Go to full page →

Fanandramana ara-Panahy Mihena TF 172

Voasarika hampiasa ny volany ho amin’ny tombontsoan’ny tenany manokana, ho amin’ny fanomezana fahafam-po ny fitiavan-komana na ho fanatsarana ny tranony ireo mpanankarena. Tsy misalasala mandanilany foana na dia amin’ny fomba mihoapapana aza ireo Kristianina anarany fotsiny mba ahazoana izay iriny. Kanefa rehefa entanina hanome an’Andriamanitra sy hanohana ireo ezaka tiana tratrarina eo amin’ny asany izy ireo ary angatahana fiaraha-miasa hanantanterahana izany dia mahita sakana mandrakariva. Mavitribitrika ery izy ireo hanatanteraka tetikasa feno fitiavan-tena kanefa tsy mampiseho zotom-po na fifaliana manoloana ny antso ho amin’ny fahalalahan- tanana ataon’Andriamanitra ho an’ny asany; rehefa tsy afa-manoatra izy ireo dia mety mba hanome vola kely, izay bitika indrindra mitaha amin’ny fandaniana tsy misy antony ataony. Tsy manana fitiavana marina an’i Kristy izy ireo ary tsy manisy lanja ny famonjem-panahy. Sarintsariny sy marary ny fiainana Kristianina toy izany. Raha tsy miova toetra ireny olona ireny dia ho lasa haizina ny fahazavany. — RH, 16 May 1882. TF 172.2