Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Mahazo Valisoa ny Mpanome na dia Ahodina aza ny Fanatitra Atolony

    Fianakaviana mahantra izay nanandrana sy nanome tombambidy ny hery miasa mangina manasina avy amin’ny fahamarinana, ka feno fankasitrahana an’Andriamanitra noho izany, no nieritreritra fa afaka sy tokony handà ho an’ny tenany, eny, fa na dia ny zavatra ilaina eo amin’ny fiainana aza, mba hahafahany mitondra fanatitra ho ao amin’ny trano firaketan’i Jehôvah. Nisy aza ireo sasany izay tsy nividy ho an’ny tenany mihitsy ireo zavatra amin’ny fitafiana izay tena nilainy mba hahazoany aina. Ao koa ireo izay nivarotra ny omby tokana mba nananany, ka nanolotra ho an’Andriamanitra ny vola azony tamin’izany. Tamin’ny fahatsoran’ny fanahiny, niaraka tamin-dranomasom- pisaorana havozona satria tombontsoa ho azy ny manao izany ho an’ny asan’Andriamanitra, no niankohofan’izy ireo teo anatrehan’Andriamanitra niaraka tamin’ny fanatitra nentiny, sy nangatahany ny fitahiany ho amin’izany raha manolotra izany izy ireo, nivavaka mba hahatonga izany ho fitaovana hitondrana nv fahalalana ny fahamarinana ho amin’ireo fanahy ao anatin’ny haizina.TF 196.2

    Tsy nampiasaina mandrakariva araka izay nokendren’ireo mpanome feno fahafoizan-tena ny vola natokana tahaka izany. Tamin’ny tsy fahatokiana no nitantanan’ireo olona tia vola sy da tena ary tsy manana ny toe-tsain’ny fandavan- tena na ny fahafoizan-tena ny vola nentina tao amin’ny trano firaketan’Andriamanitra tahaka izany; ary nandroba ny harenan’Andriamanitra izy ireo tamin’ny nandraisany vola izay tsy nisasarany akory. Nandanilany foana sy nanaparitaka ny vola izay natolotra ho an’Andriamanitra tamim-bavaka sy tamin-dranomaso izany fitantanany tsy nohamasinina sy tsy ampy fiheverana izany (...)TF 197.1

    Na dia nahodinkodina aza ny vola natokana tahaka izany, ka tsy mahatanteraka ny tanjona noeritreretin’ny mpanome azy, - dia ny voninahitr’Andriamanitra sy ny famonjem- panahy izany -, dia tsy ho very ny valisoan’ireo izay nanao ilay fanatitra tamin’ny fahatsoram-panahy, sy nibanjina ny voninahitr’Andriamanitra irery ihany. - 2T, tt. 518,519.TF 197.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents