Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Mamerina Indray ny Fahotan’i Nadaba sy Abiho

    Mandà ny rafitra napetraky ny Tompo mba hanangonana hoenti-manana hanohanana ny asany ireo milaza azy ho Kristianina; dia inona no vahaolana raisin’izy ireo mba hamenoina ny tsy ampy? Hitan’Andriamanitra ny faharatsian’ny fomba raisin’izy ireo. Toeram-pivavahana maro no voaloton’izao karazana fandrobarobana feno fanompoan-tsampy rehetra izao, hany ka vola kely ihany no mba azo avy amin’ireo mpitia fahafinaretana feno fitiavan-tena mba handoavana ny trosan’ny fiangonana na hanohanana ny asany. Maro amin’ireo olona ireo no tsy mba hanolotra amin’ny nahim-pony na dia iray silina aza ho amin’ny antony ara-pivavahana. Aiza ao amin’ny toromarika nomen’Andriamanitra ho fanohanana ny asany no ahitantsika filazana momba ny tsenabe, fampisehoana, lanonana mirentirenty, ary ireo fialam-boly sahala amin’izany? Tsy maintsy hiankina amin’ireo zavatra izay norarany ao amin’ny Teniny mihitsy ve ny asan’ny Tompo — dia ireo zavatra izay mampivily ny saina hiala amin’Andriamanitra, amin’ny fahalalana onony, amin’ny toe-panahy araka an'Andriamanitra ary amin’ny fahamasinana? Ary inona no fiantraikan’izany eo amin’ny sain’ny tsy mpino? Aetry eny amin’ny vovoka ny faneva masin’ny Tenin’Andriamanitra. Hamavoina Andriamanitra sy ny anaran’ny Kristianina. Hamafisin’io fomba fanangonam-bola tsy mifanaraka amin’ny Soratra Masina io ireo foto-kevitra faran’izay feno kolikoly indrindra. Ary araka izay tadiavin’i Satana mihitsy izany. Mamerina ny fahotan’i Nadaba sy Abiho ny olona. Afo tsy izy no ampiasainy eo amin’ny asan’Andriamanitra fa tsy afo masina. Tsy manaiky ny fanatitra toy izany ny Tompo.TF 224.2

    Fahavetavetana Aminy ireo fomba fitondrana vola ho ao an-trano firaketany rehetra ireo. Fanoloran-tena sandoka no manetsika ny zava-poronina rehetra tahaka izany. Fahajambana manao ahoana re, hadalana manao ahoana re no eo amin’ireo izay milaza azy ho Kristianina! Tahaka ny nataon’ny mponina teto amin’izao tontolo izao tamin’ny andron’i Nôà, fony ratsy avokoa ny fisainana rehetra avy amin'ny fony mandritra ny andro, no ataon’ny mamban’ny fiangonana ankehitriny. Hankahala ny fanao tahaka izany ireo rehetra matahotra an’Andriamanitra satria fanovana ny endriky ny fivavahan’i Jesôsy Kristy izany. - RH 8 Des. 1896.TF 225.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents