Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ny Adintsika Lehibe Indrindra amin’ny Tena

    Voafetra ny fananantsika eto amin’ity fiainana ity, saingy tsy manam-petra ny harena lehibe izay omen’Andriamanitra ao anatin’ny fanomezany ho an’izao tontolo izao. Voafaoka ao anatin’izany ny fanirian’ny olombelona tsirairay, ary manoatra lavitra noho ny tombantomban’olombelona izany. Amin’ny andro lehiben’ny fanapahan-kevitra farany, rehefa hotsaraina araka ny asany ny olona rehetra, dia hangina avokoa ny feon’ny fanamarinan-tena rehetra; satria ho hita fa, tao anatin’ny fanomezana avy amin’ny Ray ho an’ny taranak’olombelona, dia nomeny avokoa izay rehetra azony nomeny, ary tsy manana fialan-tsiny ireo izay tsy nety nandray ny fanomezany feno fahasoavana.TF 20.1

    Tsy manam-pahavalo eny ivelany izay tokony hatahorantsika isika. Ny ady lehibe indrindra atrehintsika dia ny ady amin’ny tena tsy voatokana ho an’Andriamanitra. Manoatra noho ny mpandresy isika amin’ny alalan’ilay tia antsika rehefa resintsika ny izaho. Ranadahy malala, manana fiainana mandrakizay hotratrarina isika. Andao isika hiady ny ady tsaran’ny finoana. Izao ankehitriny izao, fa tsy amin’ny hoavy, no fotoam-pahasoavana omena antsika. Raha mitarazoka izany, dia “katsaho aloha try fanjakany sy ny fahamarinana, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany” — Mat. 6:33, dia ireo zavatra izay tena matetika tokoa ankehitriny no ampiasaina ho amin’ny tanjon’i Satana, ho fandrika mba hamitahana sy hamotehana. - RH, 5 Mar. 1908.TF 20.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents