Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Tahaka ny tamin’ny Andron’i Nôà

    Raha jerentsika ny zava-niseho tamin’ny andro nialoha ny safodrano, ka mifantoka amin’ireo fahazarana sy ireo fanaon’ny fiarahamonina ankehitriny isika, dia ho hitantsika fa masaka vetivety ho amin’ny loza amin’ny andro farany ny tanintsika. Nanimba ny tany tamin’ny alalan’ny fanaony feno fahotana ny olona. Milalao ny lalaon’ny fiainana amin’ny fanahin’ny olombelona i Satana. Ireo mpanaraka ny tenin’i Kristy dia hahita fa tsy maintsy miambina sy mivavaka tsy mitsahatra izy ireo mba tsy hahavoatarika azy ireo ho amin’ny fakam-panahy.TF 147.2

    Maro no toa tsy mankasitraka ny zava-misy fa volan’ny Tompony, vola laninalin’izy ireo fotsiny amin’ny filalaovana, izay manimba ny fanahy sy mampiorina ny fanorenan’ny fitotonganan’ny fitondran-tenany fotsiny. Mampifalifaly sy manandratra ny fahavalon’ny fahamarinana rehetra ireo izay mampiasa ny vola ho amin’ny fanomezana fahafaham-po ny tenany. Raha nampitodika ny fony tamin’Andriamanitra izy ireo, dia ho nampiasa ny volany mba hitahiana sy hanandratana ny mpiara-belona aminy, sy hanamaivanana ny fahantrana sy ny fahoriana. Misy eto amin’ity tontolontsika ity ny mosary, ny fitanjahana, ny aretina, ary ny fahafatesana; kanefa dia vitsy manao ahoana re ny olona mampihena ny fandrobarobana feno fahotana ataony e! Mamorona ny zavatra azony vinavinaina rehetra i Satana mba hahaseriny fatratra ny olona, ka mba tsy hananan’izy ireo fotoana handinihana ny fanontaniana hoe: “Manao ahoana ny fanahiko?”TF 147.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents