Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Tsingerin-Taona sy Andro Tsy Fiasana

    Natao hanondrotra sy hanabe ary hanazatra ireo zanany amin’ny fahaiza-mifehy tena sy fananana fandava-tena ny ray aman-dreny. Tokony hohazonin’izy ireo mandrakariva eo anoloany ny andraikitra amin’ny fankatoavana ny Tenin’Andriamanitra sy ny hivelona amin’ny fiainam- panompoana an’i Jesôsy. Tsy maintsy manabe ireo zanany araka ny filàna hampifanaraka ny fomba fiainany amin’ny fahazarana tsotra izy ireo, ka hiala amin’ny fividianana akanjo, sy sakafo, sy trano, ary fanaka lafo vidy. Ny fepetra hahazoantsika ny fiainana mandrakizay dia miorina amin’ny hoe: “Tiava an’i Jehovah amin’ny fonao manontolo (...) ary tiava ny namanao tahaka ny tenanao.”TF 328.2

    Maro ny ray aman-dreny izay tsy miresaka ny fitsipiky ny lalàn’Andriamanitra amin’ireo zanany araka izay nandidian’i Jehôvah azy ireo. Nobeazin’izy ireo tamin’ny fahazarana feno fitiavan-tena ireo zanany. Nampianarin’ny ray aman- dreny azy ireo ny tokony hiheverany ny tsingerin-taona nahaterahany sy ny andro fety ho fotoana tsy maintsy handraisany fanomezana, sy hanarahana ny fomba amam- panaon’izao tontolo izao. Fotoana tokony mba hampiasaina hampitomboana ny fahalalana an’Andriamanitra sy hamelombelomana ny fankasitrahan’ny fo ny fahasoavany sy ny fitiavany, ka hahafahany miaro ny fahaveloman’izy ireo ho amin’ny taona manaraka indray, kanefa dia nanjary nolanina tamin’ny fampanaranam-po ny faniriana manokana, sy ny fanandratan-tena ary ny fitiavan-tenan’ny ankizy fotsiny. Voaaro manokana tamin’ny alalan’ny herin’Andriamanitra izy ireo nandritra ny androm-piainany, nefa dia tsy mba nampianarin’ireo ray aman-dreniny hieritreritra izany ka haneho toe-tsaina feno fankasitrahana noho ny fahasoavana noraisin’izy ireo akory ireo zanany.TF 328.3

    Fanomezam-boninahitra sy fiderana ary fankasitrahana manao ahoana re no hipololotra ho an’Andriamanitra avy eo imolotr’ireo tanora sy ankizy velona amin’izao vanim- potoana misy antsika izao raha mba tena nobeazina araka ny tokony ho izy marina tokoa izy ireo! Tombon-tsoa manao ahoana no ho voaray avy amin’ny tànan’ireo ankizy madinika haterina ao an-trano firaketan’Andriamanitra ho fanati- pisaorana! Dia hotsaroana mandrakariva Andriamanitra fa tsy hohadinoina velively.TF 329.1

    Tsy mandritra ny tsingerin-taona nahaterahana ihany no tokony hahatsiarovan’ny ray aman-dreny sy ny ankizy amin’ny fomba manokana ny fahasoavan’Andriamanitra, fa ny krismasy sy ny taom-baovao koa dia tokony ho vanim-potoana izay hahatsiarovan’ny tokantrano tsirairay avy ny Mpamorona sy ny Mpanavotra azy. Raha tokony hanokana vola hividianana fanomezana sy zavatra hatolotra hanomezana fahafaham-po ny maha-olombelona, dia fanajana sy fanomezam-boninahitra ary fankasitrahana no tokony hakarina ho an’Andriamanitra, ka ny fanomezana sy ny fanatitra rehetra dia hikoriana manaraka ny fantsona mankeo amin’ny trano firaketan’Andriamanitra. Moa ve tsy handray fankasitrahana manokana noho izany fahatsiarovana izany Andriamanitra? Indrisy manao ahoana loatra ny fanadinoantsika an’Andriamanitra mandritra ireo fotoana ireo!TF 329.2

    Rehefa mankalaza fety ianareo, dia ataovy izay hahatonga izany ho andro mahafinaritra sy mitondra fifaliana ho an’ny zanakareo ary ataovy koa ny hahatonga izany ho andro mahafinaritra ny mahantra sy ny mijaly. Aza avela handalo fotsiny izany andro izany raha tsy efa nanolotra fanomezana ho fankasitrahana sy fanati-pisaorana ho an’i Jesôsy. Aoka ny ray aman-dreny sy ny ankizy hanao ezaka am-pahamatorana fatratra mba hanenjehana ny fotoana very sy hanarenana ny tsirambina vita tamin’ny lasa. Aoka izy ireo hanaraka fomba fanao hafa izay tsy mitovy amin’ny fomba fanao arahin’izao tontolo izao.TF 330.1

    Betsaka ny zavatra izay azo amboarina hifanaraka amin’ny safidy nefa dia mora lavitra noho ny fanomezana tsy dia ilaina loatra natolotra ny zanatsika sy ireo namantsika, kanefa amin’izany dia azo atao tsara mihitsy ny maneho fahalalam- pomba sy fifaliana ao an-tokantrano. Azonareo atao ny mampianatra lesona ny zanakareo eo amin’ny fanazavana amin’izy ireo ny antony mahatonga anareo hanana fijery vaovao eo amin’ny lanjan’ny fanomezana atolotra azy ireo, amin’ny fanambarana aminy ny faharesen-dahatra anananareo fa nanome vahana loatra ny fahafinaretan’ireo zaza ireo mihoatra noho ny voninahitr’Andriamanitra loatra ianareo. Lazao azy ireo fa nihevitra misimisy kokoa ny fahafinaretan’ny tenanareo manokana sy ny zava- mahafinaritra azy ireo ianareo ary nampitovy ny fanaonareo tamin’ny fahazarana sy ny fomba fanaon’izao tontolo izao, tamin’ny fanolorana fanomezana ho an’ireo izay tsy mila izany akory, raha mitaha amin’ny fanohanana ny fampandrosoana ny asan’Andriamanitra.TF 330.2

    Toy ireo magy fahiny dia tokony hanolotra ny fanomezana tsara indrindra ho an’Andriamanitra, ary haneho amin’ny alalan’ny fanatitra atolotrareo ho Azy ianareo fa nankasitrahanareo manokana ny fanomezana natolony ho an’ity izao tontolo izao mpanota ity. Tariho ho amin’ny fiovana ny fisainan’ny zanakareo mba hahatratra ny tanjon’ny tsy fitiavan-tena amin’ny alalan’ny fitarihana azy ireo hanolotra fanomezana ho an’Andriamanitra noho ny amin’ny Zanany Lahitokana. - RH, 13 Nôv. 1894.TF 331.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents