Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Josefa tany Egypta

    Raha mbola nizotra nianatsimo nankany Egypta ny andiam- pivahiny nitondra an’ i Josefa, dia tazan’ ilay zatovo nanjavozavo cry lavitra erý ny havoana nisy ny tobin’ ny rainy. Raha nisaintsaina ny alahelo sy ny maha-irery ilay rainy efa antitra izy, dia nipotra- potraka aoka izany ny ranomasony. Tsaroany indray ilay toe-javatra nampahory’ indrindra niseho tao Dotana ; toa hitany ny fijerin’ ny rahalahiny azv feno fankahalana ; toa reny indray ireo teny feno eso sy latsa izay nanao tsinontsinona ny fitarainany mafy feno famoizam-po. Nampihorohoro azy nv fitsinjovana ny ho avy. Endrey izany fiovana tao amin’ ny fiainany Í Izy izay zanaka malala, dia ho tonga andevolahy hatao tsinontsinona sy ho tsiratsiraina ! Inona re no hanjo azy any an-tany lavitra any, irery sy tsy manan-tsakaiza ? Dia vonton’ alahelo sy feno tahotra ny fon i Josefa.PM 209.1

    Andriamanitra anefa, noho ny hamoram-pony, dia hampiasa izao zavatra mafy manjo azy izao ho tonga fitahiana ho azy. Ny fitiavana mamy sy mafana nasehon’ ny rainy azy, izay niteraka fahalemena sy fiangarana, ilay fitia mitanila feno tsy fitandremana izay nahatezitra ireo rahalahiny ka nahatonga azy ireo hanatanteraka ilay fahasiahana izay nahalasa azy lavitra ny trano nahabe, dia nisy vokany tamin’ ny toetran’ i Josefa ; nisy kilema tsy voahitsy tao aminy ; izao anefa, dia tsy maintsy hialany izany. Nanjary be rehaka sy zatra mpandidididy izy ary tsy vonona hisetra zava-tsarotra izay tsy maintsy hiaretany amin’ izao maha-vahiny sy andevo azy izao.’PM 209.2

    Tsy ela akory Josefa dia nampitodika ny fisainany nankany amin’ Andriamanitra. dia Ilay Andriamanitry ny rainy izay efa tiany hatramin’ ny fahazazany. Impiry impiry akory moa izy no efa nandre ny tantaran’ i Betela raha mbola tao an-dain-drainy. dia ilay Betela tazaniny amin’ izao izy entina ho babo izao ! Fantany koa ny teny fikasana nomena an-drainy sy ny nahatanterahan’ izany. Efa noha- zavain-drainy taminy ny fomba namonjena, nampiononana, nampia- narana ary niarovan’ ny anjelin’ Andriamanitra azy raha namakivaky ora sarotra izy. Tsy niafina taminy koa ny fitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao, dia ny hanomezany ny Mpanavotra.PM 210.1

    Izany fampianarana sarobidy rehetra izany dia samy indray nibosesika tao an-tsain’ i Josefa avokoa, ary natoky izy fa Ilay Andriamanitry ny rainy dia ho Andriamaniny koa. Ka dia tsy nisalasala intsony izy fa niantoraka teo an-tsandrin’ ny Mpamorona, ary niangavy an’ Ilay Mpiandry an’ Isiraely mba ho heriny koa any amin’ ny tany fahababoany. Tamin’ ny fony rehetra izay voahetsika ialina, no nandraisany fanapahan-kevitra hentitra, dia ny hitondra tena toy ny vahoakan’ ny Mpanjakan’ ny mpanjaka amin’ ny fotoana rehetra. Amin’ ny fony rehetra no hanompoany Azy ary vonona izy hanatrika amin-kerim-po izay rehetra mety hanjo azy ; hahatoky amin’ izay adidiny rehetra izy. Izay rehetra tsy hainy nandritra ny taona maro, dia nianarany sy hainy kosa tao anatin’ ny ora vitsi- vitsy. Nanova azy ny toe-javatra niseho tao anatin’ ny indray andro monja. Nahatonga azy ho lehilahy mahay mandanjalanja, mahery fo sy mahay mifehy rena ny fahoriana nanjo azy, dia izy ilay zaza be hanta fahiny.PM 210.2

    Rehefa tonga tany Egypta i Josefa. dia namidy tamin’ i Potifara tandapan’ i Farao sady mpifehy ny mpiambina; nanompo azy nandritra ny folo taona izy, ary mafy ny fakam-panahy hitany tao. Teo anivon’ ny fanompoan-tsampy izy. Ny fanompoana andriamani- tsy izy dia namelatra teo anoloany harem-bevava, niampy ireo voninahitra sy fahaizan’ ilay firenena nandroso indrindra tamin’ izany fotoana izany. Na izany aza anefa, dia nitahiry tao am-pony ny fahatsorana sy ny fahatokiana an’ Andriamanitra izy. Voahodidin’ ny faharatsiana sy ny fahalotoana izy, nefa dia nijoro ho toy ny olona tsy mahita na mandre na inona na inona. Tsy namela ny eritreriny ho sondriana amin’ ny zavatra voarara izy ; tsy nanafina ny fitsipi- piainany izy mba hahazo sitraka amin’ ny Egyptiana. Fa raha nanao izany izy, dia ho lavo teo anatrehan’ ny fakam-panahy. Tsy izany anefa no nataony, fa tsy menatra ny fivavahan’ ny rainy izy ka tsy nanafjna na tamin’ iza na tamin’ iza fa Jehovah no tompoiny.PM 210.3

    ‘Ary Jehovah nomba an’ i Josefa, dia lehilahy nambinina izy. Ary hitan’ ny tompony fa nomban’ i Jehovah izy, ka izay rehetra nataony dia nambinin’ i Jehovah avokoa teo aminy ’J. Nitombo hatrany hatrany ny fitokisan’ i Potifara azy, ka dia nataon’ ilay tandapa ho lehiben’ ny tao an-tranony izy sady notendreny ho mpika- rakara ny fananany rehetra. ‘Dia navelany ho andraikitr’ i Josefa izay rehetra nananany ; ary izy tsy nihevitra intsony izay rehetra nananany na inona na inona afa-tsy ny hanin-kohaniny ihany”.PM 211.1

    Ny fahombiazana hita maso teo amin’ izay rehetra nokarakarain’ i Josefa dia tsy vokatry ny fahagagana mivantana tsy akory ; fa izay rehetra nataony dia nataony tamim-pahaizana sy fitandremana ary fahazotoana ka dia nisy vokany lehibe izany. Josefa dia nihevitra izany rehetra izany ho avy tamin’ Andriamanitra, ary ilay tompony koa dia nahatsinjo fa izany no zava-miafin’ ny fahombiazany maha- gaga. Tsy niseho anefa izany fahombiazana izany raha tsy nampiseho fahamalinana sy fikendrena tsy ankijanona izy. Nahazo voninahitra Andriamanitra, noho ny toetra mahatoky nasehon’ ilay mpanompony, dia ilay mpanompony nanana fahadiovana sy hitsim-po mifanohitra indrindra amin’ ny toetran’ ireo mpanompo sampy. Izany toetran’ i Josefa izany dia nahatonga ny fahasoavan’ ny Ianitra hamirapiratra tao amin’ ny haizin’ ny fanompoan-tsampy.PM 211.2

    Ny toetra mahate-ho tia sy ny fahamarinan’ ilay zatovolahy babo dia nanohina ny fon’ ilay mpifehy ny mpiambina ka noheveriny ho toy ny zanaka mihitsy izy fa tsy andevo intsony. Dia toy izany no nahazoan’ i Josefa nifanerasera tamin’ ireo olona be fahalaiana sy ambony, ka nahatonga azy ho zatra tamin’ ny fahaizana sy ny fiteny ary ny raharaha tany Egypta ; ary hahasoa azy tokoa izany rehefa tonga praiministra eo amin’ ny fanjakana izy.PM 211.3

    Ny fahamarinany anefa dia ho zahan-toetra amin’ ny fomba mahery vaika. Ny vadin’ ny tompony dia nitarika ilay zatovolahy handika ny didin’ Andriamanitra. Hatramin’ izao Josefa dia nijoro tamin’ ny fahadiovana teo afovoan’ ny fahalotoana nanodidina azy. Fa hataony ahoana kosa izao no fandresy ity fakam-panahy manodoka sy mahery ary tonga tampoka ity ? Niharihary taminy tsara izay ho vokatry ny fandavany, ka dia tsy maintsy hifidy izy, na hiditra ho mpanao tsikombakomba ka hahazo tombontsoa sy valisoa, na hijoro tsara ka hiharan’ ny fanamelohana sy fampidirana an-tranomaizina ary angamba ho vonoina mihitsy aza. Miankina amin’ izay ho fanapahan-keviny ny fainany ho avy rehetra. Moa hijoro ho mahatoky amin’ ny fitsipi-piainany sy amin’ Andriamanitra va izy ? Nanara-maso tamim-pitebitebena fatratra izany toe-javatra izany ny anjely.PM 211.4

    Hampiseho miharihary izay tena toetran’ ny olona miorina eo amin’ ny fivavahana rnarina ny fitondran-tenan’ i Josefa. Tapaka anefa ny heviny fa na hanao ahoana na hanao ahoana. dia tsy hama- dika na ny fitokisan’ ilay tompony teto an-tany izy, na ny finoany Ilay Tompony Izay any an-dap.itra. Firifiry akory moa ny olona no sahy manao zavatra eo imason’ Andriamanitra sy ireo anjely masina, dia zavatra izay tsy sahiny atao akory eo anatrehan’ ny fijerin’ olombelona. Tsy toy izany anefa no nataon’ i Josefa, fa hoy izy: ‘Hataoko ahoana no 1 ai.ao izany ratsy lehibe izany ka hanota amin’ Andriamanitra ?’PM 212.1

    Isika koa dia hatahotra ny hanota raha tsaroantsika mandrakariva fa mahita izay rehetra ataontsika sy mandre izay rehetra lazaintsika Andriamanitra, ka hampamoaka antsika ny amin’ izany Izy. Ry zatovolahy sy zatovovavy. tsarovy mandrakariva fa na aiza na aiza misy anareo, ary na inona na inona ataonareo, dia hitan’ Andriamanitra ianareo. Tsy misy na inona na inona azontsika afenina Ilay Avo Indrindra ; tsy misy na inona na inona amin’ ny toetrantsika tsy hitan’ ny masony mpandini-javatra. Ny didin’ olombelona, na dia ireo faran’ izay henjana aza, dia azo dikaina any amin’ ny mangin- gina ihany ka tsy andraisam-pamaizana na dia voadika aza. Fa tsy mba toy izany kosa ny didin’ Andriamanitra. Na dia ny haizin’ ny mamatonalina aza dia tsy mahafina ny olon-diso eo anatrehany Mety hihevi-tena ho irery ilay rnpanao meloka, kanjo misy Vavolombelona tsy hita maso Izay manamarika ny ataony rehetra. Na dia ny fikasana miafina ao am-pontsika aza dia fantatr’ Andriamanitra avokoa. Ny asa rehetra, ny teny rehetra, ny fisainana rehetra ananan’ ny olona iray dia voasoratra avokoa, ka toa dia izy irery iny ihany no velona etý.an-tany sy karakarain’ny Ianitra manontolo.PM 212.2

    Nijaly noho ny fahamarinany i Josefa; nifototra namely azy mafy ilay vehivavy naka fanahy azy, nampangainy izy fa sahisahy ratsy nitady hanimba ny fahadiovany, ka dia nasainy nampidirina an-tranomaizina. Raha ninoan’ i Potifara marina ny fiampangan’ ny vadiny, dia novonoina ho faty i Josefa ; saingy ny fitondrantenany tsy nisy pentina teo anatrehany. dia nahatonga azy hihevitra Hay zatovo ho tsy nanan-tsiny. Mba ho fiarovany ny hajarì’ ny tokan- tranony anefa, dia naetriny sy navelany hampidirina an-tranomaizina izy.PM 212.3

    Tamin’ ny vooloi. any nahatongavan’ i Josefa tao an-tranomaizina, dia nampijalian’ ireo mpiandry tranomaizina mafy izy. Hoy ny mpanao Salamo raha n.laza ny momba azy:PM 213.1

    ‘ Nampijaiiany tamin’ nv fatorana ny tongony ;
    Nogadrany vy izy,
    Mandia-pahatongan’ ny fotoana hahatanterahan’ ny teniny:
    Nizaha toetra azy ny tenin’ i Jehovah’.2.
    PM 213.2

    Namirapiratra hatrany amin’ ny trapomaizina nisy azy anefa ny tena toetran’ i Josefa.Na dia tsy voavaly soa aza ireo taona maro nolalovany tao an-tranon’ i Potifara. dia tsy kivy akory izy. Ny fiadanana vokatry ny tsy fananan-tsiny dia mbola nameno ny fony ihany, ary ny zavatra rehetra dia napetrany, teo am-pelatanan’ Andriamanitra. Tsy lany andro tamin’ ny fitarainana noho ny tsy rariny natao taminy ;zy, fa nohadinoiny izay nanjo azy mba hahazoany manamaivaná” ny fahorian’ ny hafa. Nahita asa hatao izy na dia tany an-tranomaizina aza. Tao amin’ ny sekolin’ ny fijaliana izay nisy azy. dia navelan’ Andriamanitra hianatra lesona sarotra izy mba hahazoany manomana azy ho amin’ ny raharaha ambony. Tao an-tranomaizina dia nanatri-maso ny fampijaliana sy ny fampahoriana isan’ andro izy, ary izany dia nahaizany nahafantatra ny hasaro- bidin’ ny fahamarinana, ny famindrampo sy ny fiaraha-miory amin’ izay ory ; koa niomana hanapaka araka ny fahendrena sy fitiavana izy.*PM 213.3

    Nahita fitia tsikelikely tamin” ny lehiben’ ny tranomaizina i Josefa ; tamin’ ny farany izy dia tonga tonian’ ny fikarakarana ny mpifatotra rehetra. Ny fahitsiam-piainany isan’ andro sy ny fangorahany ireo izay fadiranovana, dia nanokatra ny lalana izay nitondra azy ho eo amin’ ny fahombiazana sy voninahitra. Fa ny tara-pahatsaram-panahy rehetra alefantsika hanasoa ny hafa, dia miverina ka manasoa antsika ihany. Ny teny mamy rehetra omena ny malahelo, ny fanamaivanana rehetra atao amin’ izay ampijalina, ny fanampiana rehetra atolotra ny mahantra, dia samy hanana ny valisoany avokoa raha nentanin’ ny fikasana tsara.PM 213.4

    Ny lehiben’ ny mpitondra kapoaka sy ny lehiben’ ny mpanao mofon’ ny mpanjaka. izay samy nampidirina an-tranomaizina noho ny heloka nataony, dia samy teo ambany fitondran’ i Josefa. Indray maraina izy roa lahy dia tsinjon’ ilay zatovo hebreo fa oriory tarehy ka dia nanontany azy ny anton’ ny alahelony izy. Nambara taminy fa samy nanonofy izy roa lahy, dia nofy nahalasa eritreritra izay niriny ho fantatra ny heviny. ‘Tsy avy amin’ Andriamanitra va ny filazana ny hevitry ny nofy?”, hoy Josefa tamin’ izy ireo. ‘Masìna hianareo, lazao amiko izany’3. Ary rehefa nandre ny nofy izy, dia nanazava ny heviny. Ao anatin’ ny hateloana, hoy ny fanazavana, dia hiverina amin’ ny asany ilay mpitondra kapoaka ka hano- lotra eo anatrehan’ ny mpanjaka indray ny kapoaka fisotro. Fa ny mpitondra mofo kosa, dia hohelohina ho faty araka ny baikon’ ny mpanjaka rehefa afaka hateloana ihany koa. Nanamarina izany faminaniana izany ny toe-javatra niseho.PM 213.5

    Dia nisaotra an’ i Josefa indrindra ilay mpitondra kapoaka noho ny nanazavany ny nofiny sy noho ny hatsaram-panahy nasehony taminy ; fa Josefa kosa nitantara taminy tamin’ ny fomba mampan- gorakoraka fatratra ny nanaovana azy tsy an-drariny tao an-tranomaizina ka niangavy azy mba hiteny ho azy eo anatrehan’ ny mpanjaka. ‘Fa mba tsarovy aho, rehefa mahita soa hianao, ka trarantitra hianao, iantrao alio, dia lazao amin’ i Farao aho, ka avoahy amin’ ity trano ity’. Dia hitan’ ilay mpitondra kapoaka fa tanteraka araka izay voalaza ny nofiny. Rehefa niverina teo amin’ ny voni- nahiny anefa izy, dia nanadino ilay nanisy soa azy. Ary i Josefa dia mbola nitoetra roa taona tao an-tranomaizina. Ny fanantenana izay efa mba nirehitra tao am-pony dia maty tsikelikely indray ; ny fahoriana hafa rehetra nentiny dia vao niampy iray indray, dia ny tsy fahaiza-mankasitraka nasehon’ ilay nasiany soa.PM 214.1

    Efa akaiky hanokatra ny varavaran’ ny tranomaizina eo anatrehany anefa izao ny tanan’ Andriamanitra. Indray alina ny mpanjakan’ i Egypta dia nanonofy indroa, dia nofy izay toa manambara loza lehibe. Tsy fantany izay tena hevitr’ ilay nofy, ka naneloelo tao an-tsainy tao izany. Na ny olon-kendriny, na ny mpisikidiny dia tsy nisy nahazava ny hevitry ny nofy, ka dia feno tebiteby indrindra i Farao ary feno horohoro ny lapany. Tamin’ izay vao tsaroan’ ilay mpitondra kapoaka i Josefa sy ny nofy nonofisin’ ny tenany. Menatra mafy noho ny tsy fahaizany mankasitraka izy ka dia lasa nanambara niaraka tamin’ izay tamin’ ny mpanjaka ny nanazavan’ ilay mpifatotra hebreo ny nofiny sy ny fahatanterahan’ izany faingana. Na dia fietrena ho an’ i Farao aza izany hoe voatery tsy maintsy nandao ny ombiasiny mba hila hevitra amin’ ilay babo hebreo, dia tsy nisalasala izy nanao izany. Vonona ny hihaino izy na dia izay fara-faikan’ olona aza, ka dia nandefa iraka nampiantso an’ i Josefa. ‘Dia naiaina faingana niala tao an-davaka izy; ary nanaratra ny volom-bavany sy niova fitafiana izy, dia nankany amin’ i Farao ’.PM 214.2

    ‘Ary hoy Farao tamin’ i Josefa: Nanonofy aho, koa tsy misy mahalaza ny heviny ; ary izaho nahare fa hianao, hono, raha mandre nofy, dia mahalaza ny heviny. Ary Josefa dia namaly an’ i Farao ka nanao hoe: Tsy ahy izany; Andriamanitra no hilaza izay valiny hiadanan’ i Farao’4. Tamim-panetren-tena no nandavan’ i Josefa ny fiheverana azy ho manam-pahendrena ambony ; ny fahatokiany an’ Andriamanitra no naharihariny ary dia nihaino an’ i Farao nitantara ny nofiny toy izao izy:PM 215.1

    ‘Nofiko fa indro, hono, nitsangana teo amoron’ i Neily aho; koa, indreo nisy ombivavy fito matavy sady tsara tarehy niakatra avy teo Neily ; ary nihinana teny amin’ ny bararata ireny. Ary, indreo, nisy ombivavy fito hafa koa niakatra nanaraka ireny, mihozohozo sady ratsy tarehy indrindra no mahia, ka tsy mbola hitako izay ratsy toa azy teto amin’ ny tany Egypta rehetra. Ary ireo ombivavy fito mahia sady ratsy tarehy dia nihinana ireo ombivavy fito matavy izay nialoha azy. Ary rehefa nihinana azy izy, dia tsy fantatra akory fa efa mby’ ao an-kibony ireny ; fa mbola ratsy tarehy tahaka ny tamin’ ny fahiny ihany izy. Dia nahatsiaro aho. Ary hitako tamin’ ny nofiko indray, ka, indreo, nisy salohim-bary fito niseho tamin’ ny tahony iray, sady vokatra no tsara ; ary indreo kosa, nisy salohim- bary fito sady malazo no maivam-boa, main’ ny rivotra avy any atsinanana, niseho nanaraka ireny ; ary ny salohim-bary maivam- boa dia nitelina ny salohim-bary fito vokatra. Ary nolazaiko tamin’ ny ombiasy izany, nefa tsy nisy nahalaza ny heviny tamiko’.PM 215.2

    ‘Ary hoy Josefa tamin’ i Farao: Ny nofin’ i Farao dia iray ihany ; izay efa hataon’ Andriamanitra no nambarany tamin’ i Farao Indro, hisy fito taona zina indrindra eran’ ny tany Egypta rehetra; ary manaraka izany kosa dia hisy fito taona mosarena, ka ho hadino ny fahavokarana be rehetra, teo amin’ ny tany Egypta ; ary ho ritry ny mosary ny tany ; ary ny fahavokarana eo amin’ ny tany tsy ho fantatra noho izany mosary manaraka azy izany, fa ho mafy indrindra izany. Ary naverina indroa ny nofin’ i Farao, satria efa voatendrin’ Andriamanitra izany zavatra izany ka ho tanterahin’ Andriamanitra faingana ’.PM 215.3

    ‘Koa ankehitriny ”, hoy indray i Josefa, ‘aoka Farao hizaha lehilahy manan-tsaina sady hendry ka hanendry azy hanapaka ny tany Egypta. Aoka hanao izany Farao, ary aoka izy hanendry mpika- rakara hitandrina ny tany sy hamory ny ampahadimin ny vokatry ny tany Egypta amin’ ny taon-jina fito. Aoka izy ireo hanangona ny hanina rehetra amin’ ireo’ taona tsara ho avy ireo ka hamory vary be amin’ ny anaran’ i Farao ho fihinana anv amin’ ny tanàna maro. ka aoka hitahiry izany izy. Ary aoka izany hanina izany hotehirizina ao amin’ ny tany ho amin’ ny fito taona mosarena, izay ho tonga amin’ ny tany Egypta. mba tsy ho simban’ ny mosary ny tany’.PM 216.1

    Nazava sy ara-drariny loatra ny fanazavana ny nofy ; ny hevitra rehetra nasehon’ i Josefa dia hita fa hendry sv malina, ka dia tsy nampisalasala ny amin’ ny fahamarinan’ ny teniny. Koa iza ary no homena adidy hanatanteraka izany tetika izany ? Niankinan’ ny ain’ ny firenena ny fahendrena amin’ izany fifidianana izany. Sahiran- kevitra ny mpanjaka ka nila fotoana kely hieritreretana. Ilay lehiben’ ny mpitondra kapoaka izay nanonitra ny tsy fahaizany nankasitraka tamin’ ny lasa. dia namelabeiatra teo anatrehan’ ny mpanjaka ny fahendrena amam-pahamalinana nasehon’ i Josefa tao an-trano- maizina rehefa notendrena hikarakara izany izy. ka nidera azy fatratra. Ny famotopotorana nataon’ ny mpanjaka dia nanamarina izay rehetra voalaza. Tsy ny loza manandindona ny firenem ihany no nambaran’ i Josefa. fa ny fomba hisorohana izany koa. Hita miharihary fa nanana ny fahendren’ Andriamanitra nitarika azy izy ary tsy nisy olona teo anatrehan’ ny mpanjaka izay hita fa mendrika kokoa noho izy, hikarakara ny raharaham-panjakana mandritra ny fotoan-tsaiotra ho lalovana. Ny naha-hebreo sy ny naha-andevo azy dia samy tsy noheverina teo anatrehan’ ny hazavan’ ny sainy.PM 216.2

    ‘Hahita lehilahy tahaka io. izay manana ny Fanahin’ Andriamanitra ao anatiny va isika ?”, hoy ny mpanjaka tamin’ ireo olona nanodidina azy. Tapaka ny hevitra: ary hoy ny mpanjaka tamin’ i Josefa izay nitolagaga: ‘Satria efa nampahafantarin’ Andriamanitra anao izany rehetra izany, dia tsy misy lehilahy manan-tsaina sady hendry tahaka anao ; koa hianao no hanapaka ny ato an-tranoko, ary araka ny teninao no- hitondrako ny oloko rehetra ; ny seza fiandrianana ihany no hahalehibe ahy noho hianao”. Dia nomen’ i Farao ny rnariky ny fahetana izy, ‘nesorin’ i Farao ny peratra tamin’ ny tanany ka nataony tamin’ ny tamin’ i Josefa, dia nampitafiny rongony folsy madinika izy, ary nasiany rojo volamena ny vozony ; dia narnpitaingeniny tao anatin’ ny kalesy faharoa izy, ary ny vahoaka niantso teo alohany nanao hoe: Mandohaleha’.PM 216.3

    ‘Nanao azy ho tompon’ ny tranony izy
    Sy ho mpanapaka ny fananany rehetra,
    Mba hamatotrainy mpanapaka aiaka ny sitrapony,
    Sy harnpianatra fahendrena ny loholonv’*.
    PM 217.1

    Raha nivoaka avy tao an-tranomaizina i Josefa, dia tonga gover- noran’ ny tany Egypta. Sady be voninahitra no feno zava-manahirana koa izany raharaha izany. Tandindomin-do/.a maro izay olona miakatra eo amin’ ny toerana faran’ izay ambony. Ny tafio-drivotra mahery izay toa tsy miraharaha loatra ny voninkazo dia any an-doha- saha, dia mahongotra ny hazo makadiry eny an-tendrombohitra. Toy izany koa ny olona: mety ho marina sy mahitsy izy raha mbola tso-piaina sy tsy fantatr’ olona firy, fa ho mora hindaosin’ ny fakam- panahy samihafa izay manodidina azy hivarina eo amin’ ny lavaky ny faharatsiana kosa, rehefa omem-boninahitra sy tombontsoa.PM 217.2

    Josefa dia nijoro ho mahatoky tamin’ ny androm-panambinana, dia toy ny nijoroany ho mahatoky tamin’ ny androm-pahoriana. Na tao amin’ ny lapan i Farao na tany an-davaky ny tranomaizina, dia nahatoky teo anatrehan’ Andriamanitra izy. Na dia vahiny teo amin’ ny tany jentilisa aza izy, lavitry ny fianakaviany izay hany tena mpivavaka amin’ Andriamanitra marina, dia tsy nitsahatra niankina tamin’ Ilay Mpitarika ny diany sady nanao tamim-pahi- tsiana ny adidy rehetra nomena azy. Tamin’ ny alalany no nanehoana ny Andriamanitry ny lanitra teo anatrehan’ nv mpanjaka sv teo anatrehan’ ny andriam-baventy rehetra, izay, na dia mbola nifikitra tamin’ ny fanompoan-tsampiny ihany aza, dia nianatra ny hanaja kosa ny fitsipika be voninahitra hita teo amin’ ny fiainana sy ny toetran’ ilay mpanompon’ i Jehovah.PM 217.3

    Taiza no nianaran’ i Josefa ka nahatonga azy ho ohatra teo amin’ ny fananana toetra matotra, hendry sy mahitsy ? Tsotra ny valin’ izany. Raha mbola tanora erotrerony izy dia nianatra nanefa tsara ny adidiny fa tsy nanao fotsiny izay sitraky ny fony. Ny toetra mahatoky. ny finoana tsotra, ny fahatsaram-panahy nananany hatry ny fony vao zaza no nahatonga izao vokatra eo amin’ ny taona fahalehibeazany izao. Ny fiainana madio sy tsotra dia niteraka tivelaran’ ny herin-tena sy ny herin-tsainv. Ny firaisana tamin’ Andriamanitra tamin ny alalan’ ny asany sy tamin’ ny fandinihana ny fahamarinana lehibe sy masina nomena ny mpandova ny finoana, dia nanandratra sy nanadio ny toetrany ara-panahy; nampitombo sy nampahiratra ny sainy izany mihoatra noho izay fianarana hafa rehetra azony natao. Ny fanatanterahana isan’ andro amim-paha- tokiana ny adidy sy ny andraikitra rehetra eo amin’ ny fiainana, na ny lehibe izany na ny madinika, dia nahatonga ny sainy hivelatra hahatratra ny faritra ambony indrindra mety ho tratrany. Ny fiainana araka an’ Andriamanitra dia mahatonga ny toetra ho ambony sy mahitsy.PM 217.4

    ‘ Indro ny fahatahorana ny Tompo no fahendrena,
    Ary ny fialana amin’ ny ratsy no fahalalana’6.
    PM 218.1

    Vitsy ny olona no mahatakatra ny herin’ ny zava-madinika eo amin’ ny fiainana amin’ ny famolavolana ny toetra. Ny zavatra ataontsika, raha ny tena marina, dia tsy misy madinika. Ny toe- javatra samihafa izay lalovantsika dia samy izahana toetra antsika avokoa sy mba hahatonga antsika ho mendrika ny toerana ambo- nimbony kokoa hatrany. Ny fanaovana tsara isan’ andro ny asa aman-draharaha eo amin’ ny fiainana, dia mahatonga ny saina hihevitra ny adidy ho ambony noho ny fahafinaretana sy ny fironan’ ny saina. Ny saina voakolokolo sy voataiza toy izany dia tsy hiroa- roa eo anatrehan’ ny tsara sy ny ratsy, toy ny firoaroan’ ny volotara hozongozonin’ ny rivotra, fa ho mahatoky amin’ izay adidiny izy noho ny fahazarana ananany momba ny fahamarinana sy ny fahi- tsiana. Ny fahatokiana amin’ ny zava-madinika no mialoha ny fahatokiana amin’ ny zava-baventy.PM 218.2

    Sarobidy noho ny volamena avy any Ofira ny toetra mahitsy. Tsy ho tonga eo amin’ ny toerana ambony ny olona tsy manana izany. Ny toetra anefa tsy mba fandova na fividy. Tsy vokatry ny kisendrasendra ny fahatsaram-panahy sy ny fahazavan-tsaina. Raha tsy kolokoloina, na dia talenta faran’ izay saro-tadiaviana aza, dia tsy mahasoa na ho amin’ inona na ho amin’ inona. Ny fananana toetra mendrika dia vokatry ny fiezahana mirindra tsara sy maha- ritra ; asa atao mandritra ny fiainana manontolo izany. Andriamanitra no manome ny fotoana mety: ny vokatra kosa dia miankina amin’ izay fomba nampiasana izany.PM 218.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents