Go to full page →

Nokendrena ho Fitahiana Lehibe TF 70

Ny rafitra manokana famerenana ny ampahafolony dia niorina tamin’ny foto-kevitra izay maharitra tahaka ny lalàn’Andriamanitra. Fitahiana ho an’ny Jiosy io rafitra famerenana ny ampahafolony io, raha tsy izany dia tsy nomen’Andriamanitra azy ireo izany. Koa ho fitahiana ho an’ireo izay hanatanteraka izany hatramin’ny andro farany izany. Tsy namorona ny drafi-pahalalahan-tanana mitohy mba hampanan-karena Azy Andriamanitra, fa nataony ho fitahiana lehibe ho an’ny olona izany. Hitany fa io rafi- panolorana io mihitsy no nilain’ny olona. - 3T, tt. 404, 405. TF 70.1