiratsira Andriamanitra noho ny tsy firaihan’ireo izay nanankinany ny fananany. Tsy mety mijery ny fahorian’ireo azony nohamaivanina ireo mpitantana napetrany. Koa mampitondra tsiny an’Andriamanitra izy ireo.TF 50.2

    Aoka tsy hisy olona hanao tsinontsinona ny andraikiny. Raha tsy nampiandraiketina vola betsaka ianao, fa farantsa kely fotsiny ihany, dia tsarovy mandrakariva fa hotahin’Andriamanitra ny fahazotoana tsy mety sasatra. Tsy mba ataony tsinontsinona ireo zavatra bitika andavanandro. Hitondra vokatra mahatalanjona ny fampiasana amim-pahendrena ny zavatra bitika. Ny talenta iray ampiasaina amim-pahendrena dia hitondra talenta roa ho an’Andriamanitra. Arakaraka ny renivola nomena ny zanabola antenaina. Arakaraka izay ananan’ny olona, fa tsy araka izay tsy ananany, no aneken’Andriamanitra izay omeny Azy.TF 50.3

    Mitaky izay tokony haloantsika Aminy eo amin’ny ampahafolony sy ny fanatitra Andriamanitra. Mitaky fanoloran-tena eo amin’ny laharana tsirairay amin’ny asany Izy. Ataovy amim-pahatokiana ny anjara adidy nankinina taminao. Miasà amim-pahamatorana, mahatsiaro mandrakariva fa eo anilanao i Kristy, manao drafitra sy mamolavola ary manangana ho anao. “Ary Andriamanitra mahay mampitombo ny fahasoavana rehetra aminareo, mba hanananareo ny onony rehetra mandrakariva amin'ny zavatra rehetra, ka hitombo amin'ny asa tsara rehetra” — 2 Kôr. 9:8. Manomeza amim-pahazotoana sy amim-pifaliana ary amin’ny nahim- po, feno fankasitrahana satria afaka manao zavatra ho fampandrosoana ny fanjakan’Andriamanitra eto amin’izao tontolo izao ianao. Foano ny fitiavan-tena rehetra ao am- po, ka ampifantohy amin’ny asa kristianina ny saina. Raha mifandray ety amin’Andriamanitra ianao, dia ho vonona ny hanao ny fahafoizana rehetra mba hametrahana ny fiainana mandrakizay ho takatr’ireo very.TF 51.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents