Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fizarana 5 — Mpitantana Fananana

    Toko 28 - Talenta Nankinina Ny Harena

    Tsy tokony hanao tsinontsinona ny harena ireo mpanara- dia an’i Kristy; tokony horaisiny ho tahaka ny talenta nankinin’ny Tompo taminy ny harena. Afaka ny hahazo tombontsoa mandrakizay avy amin’ny fampiasana amim- pahendrena ny fanomezana natolotr’Andriamanitra izy ireo, saingy tokony hotsaroantsika mandrakariva fa tsy nomen’Andriamanitra harena hampiasaintsika fotsiny araka izay eritreretintsika isika, ka hanomezantsika fahafaham- po ny faniriantsika, sy hizarantsika na hihazonantsika izany araka izay sitraky ny fontsika. Tsy tokony hampiasaintsika amin’ny fomba feno fitiavan-tena ny fananana azontsika, ary tsy tokony hatokantsika ho amin’ny fahafinaretantsika manokana fotsiny. Ny fanaovana izany dia fanaovana ny tsy mety manoloana an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona amintsika, ary tsy hitondra afa-tsy fisavorovoroana sy olana amin’ny farany (...)TF 144.1

    Tia kokoa ny mpanankarena izao tontolo izao, ka mandray azy ireo ho manana tombambidy ambony kokoa noho ny olona mahantra nefa mahitsy; kanefa mikolokolo ny toetrany araka ny fomba ampiasainy ireo fanomezana nankinina taminy ny mpanankarena. Asehon’izy ireo miharihary raha toa ka ho azo atao na tsia ny manankina harena mandrakizay amin’izy ireo. Ny mahantra sy ny manankarena dia samy mametra ny hoaviny mandrakizay sy maneho raha toa ka mendrika ny hanana anjara amin’ny lovan'ny olona masina eo amin'ny mazava izy ireo. Ireo izay mametraka ny hareny ho amin’ny fampiasana izany amin’ny fomba feno fitiavan- tena eto amin’izao tontolo izao dia maneho lafin-toetra izay mampiharihary ny zavatra hataon’izy ireo raha toa ka nanana tombontsoa lehibe kokoa sy nanana ireo harena tsy mety lo ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra izy ireo. Tsy ireo foto-kevitra feno fitiavan-tena ampiharina eto an-tany no ho foto-kevitra izay hanjaka any an-danitra. Mitovy avokoa ny olona rehetra any an-danitra (...)TF 144.2

    Nahoana no antsoina hoe mamôna tsy marina ny harena? — Satria ampiasain’i Satana ireo haren’izao tontolo izao mba hamandrihana sy hamitahanany fanahy, ka mba handringanany ny tenany ihany. Nomen’ Andriamanitra toromarika izy ireo momba ny tokony hampiasany ny fananana avy Aminy, dia ny mba hanamaivanana ny fijalian’ ny taranak’ olombelona, hampandrosoana ny asany, hanorenana ny fanjakany eto amin’ izao tontolo izao, handefasana misiônera any amin’ny faritra lavitra rehetra any, hampielezana ny fahalalana an’i Kristy any amin’ny faritra rehetra eran’izao tontolo izao. Raha tsy ampiasaina araka izany fomba izany ireo hoenti- manana nankinin’ Andriamanitra, dia tsy hampamoaka noho ny amin’ ny fomba nampiasana ireo hoend-manana ireo tokoa ve Andriamanitra? Fanahy maro no avela ho potraka ao anatin’ny fahotany, kanefa ireo mambran’ny fiangonana izay milaza ny tenany ho Kristianina dia mampiasa ireo hoend-manana masina nankinin’Andriamanitra taminy mba hanomezana fahafaham-po ny hatendan-kaniny tsy masina sy mba hampanaram-po ny tenany.TF 145.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents