Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Ilay Fitiavana Mandresy - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 23—Akaiky ny fanjakan’ Andriamanitra

    «Nankany Galilia Jesosy nitory ny Filazantsaran’ Andriamanitra ka nanao hoe: Efa tonga ny fotoana, fa efa akaiky ny fanjakan’ Andriamanitra, mibebaha hianareo ka minoa ny filazantsara»1Mar. 1 : 14, 15.IFM 231.1

    Tany Jodia no efa nanambarana voalohany ny fiavian’ ny Mesia. Tao amin’ ny Tempoly tao Jerosalema no efa nambara mialoha tamin’ i Zakaria ny fahaterahan’ ny mpialoha lalana raha nanao fanompoana teo anoloan’ ny alitara izy. Efa nilaza ny fahaterahan’ i Jesosy ny anjely teo amin’ ny havoanan’ i Betlehema. Tonga tany Jerosalema ny magy nitady Azy. Efa nijoro ho vavolombelona ny amin’ ny maha-Andriamanitra azy i Simeona sy Ana tao amin’ ny tempoly. Efa nihaino ny fitoriana nataon’ i Jaona Mpanao batisa «Jerosalema sy Jodia manontolo»; ary ireo iraka avy amin’ ny Synedriona, niaraka tamin’ ny vahoaka marobe, dia efa samy nandre ny teny vavolombelona mikasika an’ i Jesosy. Efa nandray ny mpianany voalohany Kristy tany Jodia. Tao no efa nanaovan’ i Kristy ny betsaka tamin’ ny asa fanompoana teto an-tany. Ny fisehoan’ ny maha-Andriamanitra Azy namirapiratra teo amin’ ny nanadiovana ny tempoly, ny fahagagana nataony teo amin’ ny fanasitranana azy, ny lesona mirakitra ny fahamarinan’ Andriamanitra avy amin’ ny molony. izany rehetra izany dia nilaza mazava izay efa nambarany teo anatrehan’ ny Synedriona taorian’ ny fanasitranana tany Betesda, — dia ny maha-Zanak’ Andriamanitra Azy.IFM 231.2

    Raha nandray an’ i Kristy ireo mpitarika tao Isiraely, dia ho nanome voninahitra azy ireo Izy amin’ ny maha-mpitondra hafatra azy ireo izay hitory ny filazantsara amin’ izao tontolo izao. Izy ireo no voalohany nomena fotoana mety nahazoany ho tonga mpilaza be voninahitra ny fanjakan’ Andriamanitra sy ny fahasoavany. Tsy fantatr’ Isiraely anefa ny fotoana namangiana azy. Nanova ny fialonana sy ny tsy fahatokisana ho fankahalana miharihary ireo mpitarika Jiosy, ka niala nanalavitra an’ i Jesosy ny fon’ ny vahoaka.IFM 231.3

    Efa nitsipaka ny hafatr’ i Kristy ny Synedriona ary nikendry ny hahafatesany; noho izany dia nandao an’ i Jerosalema Jesosy, nandao ny mpisorona, ny tempoly, ny mpitarika ara-pivavahana, ny vahoaka izay efa nampianarina teo amin’ ny lalàna, ka nitodika ho amin’ ny antokon’ olona hafa hitoriany ny hafatra nentiny, sy hanangona ireo izay hitondra ny filazantsara amin’ ny firenena rehetra.IFM 232.1

    Tahaka ny nandavan’ ireo fahefana ara-pivavahana ny fahazavana sy ny fiainan’ ny olona tamin’ ny andron’ i Kristy, dia toy izany koa no nandavana azy tamin’ ireo taranaka nifandimby rehetra. Niverimberina hatrany ny tantaran’ ny nialan’ i Kristy tsy ho ao Jodia. Rehefa nitory ny Tenin’ Andriamanitra ireo Mpanavao fivavahana, dia tsy nihevitra mihitsy ny hisaraka amin’ ny fiangonana efa voaorina izy ; tsy zakan’ ireo mpitarika teo amin’ ny fivavahana anefa ny fahazavana, ka voatery nitady antokon’ olona hafa ireo izay nitondra izany, dia antokon’ olona naniry mafy ny fahamarinana. Amin’ izao androntsika izao, dia vitsy ireo izay misora-tena ho mpanaraka ny Mpanavao fivavahana no tena hetsehin’ ny toe-tsain’ izy ireo. Vitsy no mihaino ny feon’ Andriamanitra ary vonona ny handray ny fahamarinana na toy inona na toy inona endrika anehoana azy. Matetika ireo izay manaraka ny dian’ ny Mpanavao fivavahana no voatery miala amin’ ny fiangonana tiany, mba hahazoany manambara ny fampianarana mazavan’ ny Tenin’ Andriamanitra. Matetika koa no voatery mandao ny fiangonan’ ny razany ireo izay mitady fahazavana sy fampianarana miaraka amin’ izany mba hahazoany mankatò.IFM 232.2

    Nohamavoin’ ny raby tany Jerosalema ny mponin’ i Galilia satria hoe tsy mahalala fomba sady tsy nahita fianarana, nefa tany tsara kokoa ho an’ ny asan’ ny Mpamonjy izy ireo. Mafana fo kokoa sy manana fo madio kokoa izy ireo; tsy dia fehezin’ ny fitiavambavaka diso toerana firy, nidanadana tokoa handray ny fahamarinana ny sainy. Raha nankany Galilia Jesosy, dia tsy nitady ny hisaraka na hitoka-monina Izy tsy akory. Toerana nisy vahoaka be io faritany io tamin’ izany andro izany, ary be kokoa ny olona avy tamin’ ny firenen-kafa noho izay hita tao. Jodia.IFM 232.3

    Raha nandeha nitety an’ i Galilia Jesosy, ka nampianatra sy nanasitrana, dia vahoaka marobe no nitangorona teo Aminy avy amin’ ny tanàn-dehibe sy ny vohitra kely. Betsaka no tonga na ny avy tany Jodia sy tamin’ ireo faritany manodidina. Matetika Izy no voatery miafina tsy ho hitan’ ny vahoaka. Be dia be ny hafanampo ka voatery nisy fitandremana tsy maintsy natao sao taitra ny fahefana Romana ka hatahotra ny hisian’ ny fikomiana. Tsy mbola nisy vanim-potoana toy izao talohan’ izao ho an’ izao tontolo izao. Nampidinina ho an’ ny olona ny lanitra. Ny fanahy noana sy nangetaheta izay efa ela niandrasana ny fanavotana an’ Isiraely ankehitriny no mihinana hanim-py amin’ ny fahasoavan’ ny Mpamonjy mamindra fo.IFM 233.1

    Ny lahin-kevitry ny toritenin’ i Kristy dia ny hoe : «Efa tonga ny fotoana, ka efa akaiky ny fanjakan’ Andriamanitra, mibebaha hianareo ka minoa ny filazantsara».IFM 233.2

    Ny hafatry ny filazantsara izany, araka izay nomen’ ny Mpamonjy mihitsy, dia nifototra tamin’ ny faminaniana. Ny «fotoana» nambara fa tonga dia ilay nampahafantarin’ ny anjely Gabriela tamin’ i Daniela. «Fito-polo herinandro, hoy ny anjely, no voatendry ho an’ ny firenenao sy ny tanànanao masina, hahatapaka ny fahadisoana sy hanampina ny fahotana, ary hanao fanavotana noho ny heloka sy hampiditra fahamarinana mandrakizay, ary hanisy tombo-kase ny fahitana sy ny faminaniana sy nanosotra izay masina indrindra»2Dan. 9 : 24. Herintaona ny indray andro ao amin’ ny faminaniana3Jereo Nom. 14 : 34 Ezek. 4 : 6. Ny fito-polo herinandro, na ny sivifolo sy efajato andro dia mampiseho sivifolo sy efajato taona.IFM 233.3

    Misy vanin’ andro iantombohan’ io fe-potoana io, nomena: «Ka aoka ho fantatrao sy ho azonao fa hatramin’ ny hivoahan’ ny didy hanavaozana sy hanamboarana an’ i Jerosalema ka hatramin’ ny Mesia Andriana dia ho fito herinandro sy roa amby enimpolo herinandro»4Dan .9 : 25., izany hoe sivy amby enimpolo herinandro na telo amby valopolo sy efajato taona. Ny didy hanamboatra sy hanangana indray an’ i Jerosalema araka ny nofenoin’ ny didy navoakan’ i Artaksersesy Lava-tanana5Ez. 6 : 14 ; 7 : 1, 9., dia nihatra tamin’ ny fararanon’ ny taona 457 talohan’ i Kristy. Raisina amin’ io fotoana io ny telo amby valopolo sy efajato taona, dia mahatratra ny fararanon’ ny taona faha-27 tamin’ ny andron’ i Kristy. Araka ny faminaniana dia hahatratra ny Mesia, Ilay Voahosotra io fotoana io. Tamin’ ny taona faha-27 tamin’ ny andron’ i Kristy dia nandray ny hosotry ny Fanahy Masina Jesosy teo amin’ ny batisany, ary vetivety taorian’ izany dia nanomboka ny asany. Dia notoriana ny hafatra hoe : «Tonga ny fotoana».IFM 233.4

    Dia hoy ny anjely : «Hanorina fanekena ho herinandro (fito taona) amin’ ny maro Izy». NandTitra ny fito taona taorian’ ny nidiran’ ny Mpamonjy teo amin’ ny asany, dia notorina tamin’ ny Jiosy manokana ny filazantsara; nandritra ny telo taona sy tapany dia Kristy mihitsy no nanao izany, ary ny apostoly tatý aoriana. «Ary hampitsahatra ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hafa hatramin’ ny antsasaky ny herinandro»6Dan. 9 : 27, Izy. Tamin’ ny lohataonan’ ny faha-31, tamin’ ny andron’ i Kristy, dia natolotra tao Kalvary Kristy Ilay tena fanatitra. Triatra nizara roa tamin’ izay ny lamba tao amin’ ny tempoly, izay mampiseho fa efa lasa ny fahamasinana sy ny dikan’ ny fanompoam-pivavahana fanatitra. Tonga ny fotoana hitsaharan’ ny fisoronana sy ny fanatitra eto an-tany.IFM 234.1

    Nifarana tamin’ ny taona faha-34 tamin’ ny andron’ i Kristy ny herinandro - na fito taona. Ny nitoraham-bato an’ i Stefana no nanamafisan’ ny Jiosy farany ny fitsipahana ny Filazantsara ; ny mpianatra izay niparitaka tany ivelany noho ny fanenjehana dia «nandeha nitory teny tontolo eny»7Asa 8:4. ;ary fotoana fohy taorian’ izany no niova fo i Saoly mpanenjika ka nanjary Paoly, apostolin’ ny jentilisa.IFM 234.2

    Ny fotoana iavian’ i Kristy, ny anosorana Azy amin’ ny Fanahy Masina, ny ahafatesany ary ny anomezana ny filazantsara amin’ ny jentilisa, dia samy voatondro mazava. Tombon-tsoan’ ny vahoaka jiosy ny mahazo ireo faminaniana ireo, ary ny mahafantatra ny fahatanterahan’ ny asa nanirahana an’ i Jesosy. Namporisika ny mpianany Kristy ny amin’ ny maha-zava-dehibe ny fandinihana ny faminaniana. Raha niteny momba ny faminaniana nomena an’ I Daniela mikasika ny andron’ izy ireo Izy, dia hoy Izy hoe : «aoka hisaina izay mamaky izany» 8Mat. 24 : 15. Taorian’ ny nitsanganany tamin’ ny maty, dia nohazavainy tamin’ ny mpianany «ny mpaminany rehetra», sy «ny hevitry ny teny milaza Azy» 9Lio. 24 : 27. Efa niteny tamin’ ny alalan’ ny mpaminany rehetra ny Mpamonjy. «Ny Fanahin’ i Kristy tao Aminy no «nanambara ny fijalian’ I Kristy sy ny voninahitra manaraka izany»101 Pet. 1 : 11IFM 234.3

    Gabriela, ilay anjely nanaraka ny Zanak’ Andriamanitra raha ny laharany, no tonga nitondra ny hafatr’ Andriamanitra ho an’ i Daniela. Gabriela, «ilay anjeliny», no nalefan’ i Kristy hanokatra ny ho avy amin’ i Jaona malala, ary misy fitahiana hatao amin’ izay mamaky sy mihaino ny tenin’ ny faminaniana, ka mitandrina ny zavatra voasoratra ao11Apok. 1 : 3.IFM 235.1

    «Tsy manao na inona na inona tokoa Jehovah Tompo, raha tsy milaza ny heviny amin’ ny mpaminany mpanompony». «An’ i Jehovah Andriamanitsika ny zava-miafina ; fa antsika kosa . . . ny zavatra ambara»12Amo. 3 : 7 ; Deo. 29 : 29. Nomen’ Andriamanitra antsika ireo zavatra ireo, ary hanampy izay mandinika ny faminaniana ao amin’ ny Soratra Masina amim-panajana sy amim-pivavahana ny fitahiany.IFM 235.2

    Ny hafatra momba ny fiavian’ 1 Kristy voalohany dia manambara ny fanjakam-pahasoavany, dia toy izany koa ny hafatry ny fiaviany fanindroany izay manambara ny fanjakan’ ny voninahiny. Ary ny hafatra faharoa, tahaka ny voalohany dia mifototra amin’ ny faminaniana. Ny teny nataon’ ny anjely tamin’ i Daniela mikasika ny andro farany, dia natao ho azo amin’ ny andro farany. Amin’ izany fotoana izany «maro no hivoivoy, ka hitombo ny fahalalana». «Ny ratsy fanahy kosa mbola hanao ratsy ihany, ary tsy hisy amin’ ny ratsy fanahy hahafantatra, fa ny hendry no hahafantatra»13Dan. 12:4, 10. Ny Mpamonjy mihitsy no nanome ny famantarana momba ny fiaviany, ka hoy Izy :«Raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia aoka ho fantatrareo fa akaiky ny fanjakan’ Andriamanitra». Ary mitandrema fandrao ny fonareo hovesaran’ ny vokatry ny fisotroan-toaka sy ny fahamamoana ary ny fiahiahiana izao fiainana izao, ka ho avy tampoka aminareo tahaka ny fandrika izany andro izany». «Fa miambena ka mivavaha mandrakariva, mba hahery hianareo, ka handositra izany zavatra ho avy rehetra izany ary hitsangana eo anatrehan’ ny Zanak’ olona»14Lio. 21 : 31, 34, 36.IFM 235.3

    Tonga eo amin’ ny fotoana nambaran’ ireo tenin’ ny Soratra Masina ireo isika. Tonga ny andro farany, novahana ireo fahitan’ ny mpaminany, ary manondro amintsika ny fiavian’ ny Tompontsika amim-boninahitra ho akaiky eo am-baravarana ireo fampitandremana miezinezina lazainy.IFM 235.4

    Diso ny nandraisan’ ny Jiosy sy ny nampiharany ny Tenin’ Andriamanitra, ka tsy fantany ny fotoana namangiana azy. Ireo taona niasan’ i Kristy sy ny apostoly, — ireo taona sarobidin’ ny fahasoavana farany ho an’ ny vahoaka voafidy, — dia nolaniany tamin’ ny fiokoana handringanana ny mpitondra hafatr’ i Jehovah. Babon’ ny hambom-po ara-nofo izy ary tonga foana taminy ny nanolorana ny fanjakana ara-panahy ho azy. Tahaka izany koa ankehitriny, babon’ ny fanjakan’ ity izao tontolo izao ity ny sain’ ny olona, ka tsy mandinika ny fahatanterahan’ ny faminaniana haingana sy ny famantarana ny fahakekezan’ ny fiavian’ ny fanjakan’ Andriamanitra.IFM 236.1

    «Fa hianareo, ry rahalahy, tsy ao amin’ ny maizina, mba hahatratra anareo toy ny mpangalatra izany andro izany. Fa hianareo rehetra dia zanaky ny mazava sy zanaky ny andro; tsy an’ ny alina na an’ ny maizina isika». Tsy fantatsika ny ora iavian’ ny Tompontsika, nefa mety ho fantatsika ny fahakekezany. «Koa dia aza mba matory toy ny sasany isika, fa aoka hiambina ka hahonon-tena»151 Tes.5 : 3-6.IFM 236.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents