TOKO IX—Ny asa sy ny toe piainana
- Teny mialoha
- TOKO I—Ny fìtiavan’ Andriamanitra ny olona
- TOKO II—Ny ilàn’ ny mpanota an’ i Kristy
- TOKO III—Fibebahana
- TOKO IV—Fiaiken-keloka
- TOKO V—Fanoloran-tena
- TOKO VI—Finoana sy fandraisana
- TOKO VII—Porofon’ ny maha-Kristiana
- TOKO VIII—Fitomboana ao amin’ i Kristy
- TOKO IX—Ny asa sy ny toe piainana
- TOKO X—Fahalalana an’ Andriamanitra
- TOKO XI—Ny tombon-tsoa azo avy amin’ ny fivavahana
- TOKO XII—Inona no hatao amin’ ny fisalasalana?
- TOKO XIII—Fifaliana ao amin’ ny Tompo
Search Results
- Results
- Related
- Featured
- Weighted Relevancy
- Content Sequence
- Relevancy
- Earliest First
- Latest First
- Exact Match First, Root Words Second
- Exact word match
- Root word match
- EGW Collections
- All collections
- Lifetime Works (1845-1917)
- Compilations (1918-present)
- Adventist Pioneer Library
- My Bible
- Dictionary
- Reference
- Short
- Long
- Paragraph
No results.
EGW Extras
Directory
TOKO IX—Ny asa sy ny toe piainana
Andriamanitra no loharanon’ ny fiainana sy ny fahazavana ary ny fifaliana ho an’ izao tontolo izao. Mivoaka avy ao aminy ny fitahiany, ka mankany amin’ ny asan-tanany rehetra, tahaka ny fahazavana avy amin’ ny masoandro sy toy ny rano miboiboika avy amin’ ny loharano velona. Ary na aiza na aiza no misy fo itoeran’ ny ain’ Andriamanitra, ny olona izay manana izany tsy maintsy manana fitiavana sy fitahiana hitobaka amin’ ny hafa.NK 69.1
Ny hafalian’ ny Mpamonjintsika dia ny manondrotra sy ny manavotra ny olombelona efa very. Izany no tsy nandalàny ny ainy, fa niaretany ny hazo fijaliana, ka tsy nitandroany henatra. Toy izany koa no ilofosan’ ny anjely, ka anaovany izay hahasambatra ny hafa. Izany no fifaliany. Izay heverin’ ny fo feno fitiavan-tena ho raharaha mahafa-baraka, dia ny fanompoana an’ izay fadiranovana sy ambany, na amin’ ny toetra na amin’ ny voninahitra, no ataon’ ny anjely tsy misy kilema ho tena raharaha. Ny toetry ny fitiavana feno fandavan-tena nananan’ i Kristy no toetra manenika ny lanitra sady tena votoatin’ ny hasambarany. Izany no toetra tokony hananan’ ny mpanaraka Azy sady asa tokony hataony.NK 69.2
Raha voarakitra ao am-po ny fitiavan’i Kristy dia ho tahaka ny fofo-manitra tsy azo afenina izany. Ho tsaroan’ izay rehetra mifanerasera amintsika ny heriny masina. Ny fanahin’ i Kristy ao am-po dia tahaka ny loharano any an-efitra miboika hamelombelona ny manana aina rehetra ary hahatonga izay efa vononko faty mba hanandrana hisotro ny ranon’ aina.NK 69.3
Ny fitiavana an’ i Jesosy dia hiseho amin’ ny faniriana hiasa tahaka ny nataony amin’ ny hanandratana ny olombelona sy hanampiana azy amin’ ny fahoriany. Izany dia hitarika antsika ho tia sy hangoraka ary hiara-miory amin’ ny zava-boahary rehetra izay iadidian’ ny Raintsika Izay any an-danitra.NK 69.4
Tsy dia fiainana niadana, na voatokana ho an’ ny tenany samy irery ny fiainan’ ny Mpamonjy tety ambonin’ ny tany, fa nitozo niasa tamin-kafanampo sy tamim-pilozohana fatratra hamonjy ny olombelona. Hatreo amin’ ny fihinanam-bilona, ka hatrany Kalvary dia nandeha tamin’ ny làlan’ ny fandavan-tena Izy, ka tsy nitady izay hialana amin’ ny raharaha sarotra sy ny dia mahasasatra ary ny ahiahy sy ny asa mahareraka. Hoy Izy : “Ny Zanak’ olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro 1Mat. 20:38..” Izany no zavadray loha voalohany indrindra nokendreny tamin’ ny fiainany. Ny zavatra sisa rehetra dia faharoa avokoa. Ny manao ny sitrapon’ Andriamanitra sy ny mahavita ny asany no hanin-kaniny sy rano solroiny. Tsy mba nisy tao amin’ny raharahany ny ho an-tena sy ny fitiavan-tena.NK 69.5
Koa amin’ izany izay isan’ ny mandray ny fahasoavan’ i Kristy dia tsy maintsy vonon-kiasa sy handàtena mba hahnzoajn’ ireo navotany anjara amin’ ny fanomezan’Andriamanitra. Hanao izay rehetra azony atao izy mba hahatonga izao tontolo izao ho tsaratsara kokoa, noho izy rniloetra eto aminy. Izany toe-panahy izany no tena vokatry ny fiovam-po marina. Raha vantany vao tonga ao amin’ i Kristy ny olona dia mitranga ao am-pony ny faniriana hampahafantatra ny hafa, fa efa nahita sakaiza malala izy, dia Jesosy tsy azony hidiana ao am-po ny fahamarinana mahatonga famonjena sy fahamasinana. Tsy ho azontsika atao ny hangina, raha voatafy ny fahamarinan’ ny Kristy isika ary feno fifaliana noho ny lanahiny ao am-potsika. Tsy amintsy hanan-javatra holazaina isika, rehefa nanandrana, ka nahita fa tsara Jehovah. Tahaka ny nataon’ i Filipo, Tony izy nahita ny Mpamonjy, no tsy maintsy hataontsika koa amin’ ny olon-kafa hanatonany an’ i Kristy, lrintsika haseho aminy ny hatsaran’ i Kristy sy ny hamarinan’ny fiainana ho avy. Hlisy faniriana fatratra mba hizotra amin ’ny làlana nodiavin’ i Jesosy. Ilisy faniriana fatratra mba hahitan’ ireo manodidina antsika an’ Ilay “Zanak’ Ondrin’ Andriamanitra Izay manaisotra ny faholan’ izao tontolo izao.”NK 70.1
Hahatonga soa ho an’ ny tenantsika ny fikelezana aina hanasoa ny hafa. Izany no fikasan’ Andriamanitra tamin’ ny nanomezany antsika anjara mba hiasa amin’ ny raharaham-panavotana. Efa nanome tombon-tsoa ny olombelona Izy mba ho tonga mpiombon-toetra aminy, ary rehefa izany dia hampiely ny fitahiana azo ho an’ ny namana. Izany no voninahitra ambony indrindra sy fifaliana lehibe indrindra azon’ Andriamanitra omena ny olombelona. Izay tonga mpanao asam-pitiavana toy izany dia akaikin’ ny Mpanao azy indrindra.NK 70.2
Azon’Andriamanitra natao ho adidin’ ny anjely masina amin’ ny fanompoam-pitiavana ny íitoriana ny Filazantsara mbamin’ ny asa rehetra. Azony natao ny nampiasa zavatra hafa hanatanteraka ny fikasany. Nefa noho ny fitiavany tsy voafetra, dia naleony nifidy antsika ho mpiara-miasa aminy sy Kristy ary ny anjely, mba hananantsika ny fitahiana sy ny fifaliana ary ny fisondrotana ara-panahy amin’ izany fanompoana tsy mandala tena izany.NK 70.3
Ho tonga iray hevitra amin’i Kristy isika amin’ ny fiarahantsika miory aminy.Ny asam-pandavan-tena rehetra amin’ny anasoavany ny hafa, dia manatanjaka ny fanahy miantra ao am-pon’ ny mpanome, ka mampikambana azy mafimafy kokoa amin Ilay Mpanavotra izao tontolo izao, Izay “nanan-karena, nefa tonga nalahelo noho hianareo, mba hampanan-karena anareo ny alahelony”. Ary ny anatanterahantsika toy izany ny fikasan’ Andriamanitra tamin’ ny namoronany antsika no mampahatonga fiainana ho fitahiana ho antsika.NK 71.1
Raha mikasa hiasa toy izay heverin’ i Kristy hataon’ ny mpianany hianao ary hahazo fanahin’ olona ho Azy, dia ho tsaroanao fa mila fahazarana lalindalina kokoa sy fahalalana bebe kokoa ny amin’ ny zava-masina hianao ary ho noana sy mangetaheta fahamarinana. Hitaraina amin’ Andriamanitra hianao, dia hohatanjahina ny finoanao, ary higoka bebe kokoa amin’ ny loharanom-pamonjena ny fanahinao. Ny zava-manjo sy ny fizahan-toetra dia hanesika anao hamaky ny Raiboly sy hivavaka. Dia hitombo amin’ ny fahasoavana sy ny fahalalana an’ i Kristy hianao ary hampiseho fandrosoana tsara.NK 71.2
Ny fanaovana raharaha amim-pandavan-tena ho an’ ny hafa, dia mahatonga ny toe-panahy ho lalina sy matotra ary mitarika ny fitiavan’ i Kristy hanasoa ny toetra, ka dia miteraka fiadanana sy fahafinaretana ho an’ ny olona izay manao izany. Ho tonga ambony ny faniriana, ka tsy hisy azon’ ny fahalainana sy ny fitiavan-tena hidirana. Izay mampiasa ny fiainana Kristiana toy izany dia hitombo ary hihamatanjaka amin’ ny asan’ Andriamanitra. Hanana fahazavan-tsaina sy finoana mafy orina ary hery mitombo amin’ ny fivavahana. Hetsehin’ ny fanahin’ Andriamanitra izy, ka tonga manana firaisana masina amin’ ny fanahiny noho ny fitaomany azy. Izay manolo-tena hikely aina toy izany hanasoa ny hafa no tena miasa marina tokoa hahatanteraka ny famonjena ny tenanyNK 71.3
Ny làlan-tokana itomboana amin’ ny fahasoavana dia ny hanao amim-pandavan-tena ny asa napetrak’ i Kristy amintsika — hiezaka araka izay azontsika atao hanampy sy hanasoa an’ izay mila fanampiana amintsika. Avy amin’ ny fampiasan-tena no mahatonga ny hery ary ny fihetsiketsehana no votoatin’ ny aina. Izay olona miezaka hahazo fiainana kristiana, satria man-” dray fitahiana noho ny fahasoavana, nefa tsy mety manao na inona na inona ho an’i Kristy,dia olona velon-kihinana,fa tsy velonkiasa. Mahatonga faharatsiana sy fahasimbana mandrakariva izany, na ara-panahy. na ara-nofo. Ny olona tsy mety mampiasa ny tongotra aman-tanany, dia tsy hanan-kery ho enti-mampiasa azy intsony rehefa afaka vetivety foana. Toy izany koa ny Kristiana izay Isy mety mampiasa ny hery nomen Andriamanitra azy, dia sady tsy hitombo ao amin i Kristy izy, no ho very koa ny hery efa nananany.NK 71.4
Fiasan’ Andriamanitra voatendry ho famonjena ny olombelona nv Fimgonan’ i Kristy. Ary ny raharahany dia ny hitondra ny Filazantsara ho an’ izao tontolo izao. Ary ny Kristiana rehetra no iankinan’ ny adidy amin’ izany. Isam-batan’ olona tsy maintsy manatanteraka ny hafatr’ i Kristy araka ny talentany avy. Mahatonga antsika ho mpitrosa amin’ izav rehetra tsy mbola mahalala an’ i Kristy ny fitiavany efa nampahafantariny antsika. Andriamanitra efa nanome antsika fahazavana, tsy ho an’ ny tenantsika ihany, fa mba hanitaratsika amin’ ny hafa koa.NK 72.1
Raha mba mahefa tsara ny adidiny ny mpanaraka an’ i Kristy dia hisy arivoarivo, any amin’ izay tsy misy afa-tsy iray ankehitriny, no hitory ny Filazantsara amin’ ny mpanompo sampy. Ary izay rehetra tsy afaka hiasa amin’ izany kosa ny tenany dia hanohana amin’ ny ananany sy ny heviny ary ny fivavahany. Ary dia hisy asa be atao amin-kafanam-po ho famonjena fanahin’.olona ao amin’ ny tany Kristiana.NK 72.2
Tsy ilaina ny hankanesantsika any amin’ ny tany maizina, na ny handao ny fonenantsika hiasa ho an’ i Kristy, raha tahiny ao amin’ izay itoerantsika ihany no misy ny adidintsika. Azontsika atao izany ao amin’ ny ankohonantsika, ao amin’ ny fiangoantsikaary amin’ izay milanerasera sy miara-miasa amintsika.NK 72.3
Ny ankabeazan’ ny andron’ ny Mpamonjy antsika dia nolaniny tamin’ ny asa amim-paharetana tao an-trano landrafetana tany Nazareta. Nanjohy ny Tompon’ ny aina ny anjely mpanompo, I’ony Izy niara-nandeha tamin’ ireo tambanivohitra sy mpiasa tsy nisv mpahalala sady tsy enin-kaja. Tahaka ny nanatanterahany ny asany dia ny nanaovany ny raharahany ambany, tamin ny toetra mahatokv. no nataony tamin’ ny nanasitranany ny marary, na nitsangatsanganany teny ambonin’ ny alon-drano misamboaravoara amin ny Ranomasin’ i Galilia. Koa dia toy izany koa, mahazo miara mandeha sy miara-miasa amin’ i Jesosy isika, na dia amin’ izay raharaha sy toerana ambany indrindra aza.NK 72.4
Hoy ny Apostoly hoe : “Aoka ny olona rehetra samy hi toetra amin’Andriamanitra ao amin izay niantsoana azy avy 11 Kor. 7:24..” Ny olona mpiasa dia mahazo mampandroso ny raharahany aminr izay hahabe voninahitra ny Tompony, noho ny fananany toetra mahatoky. Izay tena mpanaraka an’ i Kristy tokoa dia hitondra eny amin’ izay rehetra ataony ny maha-mpivavaka azy ary haneho amin’ ny olona rehetra ny fanahin’ i Kristy. Mety ho tonga solontena mazoto sady mahatoky an’ Ilay niasa tamim-pahantranatany amin’ny havoanan’ i Galalia ny mpiasa. Tokony hiasa izay rehetra manonona ny anaran’ i Kristy, ka ny fahitan’ ny olona ny asa ataony no hahatarika azy hankalaza an’ Ilay Mpamorona sady Mpanavotra azy.NK 72.5
Maro ny olona efa niala tsiny fatratra, ka nilaza ny tsy fahampian’ ny ataony, raha nanolotra ny fanomezany ho entimanompo an’ i Kristy, satria tsy toy ny olona sasany manana harena sy tombon-tsoa betsaka izy. Mandroso ny fiheverana fa izay manana talenta be ihany no ilaina hanolotra ny fahaizany ho enti-manompo an’ Andriamanitra. Ataon’ ny maro fa ny talenta dia omena ny antokon’ olona voafidy ihany, fa ny sasany kosa avahana, satria tsy voantso hanana anjara, na amin’ ny asa, na amin’ ny valy soa. Nefa tsy izany no aseho ao amin’ ny fanoharana. Rehefa nantsoin’ ny tompon-trano ny mpanompony dia samy nomeny ny anjara raharahany avy izy.NK 73.1
Na dia ny adidy ambany indrindra aza, dia ho azontsika efaina “tahaka ny ho an’ ny Tompo 1Kolos.3:23.,” raha manam-pitiavana isika. Raha ao am-po ny fitiavana an’ Andriamanitra, dia hiseho amin’ ny toe-piainana izany. Hanodidina antsika ny hanitr’ i Kristy, ka hahatonga fanandratana sy fitahiana ny herintsika.NK 73.2
Tsy tokony hiandry fotoana lehibe, na hanantena fahaizana mihoapampana hianao vao handeha hiasa ho an’ Andriamanitra. Tsy tokony ho eritreretinao akory ny amin’ izay hiheveran’ izao tontolo izao anao. Raha ny toe-piainanao an-davan’ andro no vavolombelon’ ny hatsarana sy hamarinan’ ny finoanao ary fantatry ny olona fa ta-hanasoa azy tokoa hianao dia tsy ho foana tsy akory ny fikelezanao aina.NK 73.3
Na dia izay ambany sy mahantra indrindra amin’ ny mpianatr’ i Jesosy aza, dia mety ho fitahiana amin’ ny hafa. Angamba tsy fantany fa manao asa soa lehibe izy, nefa noho ny heriny tsy ampoizina dia indro izy manomboka alon-dranom-pitahiana izay mitatra sy mihalalina ary ny voka-tsoa angamba tsy ho fantany akory ambara-pahatongan’ ny andro famaliana amin’ ny farany. Tsy tsaroany sady tsy fantany fa manao zava-dehibe izy. Tsy ilaina akory izy ho be raharaha ny amin’ ny fahalavorariana. Tsy maintsy mandroso fotsiny amim-pahanginana ary manao amim-pahamarinana ny asa voatendrin’ Andriamanitra ary dia tsy ho foana ny fahavelomany eto ambonin’ ny tany. Ny fanahiny mitombo lalandava ho tahaka an’ i Kristy mpiara-miasa amin’ Andriamanitra izy eto amin’ ity fiainana ity ka noho izany dia mendrika ho amin’ ny asa ambony kokoa sy ny fifaliana tsy arahin-tsento izy any amin’ ny liainana ho avy.NK 73.4