Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    TOKO V—Fanoloran-tena

    Hoy ny teny fikasan’ Andriamanitra hoe: “Ary hitady Ahy hianareo, dia ho hitanareo Aho, raha katsahinareo amin’ ny fonareo rehetra. 11Jer.29:13NK 41.1

    Tsy maintsy atolotra an’ Andriamanitra ny fo rehetra, fa raha tsy izany dia tsy hahay hiova hitovy endrika aminy isika. Olon-ko azy amin’ Andriamanitra isika, raha araka ny toetra maha-olombelona antsika. Izao no teny ilazan’ ny Fanahy Masina ny toetsika : “Matin’ ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo 2Efes.2:1” — “Henika aretina avokoa ny loha rehetra, Ary marary ny fo rehetra Hatramin’ ny faladia, ka hatramin’ ny loha dia tsy misy izay tsy marary. 3Isa.1:5,6 ” Voatana mafy ao amin’ ny fandrik’ i Satana isika, ka nataony “sambo-belona hanao ny sitrapony 42Tim.2:26”. Maniry hanasitrana sy hanafaka antsika Andriamanitra. Kanefa satria ilàna fiovàna tanteraka izany, dia fanavaozana ny toetra rehetra ara-tsaina amampanahy, koa dia tsy maintsy atolotsika Azy ny tenantsika manontolo.NK 41.2

    Amin’ ny ady rehetra efa nataon’ olombelona, dia ny ady amin’ ny tena no ady leliibe indrindra. Ny fanolorana ny tena, izany hoe : fanolorana izay rehetra ananana ho tapahin’ ny sitrapon’ Andriamanitra, dia mila fitolomana fatratra nefa tsy maintsy manaiky an’ Andriamanitra aloha ny fanahy, vao azo havaozina amin’ ny hamasinana.NK 41.3

    Ny fanjakan’ Andriamanitra dia tsy miorina amin’ ny fanoavana jamba, na fanapahana tsy amim-piheverana, toy izay tian’ i Satana hampisehoana azy. Zavatra mihatra amin ny saina sy ny eritreritra izany. “Avia àry hifandahatra isika 5Isa.1:18 ”, hoy ny fiantson’ Andriamanitra ny olona izay noforonony. Tsy manery ny sitrapon’ ny zava-boahariny Andriamanitra. Tsy azony atao ny handray fanajana izay atolotra Azy tsy an-tsitra-po sy tsy amim-piheverana. Misakana ny tena fandrosoana rehetra, na ny momba ny saina, na ny toe-panahy, ny fanaovana an-tery fotsiny. Mahatonga ny olona ho toy ny rnilina fotsiny izany. Tsy toy izany anefa ny fikasan Ilay Mpamorona. Ny olombelona izay tampon-dohany amin’ ny asan’ ny tanany, dia iriny mba hahatratra izay fandrosoana farany ambony indrindra azo tratrarina. Asehony eo anoloantsika ny hahavon’ ny fitahiana izay iriny hitondrana antsika amin’ ny fahasoavany Angatahiny hanome, Azy ny tenantsika isika, mba hahaizany mampiasa ny sitrapony ao amintsika. Anjarantsika ny mifidy, raha tiantsika ny ho esorina amin’ ny fanandevozan’ ny ota, ka hiara-manana ny fahafahana be voninahitra amin’ ny zanak’ Andriamanitra.NK 41.4

    Raha manome ny tenantsika ho an’ Andriamanitra isika, dia tsy maintsy mamoy izay rehetra mampisaraka antsika aminy. Izany no nanaovan’ ny Mpamonjy hoe : “Hianareo rehetra izay tsy mahafoy izay rehetra anananareo, dia tsy azo ekena ho mpianatro. 1 Lio.14:23” Na inona na inona mampiala ny fo amin’ Andriamanitra dia tsy maintsv afoy. Mamóna no sampin’ ny maro. Ny fitiavam-bola sy ny fitadiavan-karena no gadra volamena mama* totra azy amin’ i Satana. Laza sy voninahitra araka ny nofo no ivavahan’ ny sasany. Ny fampiadanan-tena sy fahafahana amin’ ny adidy no sampin’ ny sasany. Tsy maintsy tapahina avokoa anefa ireny fatorana manandevo ireny. Tsy azontsika atao ny hizara roa, ka ny an-tsasany ho an’ Andriamanitra, ary ny an-tsasany ho an’ izao tontolo izao. Tsy zanak’ Andriamanitra isika, raha tsy zanany manontolo.NK 42.1

    Misy olona izay milaza ho manompo an’Andriamanitra, neha ny herin’ ny tenany ihany no ianteherany ho enti-mankatò ny lalana sy hananana toe-panahy tsara ary hahazoana famonjena. Tsy mba voahetsiky ny fieritreretana lalina ny amin’ ny fitiavan’ i Kristy ny fony, nefa izy mitady hanatanteraka ny adidy amin’ ny toe-piainana kristiana izay ilain’ A ndriamanitra aminy, mba hahazoany ny lanitra. Tsinontsinona ny fivavahana toy izany. Raha mitoetra ao am-po Kristy dia ho feno ny fitiavana Azy sy ho diboky ny fifaliana noho ny firaisana aminy ny fanahy, ka hifikitra aminy ary ho hadino aza ny tena noho ny fieritreretana azy. Ny fitiavan’ i Kristy no vy miaina manetsika amin’ ny atao rehetra. Izay mahatsiaro ny fitiavan’ Andriamanitra azy, dia tsy hanao toy ny olona sasany tamin’ ny tany gasy fahiny : Mitady telo-polo hamidy andevolahy, nefa mifidy variroaventy hatao rakitra. Tsy ny fetra ambany indrindra no kendreny, fa ny hifanaraka tanteraka amin’ ny sitrapon’ Ilay Mpanavotra azy. Mahafoy ny zavatra rehetra izy, noho ny faniriana fatratra, ka mampiseho fitiavana sy hafanam po arakaraka ilay zavatra tadiaviny. Raha fanekena an’ i Kristy, nefa tsy misy izany fitiavana lalina izany, dia tsy inona fa bedibedy foana, fomba fotsiny mahakamo ary raharaha mandreraka tsy misy vokatra.NK 42.2

    Moa alaonao va fandavan-tena be loatra ny mahafoy ny zavatra rehetra ho an i Kristy ? Anontanio ny tenanao, ka ataovy hoe : “Inona no efa nomen’ i Kristy ahy ?” Efa nanome izay azy rehetra ny Zanak’ Andriamanitra— dia aina, fitiavana, ary fijaliana hanavotana antsika. Ka mety va raha isika izay tsy mendrika izany fitiavana lehibe izany no tsy hanolotra ny fontsika ho Azy ? Isaky ny indray mipy maso amin’ ny andro iainantsika dia mandray ny fitahiam-pahasoavany isika, ka izany indrindra aza mantsy no tsy ahatakarantsika mazava tsara ny halalinan’ ny tsy fahalalana sy ny fahoriana izay namonjena antsika. Azontsika atao ve ny hijery Ilay nolefonina noho ny fahotantsika, nefa mbola hamotsifotsy ny fitiavany sy ny fahafoizan-tenany ihany ? Koa raha ny fanetren-tenan’ ny Tompon’ ny voninahitra no heverina, moa himonomonona va isika, raha fahoriana sy fanambanian-tena koa no ahazoantsika miditra amin’ ny fiainana ?NK 42.3

    Izao no fanontaniana ataon’ ny fo be avona : “Nahoana aho no tsy maintsy mibebaka sy manetry tena, vao mahazo matoky fa mandray ahy Andriamanitra ?” Indro Kristy asehoko anao : Tsy nanana ota Izy. Ary mihoatra noho izany aza : Mpanjakan’ ny lanitra Izy, nefa natao ho ota hisolo ny olombelona. “Ary natao ho isan’ ny mpanota Izy Eny, Izy no nitondra ny fahotan’ ny maro, Sady manao fifonana ho an’ ny mpanota 1 Isa.53:12”.NK 43.1

    Inona anefa no atolotsika, raha mahafoy ny zavatra rehetra isika, ? — Fo voaloton’ ny ota hodiovin’ i Jesosy, hosasan’ ny rany ary hovonjen’ ny fitiavany tapitra ohatra. Nefa na izany aza, dia mbola heverin’ ny olona ho mafy ny mamoy ny zavatra rehetra ! Menatra aho mandre olona milaza izany ary mangasihasy eto am-panoratana azy.NK 43.2

    Tsy izay zavatra mahasoa antsika raha tanana no ilain’ Andriamanitra homena Azy. Izay hahasoa antsika zanany no kendreny amin’ izay rehetra ataony. Tiako raha izay rehetra tsy mbola nifidy an’ i Kristy no mba mahalala fa manan-javatra hatolotra azy Izy, dia izay tsara lavitra noho izay tadiaviny ho an’ ny tenany aza. Manao izay tsy rariny leliibe indrindra amin’ ny fanahiny ny olona, raha mihevitra na manao zavatra mifanohitra amin’ ny sitrapon’ Andriamanitra. Tsy misy tena fifaliana mety ho hita ao amin izay làlana raràn’ Ilay mahalala sady mandahatra izay tsara indrindra ho an’ ny asan’ ny tanany. Làlan’ ny fahoriana sy fahafatesana ny làlan-pahotana.NK 43.3

    Diso ny mihevitra fa Andriamanitra dia faly mahita ny zanany mitondra fahoriana. Maniry ny hahasambatra ny olornbelona ny nyponina rehetra ao an-danitra. Tsy misakana ny ny làlam-pifaliana ho any amin’ ny asan-tànany, na iza, na iza, ny Raintsika any an-danitra. Ny ilain’ Andriamanitra amintsika dia ny hialantsika amin* ireny fanaranam-po ireny izay miteraka fahoriana sy fahadisoam-panantenana ary mandrindrina ny varavaran’ ny fahasambarana sy ny lanitra tsy hidirantsika. Ny Mpanavotra izao tontolo izao dia mandray ny olombelona amin’ izao toetrany izao, dia amin’ ny filàny sy ny tsininy ary ny fahalemeny rehetra tsy ny hanadio amin ny fahotana sy hanome fanavolana amin’ ny rany ihany no ataony, fa ny hampionona ny fanirian’ ny fon’ izay rehetra manaiky hitondra ny ziogany sy hivesatra ny entany. Kasainy homena fìadanana sy fialantsasatra izay rehetra manatona Ázy hila ny mofon’ aina. Ny hany ilainy amintsika dia ny hanao ireo adidy izay mitarika ny diantsika ho any an-tampon’ ny fahasambarana izay tsy ho tratry ny mpandà, na oviana na oviana. Ny tena aim-panahy marina sady be fifaliana dia ny manana an’ i Kristy, Ilay fanantenan’ ny voninahitra ao am-po.NK 43.4

    Maro no manontany hoe : “Ataoko ahoana no fanolotra ny tenako ho an’ Andriamanitra? Ta-hanolo-tena ho Azy hianno, nefa tsy ampy herin-tsaina, andevozin ny fisalasalana sady gadran’ ny fahazaran-dratsy. Tahaka ny mànda fasika ny fanaikenao sy ny fikasanao. Samy tsy liainao fehezina, na ny sainao, na ny zava mitaona anao, na ny fitiavanao. Ny fahalalanao fa tsy tanteraka ny fikasanaoary tsy lavorary ny fanekenao, dia manalemy ny fahatokiana amin’ ny fahamarinan’ ny tenanao, ka mahatonga anao hihevitra fa tsy mahay mandray anao Andriamanitra, nefa tsy tokony hamoy fo hianao. Izay tokony ho fantatrao dia ny tena herin’ ny sitra-po.NK 44.1

    Izany no mahafehy, na ny herin’ ny toetr’ olombelona, na ny herin’ ny fanapahan-kevitra, na ny herin’ ny safidy.NK 44.2

    Miankina amin’ ny herin’ ny sitra-po ny zavatra rehetra. Efa nomen’ Andriamanitra ny olombelona ny herin ny safidy, ka anjarany ny mampiasa izany. Tsy liainao ny manova ny fonao tsy hain’ ny tenanao ny hanome ny fitiavanao ho an’ Andriamanitra, nefa azonao atao ny mifidy hanompo Azy. Azonao omena Azy ny sitraponao ary amin’ izay dia hiasa ao anatinao Izy amin ny fikasana sy ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony. Koa dia ho tonga ao ambany fanapahan’ ny Fanahin’ i Kristy ny tena amam-panahinao rehetra ary dia hiompana aminy ny fitiavanao ary hifanaraka amin’ ny Azy ny hevitrao.NK 44.3

    Mety ny faniriana ho tsara sy masina, nefa raha mijanona amin izany fotsiny hianao, dia tsy hisy asany na inona na inona izany. Maro amin izay manantena sy maniry fotsiny ny ho kristiana no ho very. Tsy mbola tapa-kevitra hanolotra ny sitrapony hoan’ Andriamanitra izy.Tsy mbola nifidy ny ho tonga kristiana izyNK 44.4

    Ny fampiasana’ ny sitra-po araka ny rariny, dia mety hampisy fiovana tanteraka ao amin’ ny toe-piainanao. Raha manolotra ny sitraponao ho an’ i Kristy hianao, dia manolotra ny tenanao hiandany amin’ ilay herv izay ambony noho ny hery sy ny fanapahana rehetra amin’ izao tontolo izao. Hahazo hery avy any ambony hanohana anao hiorina mafy hianao ary noho ny fanoloranao ny tenanao ho an’ Andriamanitra lalandava dia ho hainao ny mivelona amin’ ny fiainana vaovao, dia fiainana miantehitra amin’ ny finoana. NK 45.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents