Go to full page →

Tsy Fanambarana fa Fanatanterahana TF 142

Rehefa hoentina hodinihina eo anatrehan’Andriamanitra ny fiainan’ny olona rehetra, dia tsy hapetraka mihitsy ny fanontaniana manao hoe: inona no nambaran’izy ireo, fa ny hoe: inona no nataon’izy ireo? Mpankatò ny teny ve izy ireo? Niaina ho an’ny tenany fotsiny ve izy ireo? Sa mba nanazatra ny tenany tamin’ny asa fanaovan-tsoa sy fahalemem-panahy ary fitiavana, ka nitia ny hafa mialoha ny tenany, sy nandà ny tenany mba hahafahany mitahy ny hafa? TF 142.2

Raha maneho ny firaketana, fa voamariky ny halemem- panahy sy ny fandavan-tena ary ny fahalalahan-tanana ny toetran’izy ireo sy ny fiainan’izy ireo, dia handray ny toky feno fitahiana avy amin’i Kristy izy ireo, izay manao hoe: “Tsara izany”, “Avia hianareo izay notahin'ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao”. - Mat. 25:34. TF 143.1

Nalahelo sy naratra i Kristy noho ny fitiavan-tenantsika hita miharihary sy ny tsy firaihantsika manoloana ny alahelo sy ny zavatra ilain’ny hafa. - RH, 13 Jol. 1886. TF 143.2