Go to full page →

Toko 32 - Fampiasana Ny Harena Tsy Araka Ny Tokony Ho Izy TF 173

Sady tsy misy ilàna azy no lasa ozona ny harena rehefa miangona fotsiny. Fandrika ho an’ny fanahy, mampiala azy hifantoka amin’ny harenan’ny lanitra izany. Amin’ilay fotoana malaza dia handatsa izay tompony izy ireny satria ho lasa porofo haneho ireo talenta tsy nampiasaina sy ireo fotoana fanararaotra natao tsinontsinona. Maro no mitsara an’Andriamanitra ao am-pony milaza fa Tompo hentitra Izy satria mitaky fananana sy fanompoana. Kanefa tsy misy na inona na inona azontsika atolotra ho an’Andriamanitra afa-tsy ny Azy ihany. Hoy ny mpanjaka Davida ao amin’ny 1 Tantara 29:14: «fa zinona moa aho ary zinona moa ny oloko, no ahazoanay hery hanatitra toy izao?” An’Andriamanitra ny zavatra rehetra, tsy tamin’ny maha-mpahary Azy fotsiny fa amin’ny maha-mpamonjy Azy koa. Voamarika eo amin’ny hazo fijalian’i Kalvary avokoa ny fitahiana izay omena antsika ankehitriny sy izay mbola hatolony antsika amin’ny fiainana hoavy. - RH, 23 Des. 1902. TF 173.1