Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fahazarana Mampitotongana ny Toe-Tsaina

    Ny fahazarana mindram-bola mba hanomezana fahafaham-po ny faneren’ny filàna, nefa tsy misy fiheverana ny fomba hamerenana azy na dia toa efa lasa fomba mahazatra aza dia mampitotongana ny toe-tsaina. Tian’Andriamanitra ny hahatonga ireo rehetra mino ny fahamarinana, hiala amin’izany fahazarana mamitaka izany. Tokony mifidy ny hiaina amin’ny fahoriana izy ireo toy izay hanao zavatra tsy mendrika. Tsy misy fanahy mirona amin’ny fitaka sy ny tsy fahatokiana eo am-pitantanana ny fananan’Andriamanitra, ka ho afaka hijoro tsy manan-tsiny eo alohan’ny Tompo. Izay rehetra manao izany dia mandà an’i Kristy amin’ny asa ataony, raha mbola milaza koa fa mitandrina sy mampianatra ny didin’Andriamanitra. Tsy hazonin’izy ireo ny fitsipiky ny lalàn’Andriamanitra. Raha tsy manova ny toetrany hifandrindra amin’ny hery miasa manginan’ny fahamarinana izay manamasina azy, ireo izay efa nahita ny fahamarinana, dia tonga ho hanitra avy amin’ny fahafatesana ho amin’ny fahafatesana izy ireo. Tsy maneho araka ny tokony ho izy ny fahamarinana izy ireo ary nampitondra latsa izany fahamarinana izany ka toa nanjary nanala baraka an’i Kristy Ilay Fahamarinana. -MS 168, 1898.TF 277.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents