Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Nahoana no Mbola Kolokoloina Foana ny Trosa?

    Andriamanitra dia mananatra mafy ny mambran’ny fiangonana izay efa toy ny mpanompo feno hakamoana. Tsy ho tanteraka mihitsy ny sitrapony raha mbola ahahaka fotsiny tsy misy firaharahana sy atao an-tsirambina ny zavatra masina. Ny fahafoizan-tena sy ny fandavan-tenan’ny isam- piangonana ihany no afaka manova izany toe-javatra izany. “Ahy ny volafotsy, ary Ahy ny volamena, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.” — Hag. 2:8. Rehefa ampiasaina amin’ny fitiavan-tena sy ny fanomezana vahana ny firehetam-po sy ny avonavona na ny fieremana ireny volamena sy volafotsy ireny, araka izay efa natao hatrizay ihany dia afa-baraka Andriamanitra.TF 285.1

    Moa ve ho vitan’ireo irak’Andriamanitra ny ho hita toy ny olona matory ka tsy hahatsapa fa izao toe-javatra mitranga iainantsika ankehitriny izao dia vokatry ny tsirambina avy amin’izy ireo? Tsy afaka handray fitahiana mihitsy ireo olona nofidin’Andriamanitra ireo raha mbola tsy mitsahatra manaingo ny tranony, sy mampiasa ny volan’Andriamanitra amin’ny zavatra samihafa hanomezana fahafaham-po ho an’ny tenany, nefa dia mahafantatra tsara fa ireny harena ireny dia tokony nampiasainy hihazonana ny tranon’Andriamanitra amin’ny endrika tsara kokoa, ka indrisy fa tsy misy vola tokony halaina hampiasaina amin’ireo fandaniana fanao andavanandro avy ao amin’ny trano firaketan’Andriamanitra.TF 285.2

    Manana hafatra avy amin’Andriamanitra aho. Mila mifoha ho afaka amin’ny fieremany ny fiangonana, ka hieritreritra ny momba izao zavatra izao. “Ahy ny volafotsy, ary Ahy ny volamena, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.” — Hag. 2:8. Amin’ny maha-mpianakavy antsika no ametrahana izao fanontaniana izao, moa ve ampiasaintsika hanatanterahana zavatra manindraindra ny fitiavan-tenantsika fotsiny ny volafotsy sy ny volamena, ary tsy manao na inona na inona hanafahana ny trosa ao an-tranon’Andriamanitra intsony isika? Vesaran- trosa ny fiangonana, satria tsy hoe tsy azo atao mihitsy ny ho afaka amin’izany fa satria izany no vokatry ny fitiavan- tena feno fieremana asehon’ireo mambran’ny fiangonana. Manala baraka an’Andriamanitra izany tsirambina izany, koa raha ahenany ny vola miditra aminao dia aoka tsy ho jambena noho ny antony mahatonga izany ianao. Raha ataonao lohalaharana Andriamanitra, ary azonao tsara fa manala baraka ny tranon’Andriamanitra ny trosa, dia hitahy anao indray Andriamanitra. — MS, 116, 1897.TF 286.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents