Go to full page →

Toko 30 - Ny Loza Ateraky Ny Fanambinana TF 161

Loza mananontanona ho an’ny fanetren-tena sy ny fiainana ara-panahy nandritra ny taonjato nifandimby mandrakariva ny fahazoana harena sy voninahitra. Amin’ny fotoana hahitan’ny olona fahombiazana mihitsy mantsy ka hanasoasoan’ny mpiara-belona azy no hitataovan- doza ny fiainany. Mitahiry mandrakariva ny natiora maha- olona azy ny olombelona. Tsy mety haharitra mihitsy ny fanambinana ara-panahy raha mbola tsy tsapan’ny olona ny filany fianteherana tanteraka amin’ Andriamanitra eo am-panovozana fahendrena sy fahatanterahan’ny toetra. Amin’ny ankapobeny dia ireo izay tsy mba manana harena na voninahitra iankinana no tena mametraka an’Andriamanitra ho andrin’ny fiainany. TF 161.1