Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ilay Mpanapaka Mpanan-Karena Tanora

    Nisy zatovo nanatona an’i Kristy ka nanao hoe: “Mpampianatra ô, inona no tsara hataoko hahazoako fiainana mandrakizay?” Nasain’i Jesôsy nitandrina ny didy izy. Dia namely ilay zatovo hoe: “Izany rehetra izany efa voatandriko avokoa; fa inona no tsy mbola mahatanteraka ahy?” Nijery tamim-pitiavana ilay zatovo i Jesôsy, ka nanondro tamim-pahatokiana ny zavatra tsy ampy teo aminy tamin’ny fitandremany ny lalan’Andriamanitra. Tsy da ny namany tahaka ny tenany izy. Ny fitiavany harena ao anatin’ny fitiavan-tena no kilemany, ka raha tsy sitranina izany dia hanakana ny fidirany any an-danitra. “Raha tia ho tanteraka hianao, mandehana, amidio ny fanananao, ka omeo ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra hianao; ary avia hanaraka Ahy. ” — Mat. 19:16,20,21.TF 229.2

    Tian’i Kristy ho takatr’ity zatovo ity fa tsy mitaky zavatra aminy ankoatra ny fanarahana ny ohatra izay Izy mihitsy, ilay Tompon’ny lanitra, no nametraka azy Izy. Nilaozany ny hareny sy ny voninahiny, ka tonga mahantra Izy mba hampanan- karena ny olombelona ny fahantrany; ary noho ny amin’ireo harena ireo, dia mangataka ny olombelona Izy mba hahafoy ny harena sy ny voninahitra ary ny fahafinaretana eto an- tany. Fantany fa raha miraikitra eto amin’izao tontolo izao ny fitiavana, dia ho voasarika hanalavitra an’Andriamanitra izy ireo; koa izany no antony nilazany tamin’ilay tovolahy manao hoe: “Amidio ny fanananao, ka omeo ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra hianao; ary avia hanaraka Ahy.” Ahoana no nandraisan’ilay zatovo ny tenin’i Kristy? Faly ve izy satria hahazo ny rakitry ny lanitra? Tsia, “Niala tamin'alahelo izy, satria nanana fananana be. ” — Mat. 19:22. Ho azy dia voninahitra sy fahefana ny harena; ary toa saika zavatra tsy hisy mihitsy ny fisarahana amin’izany harena izany noho ny habetsahany.TF 230.1

    Naniry ny hahazo ny lanitra ity lehilahy izay tia izao tontolo izao ity; saingy tiany hofikirina ny hareny, ka dia nafoiny ny fiainana mandrakizay noho ny fitiavana vola sy fahefana. Takalo mampahonena manao ahoana re izany e! Kanefa dia betsaka amin’ireo izay milaza fa mitandrina ny didin’Andriamanitra no manao izany zavatra izany koa.TF 230.2

    Io no loza ateraky ny harena eo amin’ny olona kahihitra; arakaraka ny hahazoany no mahasarotra aminy ny ho malala- tanana. Mitovy amin’ny famoizany ny ainy ny fampihenana ny hareny; ary mandositra ny fitarihana azy ho amin’ny valisoa mandrakizay izy mba hihazonana sy hampitomboana ny hareny eto an-tany. Tsy ho betsaka toy izao ny hareny eto an-tany raha nitandrina ny didin’Andriamanitra izy.TF 230.3

    Ahoana moa no ahafahany mitia an’Andriamanitra amin’ny fony rehetra sy ny sainy rehetra ary ny heriny rehetra, sy ny mitia ny namany tahaka ny tenany, raha toa ka sady mikendry sy miezaka fatratra ny hanome fahafaham- po ny tenany izy? Raha toa ka nizara mba hanampiana izay nilain’ny mahantra izy, dia ho sambatra lavitra, ary ho nanana harena betsaka kokoa any an-danitra, sy harena kely kokoa hiraiketan’ny fitiavany eto an-tany.TF 231.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents