Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ny niavian’ ny ratsy

    ‘Andriamanitra dia fitiavana’. Na ny toetrany, na ny lalàny, na ny fomba itondrany izao tontolo izao, eny, na inona na inona momba Azy dia fitiavana avokoa. Izany no toetrany hatramin’ ny taloha, mbola toetrany mandrak’ ankehitriny ary ho toètrany mandrakizay. Fa ‘tsy misy fiovaovana na aloka avy amin’ ny fiho- dinana’ eo amin’ Ilay ‘Iray avo sy manerinerina”, Izay mitoetra ao amin’ ny fitoerana avo sy masina’1.PM 11.1

    Fanehoam-pitiavana tsy hita fetra ny hery tsirairay avy nentin’ Andriamanitra nanao izao rehetra izao. Soa maro tsy tambo isaina no zarainy amin’ ny zavaboariny rehetra. Izao no teny entin’ ny mpanao Salamo manambara izapy:PM 11.2

    ‘Mahery ny tànanao,
    Avo ny tànanao ankavanana.
    Rariny sy fitsarana no fanorenan’ ny seza fiandriananao ;
    Famindrampo sy fahamarinana no mialoha ny tavanao.
    Sambatra izay olona mahalala ny feo mahafaly ;
    Jehovah o, amin’ ny fahazavan’ ny tavanao no handehanany.
    Ny anaranao no hifaliany mandrakariva ;
    Ary ny fahamarinanao no hisandratany.
    Fa voninahitry ny heriny Hianao ;
    Ary amin’ ny fankasitrahanao no hisandratan’ ny tandrokay.
    Fa an’ i Jehovah ny ampinganay ;
    Ary an’ ny Iray Masin’ ny Isiraely ny mpanjakanay ’
    PM 11.3

    Ny tantaran’ ilay ady lehibe ifanaovan’ ny tsara sy ny ratsy hatramin’ ny andro niantombohan’ izaný tany an-danitra ka mandra- pahatongan’ ny fotoana hanafoanana tanteraka ny fikomiana amin’ ny farany sady handevonana ny fahotana, dia maneho miharihary ny fitiavana tsy manam-piovana ananan’ Andriamanitra.PM 12.1

    Tsy irery tsy akory Ilay Tompon’ izao rehetra izao raha nanao ny asany. Nisy nanampy Azy, dia Ilay mahay mankasitraka ny tìkasany sy miombom-pifaliana Aminy eo amin ny tahitany ny fahasambaran’ ny zavaboariny. ‘Tamin’ ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin’ Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra Izy dia tao amin’ Andriamanitra tamin’ ny voalohany’3. Ny Teny. izany hoe Ilay Zanaka-lahy Tokan’ Andriamanitra, dia iray ihany tamin’ Ilay Ray Mandrakizay, na teo amin’ ny toetra izany. na teo amin’ ny fomba amam-panao, na teo amin’ ny fikasana. lzy irery ihany no hany tokana afaka nandray anjara teo amin’ ny filàn-kevitr’ Andriamanitra sy niray saina taminy. Fa ‘ny anarany.atao hoe Mahagaga. Mpanolo-tsaina, Andriamanitra Mahery, Rain’ ny mandrakizay, Andrian’ ny fiadanana’4, fa ‘hatry ny fahagola no efa nivoahany, dia hatrizay hatrizay ’5.PM 12.2

    Hoy Izy raha manambara ny tenany:PM 12.3

    ‘ Izaho no fahendrena ...
    Jehovah nahary ahy ho fiandohan’ ny alehany.
    Ho voalohany amin’ ny asany hatramin’ ny taloha.
    Izaho no tendreny hatramin’ ny fahagola,
    Eny. hatramin’ ny voalohany indrindra, dia fony tsy mbola ary ny tany.
    Haha namorona n lanitra Izy, ...
    Dia mpità-marika teo anilany aho,
    Sady ravoravo isan-andro ... teo anatrehany ’6.
    PM 12.4

    Tamin ny alalan ny Zanany no namoronan’ Andriamanitra ny mponina rehetra any an-danitra. ‘Fa tao aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra ... na fiandrianana, na fanjakana, na fanapahana.na tahefana. Izy no nahariana ny zavatra rehetra, sady ho Azy izany ‘ Ireo anjely feno ny voninahitry ny fanatrehany dia manatontosa haingana dia haingana ny sitrapony. Fa Izy, Ilay Zanaka, Ilay voahosotr’ i Jehovah no ‘ famirapiratan’ ny voninahiny’, ‘endriky ny tenany indrindra” mihazona ny zavatra rehetra amin’ ny herin’ ny teniny ; Izy no ambonin’ ny zavatra rehetra sy mibaiko ny zavatra rehetra. Seza fiandrianana be voninahitra sady avo hatramin’ ny voalohany ’8 ny fitoerana masina itoerany, ary ny tehim-panjakany dia feno fahamarinana. ‘Famirapiratana sy voninahitra sy hery sy tahatsaran-tarehy’9 no manodidina Azy, ‘ary famindrampo sy fahamarinana’ no mialoha ny tavany.PM 12.5

    Lalàna marina, ialàm-pitiavana, lalàna ambony sy masina, antoky ny fahasambaran’ ireo mpanompony izay manompo Azy amim- pifaliana, no fototra iorenan’ ny fanjakany. Tsy fankatoavana an-jamba fa entanim-pitiavana sady feno fahatokiana sy feno fiderana no irin’ Andriamanitra hananan’ ny olony. Tsy azony ekena ny fankatoavana an-terisetra ka izany no nanomezany azy safidy malalaka izay fepetra tena ilaina indrindra eo amin’ ny fanompoana an-tsitrapo.PM 13.1

    Tonga lafatra ny fiadanana raha mbola nanjaka tao amin’ izay rehetra noharín’ Andriamanitra izany fankatoavana amim-pitiavana izany. Ny fahafinaretan’ ny vahoaky ny lanitra dia ny miara-miasa amin’ Ilay Mpamorona azy hanatanteraka ny fikasany sy hampa- mirapiratra ny voninahiny ary hihira ny fiderany. Ambony indrindra taminy ny fitiavana an’ Andriamanitra ary ny fifankatiavan’ izy samy izy dia feno fahadiovana sy fahafoizan-tena. Tsy nisy na inona na inona nanimba izany firindrana mahafinaritra tany an-danitra izany.PM 13.2

    Niova anefa io toe-javatra mahasambatra io. Fa nisy anankiray nanimba ny fahafahana nomen’ Andriamanitra ny zavaboariny. Teraka tao am-pon’ ilay anjely iray izay nomen’ Andriamanitra haja sy voninahitra lehibe indrindra manarakaraka an’ i Jesosy Kristy ny ota.PM 13.3

    Losifera, ilay ‘zanaky ny maraina’, masina, tsy nanan-tsiny, nanompo nivantana ny Mpamorona, tamin’ ny voalohany dia feno famirapiratan’ ny voninahitr’ Andriamanitra satria anankiray tamin’ ireo kerobima manaloka. Fa ‘izao no lazain’ i Jehovah Tompo: ... feno fahendrena sy tena tsara tarehy ... hianao ; ny vato soa rehetra no eloelo teo amboninao... Hianao dia kerobima voahosotra izay manaloka, fa voatendriko hianao; tao an-tendrombohitra masin’ Andriamanitra hianao; tao amin ny vato mirehitra no nitsangan- tsangananao. Tsy nanan-tsiny hianao tamin’ ny nalehanao ka mandra-pahita heloka tao aminao’10.PM 13.4

    Norotsirotsin ny hevitra feno hambom-po tsikelikely teny anefa i Losifera. ‘Niavonavona ny fonao noho ny hatsaran-tarehinao ; efa nahasimba ny fahendrenao mbamin’ ny famirapiratanao hianao‘Ary hianao efa nanao anakampo hoe. Any an-danitra no hiakarako, ary ambonin’ ny kintan’ Andriamanitra no hanandra- tako ny seza fiandrianako ... kaho tahaka ny Avo Indrindra aho’12. Nihevitra no anjely mahery io fa ny voninahitra lehibe natolotr Andriamanitra azy dia efa azy rahateo. Tsy afa-po tamin’ ny toerana maha-filohan’ ny anjely azy izy fa sahy nitsiriritra koa na dia ny haja amam-bonmahitra aza izay mendrika hatolotra ny Mpamorona samirery. Tsy mba namponsika ny vahoaky ny lanitra hanao an’ Andriamanitra ho hany Tokana mendrika hivavahana sy hanka- toavina izy, fa nataony kosa izay hitiavan’ izy ireo azy sy hanom- poany azy amin-toetra mahatoky ary na dia ny voninahitra nomen’ Ilay Tsy manam-petra ho an’ ny Zanany ho tombon-isoan’ izy io manokana aza dia sahiny notsiriritina.PM 14.1

    Simba ilay firindrana mahafinaritra nanjaka tany an-danitra. Nanaitra ny anjely ny toetra nasehon’ i Losifera izay nikendry ny ho an’ny tenany fa tsy ny ho an’ Ilay Mpahary. Teo amin’ ny fivorian’ izy ireo di-a nisy nitaraina sy niangavy mafy mba hiverenan’ ilay lehibeny Nampiseho ny fahalehibeazana, ny hatsaram-panahy ary ny fahamarinan’ ny Mpamorona sy ny fahamasinan’ ny lalàny ary ny tsy fiovan’ izany ny Zanak’ Andriamanitra, ka hoy Izy: ‘Andria- manitra mihitsy, ry Losifera, no nanao izao fandaharana izao. Raha manohitra izany fandaharana izany ianao, dia manala baraka Ilay namorona ny ainao no sady mizotra ho eo amin’ ny lalan’ ny fahaverezana’ Vao mainka koa nampikiribiby sy nampirehitra ny fialonan’ ilay anjely mpiodina izany teny fananarana nataon’ i Jesosy kristy tamim-pahalemem-panahy sy fangorahana izany.PM 14.2

    Ny hany zavatra nokendren’ ilay andrian’ ny tafiky ny lanitra hatramin io fotoana io dia ny haka ho azy ny fiandrianan’ ny Zanak Andriamanitra sy hiady amin’ ny fahendrena amam-pitiavan’ Ilay Mpahary Hampiasa hevitra tsy hita noanoa izy hahatanteraka izany fikasany izany. Ny Tompo, izay mamela mandrakariva ny zavaboariny hanan-tsafidy, dia tsy mba nanafina ny hevi-dratsin’ i Losifera. fa nampiseho azy kosa tamin’ ny mponina rehetra tany àn-danitra. Koa talohan ny hipoahan’ ilay ady makadiry, dia tsy main tsy samy nahalala mazava tsara ny sitrapon’ Ilay Mpamorona sady Loharanon’ ny fahasambarana izy rehetra.PM 14.3

    Niantso ny tafiky ny lanitra ho eo anatrehany ny Mpanjakan’ izao rehetra izao. Ny hampahalala ny fahamendrehan’ ny Zanany sy ny firaisany amin’ ny zavaboariny no anton’ izany fivoriana izany. Nipetraka teo amin’ ny seza fiandrianana iray ihany ny Ray sy ny Zanaka; voninahitra iray ihany no-nandrakotra azy ireo. Anjely ‘anvoarivo sy alinalina” no nitsangana teo anatrehany, dia araka ny iaharana sy ny raharaha fanaony avy ; izy rehetra dia samy voarakotry ny hazavar.a izay mivoaka avy eo amin’ ny seza fiandrianan’ Andriamanitra.PM 15.1

    Teo anatrehan ireo marobe ireo no nilazan’ ny Mpanjaka fa ny Zanani-lahy Tokana irery no manana anjara feno eo amin’ ny filàn-kevitra ary Izy irery ihany koa no nametrahana ny adidy hana- tontosa ny fikasana feno herin’ ny sitrapon’ Andriamanitra. Izy ihany koa Izay Zanak’ Andriamanitra no nanao ny tafiky ny lanitra araka ny sitrapon’ ny Rainy ka tokony hankatoavina sy homemboninahitra toa an’ Andriamanitra. Eny, mbola Izy ihany no hamorona ny tany sy ny mponina ao aminy amin’ ny hery maha Andria- manitra ao aminy. Kanefa, na izany aza, dia tsy nisaina haka voninahitra na fahefana ho an’ ny tenany Izy, izay mifanipaka amin’ ny sitrapon’ Andriamanitra, fa ny hany nataony dia ny nanandratra ny fahefan’ ny Rainy sy nanatanteraka ny planan’ ny fitiavany.PM 15.2

    Rehefa nandre izany teny rehetra izany ny anjely dia niaiky tamim-pifaliana ny fahambonian’ ny Zanaka, ka dia niankohoka teo anatrehany izy ary nanolotra Azy ny fitiavany sy ny fanajany. Niara-niondrika tamin’ izy ireo koa i Losifera. Tao am-pony anefa dia nisy ady mahatsiravina nifanaovan’ ny fahamarinana sy ny rariny tamin’ ny fitsiriritana sy ny fialonana. Ny hafaliana mitafotafo nananan’ ny anjely masina dia toa mba nahasintona azy ihany. Ny hira manga- sy mireondreona feno fiderana nokaloin’ ny feo arivo- arivo sy alinalina dia toa nahafaty ny fanirian-dratsy tao anatiny. Fihetseham-po tsy hay ambara no nahazo azy. ary dia niombona tamin’ ireo anjely marobe izy mba hidera sy hankalaza ny Ray sy ny Zanaka. Kanjo vetivety foana dia azon’ ny fiavonavonana sy ny fiheveran-tena indray izy. Hatramin’ izay, ny f.alonana sy ny tsy fitiavana ny fahambonian’ ny Zanak’ Andriamanitra no nameno ny fony. hadinony fa ny voninahitra lehibe izay nananany dia fano- mezana vokatry ny hatsaram-panahin’ Andriamanitra; koa tokony hanan fisaorana Azy izy. Nihevitra loatra ny tahambomany sy ny famirapiratany izy ka dia naniry indrindra ny hitovy amin Andriamanitra. Moa tsy izy va ilay lalaina sy hajain’ ny mponin; ny lanitra manontolo? Moa tsy faly sy ravo va ny anjely raha Mankato ny teniny Moa tsy izy va no ambony indrindra tamin’ izy rehetra, na teo amin’ ny fahendrena izany, na teo amin’ ny voninahitra ? koa nahoana ny Zanak’ Andriamanitra no ambony noho izy ? Nahoana no dia ny Zanaka irery no miombom-pahefana sy hery amin’ ny Ray? Nahoana, hoy ilay anjely be voninahitra, no natolotra ny Zanak’ Andriamanitra irery ny fahamboniana ? Nahoana no omem boninahitra noho izaho Izy ?PM 15.3

    Dia nandao ny toerana izay nananany teo anatrehan’ Andria- manitra i Losifera, ka lasa nampiely ny toe-tsainy feno fankahalana teo amin ny anjely. Nafeniny ny fikasany ary nody nanaja fatratra an’ Andriamanitra izy. Nampiditra fisalasalana momba ireo didin’ Andrimanitra itondrana ny mponina any an-danitra izy. Nasehony fa raha ilaina ho an’ ny mponina amin’ ny tany samy hafa izay noforonin’ Andriamanitra ny didy, dia tsy ilaina kosa izany eo amin’ny anjely izay ambony noho ireny sady afaka hitondra tena samy irery araka ny fahendrena izay ananany. Raha ny amintsika, hoy izy, dia tsy misy mety hahavoa ny hajan’ Andriamanitra. Masina avokoa ny eritreritsika rehetra Toa an’ Andriamanitra Izay tsy mety ho latsaka ao amin ny fahadisoana isika. Noho izany, dia tsy rariny atao amin i Losifera izay tokony hohajaina sy homem-boninahitra koa, ny nanondrotana ny Zanaka hitovy fahefana amin’ ny Ray. Ary raha izy izay filohan’ ny anjely no nomena ny toerana ambony izay tokony ho azy. dia ho nahasoa ny tafiky ny lanitra manontolo izany. Nampanantena izy fa hanome fahatahana ny anjely rehetra, satria nifarana hatreo, hoy izy. ny fahafahana nananantsika hatramin’ izao. Tompo tsy refesi-mandidy, tsy maintsy hiakohofan’ ny rehetra no nomena anareo loy izany no hevi-petsy naelin’ i Losifera nanenika ny lanitra haingana dia haingana.PM 16.1

    Kanefa na dia izany rehetra izany aza no nataon’ ilay filohan’ ny anjely tany an-danitra. tsy nampiova ny laharana sy ny fahefan’ ny Zanak Andriamanitra izany. Tsy niova fenitra na ny heriny na ny fahefany; vao manika koa aza nohamafisina, noho ny fihamboana sy ny famitahana nafitsok’ i Losifera, dia famitahana izay nahavoa anjely marobe.PM 16.2

    Nohararaotin’ i Losifera ny fahatokiana madio feno fitiavana nananan’ ny anjely momba azy, ka dia nampiasa hevi-petsy lalina dia lalina izy mba hametrahana tao am-pon’ izy ireo ny fisalasalana sy ny fankahalana ary tsy takatr’ izy ireo akory ny tena tetik’ adiny. Niezaka izy mba hampiseho amin’ ny fomba tsy marina ny fikasan Andriamanitra, ary izany dia mba hahatonga fimonomononana sy fisaratsarahana. Tamim-pahakingana no namelany ny mpihaino azy samy hamosaka ny heviny avy ; ary rehefa izany, dia nokendreny ny fotoana mety indrindra hamerenany izay voalazan’ iretsy. mba hanaporofoana fa izy rehetra koa dia tsy manaiky tanteraka ny fanjakan’ Andriamanitra. Sady niseho ho mahatoky tamin’ Andriamanitra izy, no nanambara koa fa ilaina ny bisian’ ny fanovana vitsivitsy ao amin’ ny lalàna sy ny fandaminana any an-danitra, mba hahamafy orina ny fanjakan’ Andriamanitra. Tamim-pahakingana fatratra no nanehoany fa tsy naniry afa-tsy ny hisian’ ny fahatokiana sy ny filaminana ary ny fiadanana izy. Sady nihambo handrava ny fisarahan-tsaina mba hahamafy orina ny fitsipika izay efa natao izy, no niasa mafy koa hanao izay hanoherana ny lalàn’ Andriamanitra, sy hamindrana ny toe-tsainy tamin’ ny anjely teo ambany fanapahany.PM 17.1

    Dia nitatra hatrany hatrany ilay toe-tsaina feno fikomiana. Na dia mbola tsy nisy fisarahana mivantana aza teo amin’ ny anjely, dia efa nizara araky ny heviny avy izy rehetra. Ny sasany nankasitiaka ny hevitr’ i Losifera momba ny fanjakan’ Andriamanitra. Izy ireo, izay nifanaraka tanteraka tamin’ ny toe-javatra nisy hatramin’ izao, dia nahatsiaro tena ho malahelo noho ny tsy nahazoany niditra hanana anjara tamin’ ny filàn-kevitra ambony izay an’ Andriamanitra, sady tafintohina koa noho ny nanondrotana ny Zanaka. Ireo karazan’ anjely ireo dia nivonona hanohana an’ i Losifera teo amin’ ny fikasany hikomy amin’ Andriamanitra. Ny teo amin’ ny an-kilany kosa, dia ny anjely tsára izay niaro indrindra ny fahendrena sy ny fahamari- nan’ ny lanitra ary nanao izay rehetra azony natao mba hampihavana ny lehiben’ ny mpikomy amin’ ny fandaminana efa misy.PM 17.2

    Ny Zanak’ Andriamanitra, hoy izy, no lehibentsika. Taloha elan’ ny nisiantsika dia efa iray tamin’ ny Mpamorona Izy. Teo an-tanana ankavanan’ Andriamanitra hatrany no nitoerany hatrizay. Ny fahamboniany, izay nitera-boka-tsoa hatrany, dia tsy mbola nisy nampisalasala na oviana na oviana ary ny tilaminan ny lanitra koa tsy mba nisy fiovany. Koa nahoana ankehitriny no hisy fisarahan- tsaina? Noho ny fiheveran’ ny anjely tsara ny voka-dratsy mety haterak’ izao loza mananontanona izao, dia niezaka indrindra izy ireo niangavy ireo anjely hata izay tsy falifaly mba hiala amin ny heviny. ka hijoro ho mahatoky amin’ Andriamanitra sy amin’ ny fanjakany.PM 17.3

    Araka ny toetrany be famindrampo dia nandefitra ela tamin’ ny saim-petsin’ i Losifera Andriamanitra. Mbola tsy nisy na oviana na oviana tany an-danitra ny toe-tsaina feno fikomiana sy fanoherana toy izao. Toejavatra vaovao. hafahafa, feno zava-miafina sy tsy hay hazavaina izao toejavatra miseho izao. Na dia i Losifera koa aza dia tsy nahalala avy hatrany ny tena toe-tsainy. Tamin’ ny voalohany dia natahotra ny hampiseho ny fihetsiny sy ny fahadisoan’ ny fony izy Nefa. noho izy tsy oandroaka izany, dia nitombo hatrany hatran ny loza. Nataon’ ny Tompo avokoa izay rehetra azony natao mba hampiala azy tamin’ izany hevi-disony izany, nefa tsy nisy vokany. Naseho azy fa tsy misy antony ny hasosorany ary nahanjahanja tammy izay mety ho vokatry ny fikomiany. Farany, takatr’ i Losifera tokoa fa diso izy ary ‘marina Jehovah amin’ ny làlany rehetra. sady mamindra fo amin’ ny asany rehetra’13. Nekeny fa mahitsy ny fitsipik’ Andriamanitra ka tokony hankalazainy eo anatrehan’ ny mponin’ ny lanitra rehetra.PM 18.1

    Raha mba naharitra tao aminy mantsy izany toe-tsaina izany. dia sady ho nahavonjy ny tenany izy no nahavonjy koa anjely marobe Na dia efa niala teo amin’ ny toerana naha-kerobima mpanaloka azy aza izy, dia mbola tsy diala tanteraka kosa teo amin’ ny anjara fanompoany. Raha tamin’ izay izy no nanaiky mba hiverina sy hanome voninahitra ny fahendren’ ny Mpamorona ka nifaly tamin’ ny toerana izay efa nametrahana azy, dia noraisina indray hanana ny anjara asany izy. Tonga izao ny fotoana tsy maintsy hananany anapahan-kevitra, na hanaiky ny fiandrianan’ Andriamanitra, na hiseho miharihary ho mpanohitra. Efa saiky hiverina izy, nefa, ny fiaavonavonany dia nisakana azy tsy hanao izany. Hataony ahoana, izy izay nomem-boninahitra, no hiaiky fa diso ! Hataony ahoana no filefitra eo ambanin ilay hery izay efa nodradrainy fa tsy marina ! lehibe luatra izany fandavan-tena izany ka tsy vitany.PM 18.2

    Noho ny fitiavan’ Andriamanitra an’ i Losifera sy ireo mpanaraka azy, dia niezaka indray Izy mba hamonjy azy ireo tsy hianjera ao amin’ ny lavaka mangitsokitsoka izay nananontanona azy. Nataon’ i Losifera tsinontsinona izany famindrampo izany, ary noheveriny fa ny faharipon Andriamanitra dia fankalazana ny fahamboniany, ka amin ny farany dia hanaiky ny tepetra rehetra tadiaviny ny Mpanjakan’ izao rehetra izao. Haharesy isika,’ hoy izy, tamin’ ny mpanaraka azy raha mafy orina tsara hianareo. Tsy mala tamin’ ny toetra izay nananany izy, fa nirotsaka kosa hiady amin’ ilay Mpamorona azy.PM 19.1

    Dia toy izany no nahatonga an’ i Losifera ilay mpitondra faha- zavana, ilay nanana anjara teo amin’ ny voninahitr’ Andriamanitra. sy nanana fiombonana tamin’ ny seza fiandrianana aza, ho nivadika ka tonga Satana, fahavalon’ Andriamanitra sy fahavalon’ ny masina rehetra, mpanimba ireo izay napetraka teo ambanin’ ny fiarovany sy ny fitarihany.PM 19.2

    Hatramin’ izay dia nataony tsinontsinona avokoa ny hevitra sy ny fiangaviana rehetra nataon’ ny anjely marina: tsy izany ihany fa izy rehetra dia nendrikendrehiny ho diso hevitra sy andevo avokoa. Ny fiangarana atao amin’ ny Zanak’ Andriamanitra, hoy izy, dia tena tsy rariny atao amiko sy amin’ ny tafiky ny lanitra manontolo. Tsy zakako intsony, hoy izy, ny hilefitra eo anoloan’ izany fakana tsy an-drariny ny fahefako sy ny azy ireo izany. Koa dia tapa-kevitra aho haka ny voninahitra tokony ho ahy sy haka ho eo ambany fahefako ireo izay maniry te-ho mpianatro. Fanjakana vaovao sy tsara lavitra, fanjakana izay hisy fahafahana ho an’ ny tsirairay avy no haoriko ho azy. Anjely marobe no indray nanapa-kevitra hanaiky azy ho lehibe. Nirehareha erý i Losifera raha nahita izany ary nihevitra izy fa ny anjely rehetra hanaraka azy, ka dia hitovy amin’ Andriamanitra izy.PM 19.3

    Mbola nitalaho taminy sy tamin’ ireo mpiray tetika taminy mdray ny anjely marina mba hanoa an’ Andriamanitra. Mbola naharihariny tamin’ izy ireo ihany ny ho vokatry ny fandavany. Ilay namorona anareo, hoy izy, dia afaka hampiato ny tetika izay ataonareo, ka hanafay ny fikomianareo. Tsy misy anjely, na dia iray akory aza, afaka hiady amin’ ny didin’ Andriamanitra, satria masina toy ny tenany ihany izany. Izy rehetra dia samy nampirisihina hanentsi- tadiny amin’ ny fanangolen’ i Losifera avokoa , ary i Losifera sy ny mpanaraka azy kosa dia nasainy hiseho eo anatrehan’ Andria manitra miaraka amin’ izay. hiaiky ny fahadisoany, noho izy ireo nisalasala ny amin ny fahendren’ Andriamanitra sy ny fahefany.PM 19.4

    Maro tamin’ ireo izay diso lalana no vonona hiala tamin’ ny ahadisoany. ka hiditra indray hanana anjara amin’ ny fitiavan’ Andriamanitra sy ny Zanany. Nanana hafetsena hafa indray hanangoena azy ireo anefa i Satana. Nambarany fa izay rehetra nomba azy dia efa lasan-davitra loatra. Nahalala ny lalan’ Andriamanitra izy, ka fantany fa tsy hahazo famelan-keloka intsony izy ireo ary izay mive- rina eo ambany fahefan’ ny lanitra dia haongana. Raha ny amiko, hoy izy. dia tapa-kevitra aho fa tsy hanaiky na oviana na oviana ny fahefan Ilay Solo-Mpanjaka. Zavatra tokana sisa no ajoko sy azonareo atao, dia ny hitaky ny fahafahantsika. ka haka an-keriny ny fahefana izay tsy nutolotra antsika an-tsitrapo.PM 20.1

    Raha ny amin’ i Satana dia marina fa efa lasa lavitra loatra izy ka tsy afakahiverina ilalana intsony. Fa tsy mba toy izany kosa anefa ny amin ireo voajamban’ ny hevi-petsiny. Nanokatra vara- varam-pamonjena ho azy ireo ny anatra sy ny fiangavian’ ny anjely marina Raha mba nanaiky izany mantsy izy ireo dia nety ho afaka tamin’ ny fandrik’ i Satana. Fa ny fiavonavonany sy ny fitiavany ny lehibeny ary ny faniriany hanana fahafahana tsy voafetra, dia nahery loatra. ka nolavin’ izy ireo ny antsom-pitiavana feno famin- drampon’ Andriamanitra.PM 20.2

    Navelan’ Andriamanitra hanao ny asa ratsiny i Satana mandra- pahatongan’ ny fikomiana hiseho miharihary. Noho izy kerobima voahosotra. be voninahitra, nolalaina fatratra tany an-danitra, dia nanana hery lehibe tamin’ ireo izay nanodidina azy i Losifera. Mba hahatonga ny toetrany sy ny fikasany ho fantatry ny besinimaro, dia tsy maintsy navela ho masaka tsara ny tetik’ adiny. Ny fanjakan’ Andriamanitra dia tsy ny mponina tany an-danitra ihany, fa ireo rehetra monina koa any amin ny tany hafa noforonin’ Andriamanitra, izay nantenain i Losifera koa fa ho voataonany hanaraka azy eo amin’ ny fikomiany Tamim-pahakingana sy tamin-kery feno famitahana lohibe no nanaovan i Satana ny asany, ary tamin’ izany, dia nampia- sainy avokoa na ny lainga na ny hevi-petsy. Feno fihatsarambelatsihy izay no sady nanao ny asany tao amin’ ny miafina. Nataony tsy nahita lalana izay nitady hampibaribary izany araka izay tena toetrany. Koa tsy azo natao mihitsy ny hahita ny haratsiny, ny hahita fa tena fikomiana izany. na hahalala akory izay hiafarany, raha tsy efa hita miharihary ny fahafenoan’ izany tetika izany. Ny anjely tsara aza dia tsy nahatakatra akory ny tena toetrany sy ny vokatry ny asany.PM 20.3

    Dia toy izany no toa nahombiazan’ i Satana hatramin’ ny voalohany. Tsy asa mivantana no nataony, fa ny anjely no notaominy hanaraka ny heviny ary izay rehetra tsy nomba azy dia nampangainy ho mpanao tsinontsinona ny soa ho an’ ny lanitra manontolo. Hevi- petsy lalina no nentiny nanamaizinana ny fikasan’ Andriamanitra. Ny zavatra faran’ izay tsotra dia toa nanjary saro-pantarina. Nampi- dirany fisalasalana tamin-kafetsena fatratra na dia ny teny tsotra indrindra nolazain’ i Jehovah aza. Ny teny rehetra izay naloaky ny vavany dia toa nanan-kasina avokoa noho izy nanana toerana ambony teo amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra.PM 21.1

    Famitahana sy fandroboana no samy nampiasain’ i Satana hanovana ny tenin’ Andriamanitra sy ny fomba amam-panao teo amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra. Naeliny fa tsy rariny ny aneren’ Andriamanitra ny anjely hitandrina ny lalàny, ary tsy misy afa-tsy voninahitra ho an’ ny tenany ihany no nokendreny ho azo avy amin’ ny fanekena sy ny fankatoavan’ ny zavaboariny Azy. Ny amin’ ny tenany kosa, hoy izy, dia tsy misy zava-tadiaviny afa-tsy fahasam- barana ho an’ izao tontolo izao. Andriamanitra anefa dia tsy afaka hampiasa fomba izay tsy mifanaraka amin’ ny rariny sy ny hitsiny. Mba hanehoana mihanjahanja eo anoloan’ ny lanitra manontolo sy eo anatrehan’ ny zavaboary rehetra fa marina ny fanjakany ary tsy misy tsiny ny lalàny, eny, mba hanehoana eo imason’ ny tsirairay avy ny tena toetra sy ny tena zava-kendren’ ilay mpisandoka, dia nilaina mihitsy ny hamelana ireo fihamboan’ i Satana diso lalana ireo ho rava amin’ ny alalan’ ny voka-dratsy mety haterak’ izany ihany. Tsy main tsy aharihary eo anatrehan’ izao rehetra ary izao ny ratsy nataon’ ilay mpamitaka.PM 21.2

    Ny fikorontanana izay niseho tany an-danitra mbamin’ ny ratsy naterak’ izany, hoy i Satana, dia vokatry ny fanapahan’ Andriamanitra. Fa ny zava-kendreny kosa, hoy izy, dia ny hanatsara ny lalàn’ i Jehovah. Noho izany, dia navelan’ Andriamanitra izy haneho ny tena toetran’ ny heviny sy izay mety ho vokatry ny fanovana kasainy hatao amin’ ny lalàn’ ny lanitra.PM 21.3

    Noho ny fahendrena lalina ananan’ Andriamanitra dia noroahiny niala tany an-danitra i Losifera fa tsy naringany. Fankatoavana vokatry ny fitiavana ihany no tadiaviny. Ny fahatokiana dia tiany ho vokatry ny fahitana ny hatsaram-panahiny sy ny fahamarinany. Raha avy hatrany dia nolevonin’ Andriamanitra i Satana raha vao nanota, dia tsy ho takatr’ ireo mponina any an-danitra ny momba ny fahamarinan’ Andriamanitra, satria tsy fantatr’ izy ireo ny tena toetran’ ny ota sy ny vokatra aterany. Raha nofongorana avy hatrany tsy ho isan’ ny velona ilay anjely mpikomy, dia ho maro tamin’ ireo mponina any an-danitra no nanompo an’ Andriamanitra tamin-tahotra fotsiny fa tsy tamim-pitiavana. Tsy ho fongana tanteraka ny hery nananan’ ilay mpamitaka; ny toe-tsaina mpikomy nananany dia mbola tsy ho levona. Mba hisian’ ny soa ho an’ izao tontolo izao mandritra ny taonjato tsy manam-petra mifandimby, dia navela hanatanteraka an-tsakany sy an-davany ny foto-keviny ilay ratsy. Fa amin’ izany no hahitan’ ny zavaboary manontolo ny tena toetran’ ny famelezany ny fanjakan’ ny lanitra, ka hiseho miharihary amin’ izay ny toetran’ Andriamanitra feno fahamarinana sy famindrampo ary ny tsy fiovan’ ny didin’ i Jehovah dia tsy hananam-pisalasalana mihitsy intsony na oviana na oviana.PM 21.4

    Ny fiodinan’ i Satana dia tokony hahitan’ izao tontolo izao lesona mandritra ny taona maro mifandimby, ka ho vavolombelona mandrakizay manambara ny toetran’ ny fahotana sy ny vokany mahatsiravina Tian’ Andriamanitra hoenti-maneho ny fìafaran’ ny fandavana ny fahefany ny vokatry ny teti-dratsy nampiasain’ i Satana tamin’ ny olona sy ny anjely. Sitrany ny hampiharihary fa ny faha- sambarana ho an’ ny zavaboariny rehetra izay noforonin’ ny heriny, dia miankina amin ny fisian’ ny fanjakany. Koa dia fiarovana mandrakizay ho an ny olo-masina tsy ho voan’ ny famitahan’ ny ota sy ny voka-dratsy aterany ny nisian’ ilay tantara mahatsiravina.PM 22.1

    Mahalala ny farany hatramin’ ny voalohany Ilay Mpanapaka any an-danitra. Toy ny boky mivelatra eo anoloany ny lasa sy ny ho avy Ny fijaliana, ny haizina mbamin’ ny fandravana miavovona nateraky ny ota, dia samy tsy mahasakana an’ Andriamanitra hahita ny fahafenoan’ ny asam-pitiavany lehibe. Raha ‘rahona sy aizimpito no manodidina Azy, fahamarinana sy fitsarana no fanorenan’ ny seza fiandrianany’14. Izany no hazava eo anatrehan’ ny mponina can eran rehetra ary izao indray andro any, na eo anatrehan’ ny marina izany na eo anatrehan’ ny ratsy fanahy.PM 22.2

    ‘…Fa ny lalany rehetra dia amin’ ny rariny avokoa.
    Andriamanitra mahatoky Izy, ka tsy misy ratsy ao aminy;
    Marina sy mahitsy Izy15.’
    PM 22.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents