Go to full page →

Tsy Tokony Hampirisihina ny Hakamoana TF 134

Mampianatra ny Tenin’Andriamanitra fa raha misy olona tsy mety miasa, dia aoka tsy hihinana ihany koa izy Tsy mitaky ny hanohanan’ny olona miasa mafy ireo izay tsy mazoto miasa Andriamanitra. Ny fandanilaniam-potoana sy ny tsy fanaovana ezaka no mitanka ho amin’ny fahantrana sy ny tsy fahampiana. Raha tsy jeren’ireo izay tafaroboka ao anatin’izany ka ahitsinyireo hadisoana ireo, dia tahaka ny fametrahana harena ao anatin’ny harona misy loaka ny zavatra rehetra mety atao ho azy ireo. Misy fahantrana tsy azo sorohina anefa, ka tokony haneho hamoram- panahy sy fangorahana amin’ireo izay malahelo isika. - RH, 3 Jan. 1899. TF 134.3