Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Mety Hamonjy Fanahy ny Dôlara

    Mikasa ny hanatrarana ny olona rehetra amin’ny alalan’ny hafatry ny fahamarinana ny Tompo; indrisy anefa fa nampiasaina tamin’ny fanaranam-po ny fitiavan-tenan’ireo mpitantana ny fananany ny harena napetraka teo am- pelatanan’izy ireo izay tokony hanohanana ny asany.TF 320.2

    Ohatrinona ny vola efa nolanilanin’ireo tanorantsika tsy tamim-piheverana tamin’ny fahafinaretan’ny tenany manokana sy ny rendrarendrany, ary tamin’ireo zavatra izay nahatsara kokoa azy ireo aza ny tsy nanana izany. Ny dôlara tsirairay eo am-pelatanantsika dia an’Andriamanitra. Ka mba tsy handaniantsika azy ireny amin’ny zavatra tsy dia ilaina akory, dia aleo ampiasaintsika amin’ny famaliana ireo antso ho amin’ny asa Misiônera izy ireny.TF 321.1

    Koa satria misy saha vaovao misokatra hatrany, dia mitombo tsy misy fitsarahana manaraka izany koa ny filàm- bola. Raha misy fotoana ilantsika hanaovana tahiry ara- bola dia izao ankehitriny izao. Ireo rehetra miantsoroka ny asan’Andriamanitra dia tokony hahatsapa ny maha-zava- dehibe ny fanarahana amin-kafanampo misimisy kokoa ny ohatra napetraky ny Mpamonjy teo amin’ny fandavan-tena sy fahaizana manao tahiry. Tokony ho hotsapan’izy ireo amin’ireny vola ireny fa mihazona eo am-pelatanany ny tahiry izay nankinin’Andriamanitra taminy izy ireo, ka tokony hahatsapa fa tsy maintsy manao zavatra amim-piheverana fatratra sy fahaiza-mitantana izy eo amin’ny fampiasany ny volan’Andriamanitra. Ny vola madinika tsirairay dia tsy maintsy tehirizina amim-piheverana fatratra. Toy ny zavatra tsy misy dikany indraindray ireny vola madinika ireny nefa rehefa mitambatambatra, dia ny vola madinika zato no manome iray dôlara, ary raha ampiasaina araka ny tokony ho izy dia ho lasa vola mamonjy fanahy ho afaka amin’ny fahafatesana. Raha ny vola rehetra nolanilanin’ireo vahoakantsika tamin’ny fampanaranam-po izay tian’ny tenany no natokana tamin’ny asan’Andriamanitra, dia tsy ho foana ny trano firaketan’Andriamanitra, ary hitatra manenika ny vohon’ny tany ny asa.TF 321.2

    Aoka ny mambran’ny fiangonana mba hametraka ny avonavony, hanaisotra ny fisehosehoany. Ny tsirairay dia tokony hanokana boatin-drakitra eo aminy avy ka hampirina ao anatin’izany ny vola hatramin’ny madinika indrindra izay mitady ho lanilany foana amin’ny fahafinaretan’ny tenany Misy zavatra manan-danja kokoa izay tokony handaniam- bola mihoatra noho ireo zavatra feno haitraitra fotsiny. Tsy maintsy mivelona tanteraka amin’ny fandavan-tena isika. Maro amin’ireo zavatra mampilamina sy manintona antsika no tsy maintsy afointsika. Tsy maintsy ataon’ny mpitoriteny izay hahatonga ny toritenin’izy ireo ho mazava tsara, tsy hanasohasoana ny resaka fandavan-tena, sy ny avonavona eo amin’ny resa-pitafiana fotsiny, fa ny haneho an’i Jesôsy Kristy mihitsy, dia ny fiainany sy ny fandavan-tena nananany. Aoka ny fitiavana, ny fanetren-tena sy ny finoana no hankamamian’ny fo, ka mba hiseho eo amin’ny fiainana ny vokatry ny fanahy.TF 322.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents