Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 68 - Mizara Ny Fifalian'ireo Voaavotra

    Misy valisoa ho an'ireo mpiasa feno fanoloran-tena sy niditra tamim-pitiavana tato amin'ity saha ity, ary ireo izay nanolo-tànana tamin-kitsim-po teo amin'ny fanohanana ny asa. Handray ny valisoan'ny mahatoky ireo izay nirotsaka tamim-pahavitrihana teo amin'ny asa fanompoana, sy ireo izay nanolotra ny fananany ho fanohanana ireo mpiasa ireo.TF 386.1

    Hiditra ao amin'ny fifalian'ny Tompony ireo izay nitantana tamim-pahendrena ireo fananana nankininy taminy. Inona moa izany fifaliana izany? — “Lazaiko aminareo fa misy fifaliana toy izany eo anatrehan'ny anjelin'Andriamanitra, ny amin'ny mpanota iray izay mibebaka. ” - Lio. 15:7. Ho heniky ny fiderana voatahy, sy ny fitahiana masina ireo mpamonjy fanahy mahatoky. Hikambana amin'ireo izay mifaly any an- danitra izy ireo, dia izay mihiaka noho ny fahatongavan’ny vokatra ao an-tsompitra.TF 386.2

    Ho lehibe manao ahoana re ny fifaliana amin'izay rehefa tafahaona avokoa ireo izay navotan’Andriamanitra, tafavory ao amin'ireo fitoerana namboarina ho azy ireo e! O, fifaliana manao ahoana no hiainan'ireo mpiara-miasa tsy lavon’ny kolikoly sy tsy tia tena niaraka tamin'Andriamanitra tamin'ny fampandrosoana ny asany tetỳ an-tany e! Fahafaham-po manao ahoana no hananan'ny mpijinja tsirairay avy rehefa ho re ilay feon'i Jesôsy mazava sy mirindra, hiteny hoe: “Avia hianareo izay notahin'ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao”— Mat. 25:34. “Midira amin'ny fifalian'ny Tomponao.” Mat. 25:23.TF 386.3

    Omem-boninahitra ny Mpanavotra satria tsy zava- poana ny nahafatesany. Amin'ny fifaliana sy fo ravoravo no hahitan'ireo mpiara-miasa tamin'ny Tompo ny asa nataon’ny fanahiny ho an’ny mpanota efa saika very sy efa teo an-dalam-pahafatesana, ary dia afa-po izy ireo. Hadinony avokoa ireo ora nampitebiteby nolalovany, sy ireo toe-javatra nahasanganehana tsy maintsy natrehiny, ary ny ratram-po vokatry ny fandavan'ny sasany tsy hijery sy tsy handray ny fanomezana natao hitondra fiadanana ho an'ny fanahiny very. Tsy tsaroana intsony ny fandavan-tena mafy nivelomany mba hanohanana ny asa. Rehefa mibanjina ireo fanahy nokatsahiny fatratra hobaboina ho an'i Jesôsy izy ireo, ka mahita fa voavonjy ireo, ary voavonjy mandrakizay - ho tsangambaton’ny fahasoavan'Andriamanitra sy ny fitiavan'ny Mpanavotra - dia hanakoako manerana ny lanitra manontolo ny hia-piderana sy fankasitrahana.TF 387.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents