Go to full page →

Toko 101 — Manomeza Voninahitra an’i Jehôvah amin’ny Fanananao HAT 266

«Ohatrinona no anananao amin’i Jehôvah?» Moa ve sahy mandray ireo fitahiana maro avy amin’ny tanan’i Jehôvah ianao ka tsy hamerina ny anjarany, tsy manome ny ampahafolony izay Azy, anjara izay efa atokany ho Azy? Toa efa lasa fahazarana ny misehoseho manao fanati-pisaorana mba hampifaliany ny tenany. Moa ve ho sahintsika ny handray ireo fitahiana maro sesehena kanefa tsy hahay hankasitraka Ilay Mpanome ary tsy hamaly ny fitiavana nasehony antsika? HAT 266.3

Tsy tianao ve, ry tanora malala, ny ho tonga irak’Andriamanitra? Tianao ve, raha toa fanandramana tsy mbola nataonao velively, ny hianatra ny leson’ny fanomezam-pahasoavana mihary ny haren'Andriamanitra izay omeny amin-kalalahana mba hifalianao? Na inona na inona no efa raisinao, aoka hanokana ampahany ho an’Ilay Mpanome fanati-pankasitrahana ianao. Ampahany manokana no atokany ho an’ny asa fitoriana na eo an-toerana izany na any ivelany. HAT 267.1