Toko 72—Ho fahatsiarovana Ahy
«Fa Jesosy Tompo tamin’ iny alina iny izay namadihana Azy, dia nandray mofo, ary rehefa nisaotra Izy, dia novakiny ka hoy Izy . Ity no tenako izay vakina ho anareo, izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy. Dia araka izany koa ny kapoaka, rehefa nihinana, dia hoy Izy : Ity kapoaka ity no ilay fanekena vaovao amin’ ny rako , izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy, na oviana na oviana no misotro hianareo. Fa na oviana na oviana hianareo no mihinana itony mofo itony sy misotro amin’ ny kapoaka, dia manambara ny fahafatesan’ ny Tompo hianareo mandra-piaviny».IFM 703.1
Nijoro teo amin’ ny toerana mampitohy indrindra momba ny rafi-pivavahana roa sy ny androm-piravoravoana roa lehibe momba izany Jesosy. Ilay Zanak’ Andriamanitra tsy misy pentina izao, dia efa hanolotra ny tenany ho fanatitra noho ny ota, ka hamarana amin’ izany fomba izany ny rafitra momba ny tandindona sy ny fanompoam-pivavahana izay efa nanondro ny fahafatesany nandritra ny efajato taona. Raha nihinana ny Paska tamin’ ny mpianany Izy dia naoriny ho solon’ izany ilay fanompoam-pivavahana izay ho tsangambaton’ ny sorona lehibe ataony. Io androm-piravoravoana nataon’ ny firenena teo amin’ ny Jiosy io, dia havela ho mandrakizay. Ny fanompoana izay naorin’ i Kristy dia tokony harahin’ ny mpanaraka Azy amin’ ny tany rehetra sy mandritra ny taonjato nifandimby. Nampanaovina ny Paska ho fahatsiarovana ny nanafahana ny Isiraely tamin’ ny fanandevozan’ ny Egyptiana. Nobaikoin’ Andriamanitra fa isan-taona, dia tsy maintsy haverimberina ny tantaran’ ny fanafahana ho valin’ ny fanontanian’ ny ankizy ny amin’ ny dikan’ io fanompoam-pivavahana io. Amin’ izay dia ho voatahiry ho velona ao an-tsain’ ny rehetra ilay fanafahana mahagaga. Ny fanompoampivavahana momba ny fanasan’ ny Tompo dia nomena mba ho fahatsiarovana ilay fanafahana lehibe notanterahina ho vokatry ny fahafatesan’ i Kristy. Mandra-piveriny fanindroany amin-kery sy voninahitra, dia tokony hankalazaina io fanompoam-pivavahana io. Io no fomba ampiasaina mba hahatonga ilay asa lehibe nataony ho antsika ho voatahiry sy vaovao indray ao an-tsaintsika.IFM 703.2
Tamin’ ny fotoana nanafahana azy avy tao Egypta ny zanak’ Isiraely, dia nitsangana raha nihinana ny Paska, nisikina ary nitàna tehina teny an-tanany, vonona ny handeha. Nifandrindra tamin’ ny toe-javatra nisy teo aminy ny fomba nankalazany io fanompoampivavahana io ; efa ho voaroaka hiala ny tany Egypta mantsy izy ireo, ka hanomboka dia mafy sy sarotra mamakivaky ny efitra. Niova kosa ny toe-javatra tamin’ ny andron’ i Kristy. Tsy mba ho voaroaka hiala ny tany vahiny iray izy, fa nonina teo amin’ ny taniny ihany. Araka ny fomba fialan-tsasatra efa nomena azy ireo, dia mandrimandry ny olona eo amin’ ny fihinanana ny Paska. Nasiana fandriana manodidina ny latabatra, ary mitsotra eo ny nasaina, miankina amin’ ny sandry ankavia, ka ny tanana ankavanana no malalaka ampiasaina hihinanana. Amin’ izany fomba fipetraka izany dia azon’ ny nasaina atao ny mampiankina ny lohany amin’ ny tratran’ ilay mipetraka alohany indrindra. Ary ny tongony izay amin’ ny sisiny ivelan’ ny fandriana, dia azon’ ilay mandalo ivelan’ ny faribolana sasana.IFM 704.1
Mbola eo amin’ ny latabatra izay namelarana ny sakafon’ ny Paska Kristy. Manoloana Azy ny mofo tsy misy masirasira fampiasa amin’ ny Paska. Eo amin’ ny latabatra ny divain’ ny Paska, tsy misy zava-mahamamo. Ampiasain’ i Kristy hanehoana sorona tsy misy pentina ataon’ ny tenany ireo tandindona ireo. Tsy nisy na inona na inona voaloton’ ny zava-mahamamo, izay tandindon’ ny fahotana sy ny fahafatesana, azo hanehoana ny «Zanak’ ondry tsy misy kilema sy tsy misy pentipentina».IFM 704.2
«Ary raha mbola nihinana izy, Jesosy nandray mofo, ka nony efa nisaotra, dia novakiny ka natolony azy ary nataony hoe : Raiso, ity ny tenako. Dia nandray kapoaka Izy, ka nony efa nisaotra, dia natolony azy , ka dia nisotroin’ izy rehetra izany. Ary hoy Izy taminy , Ity no rako amin’ ny fanekena, izay alatsaka hamonjy ny maro. Lazaiko aminareo marina tokoa : Tsy mba hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony Aho mandra-piavin’ ny andro hisotroako izay vaovao any amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra».IFM 704.3
Nanatrika ilay fanompoam-pivavahana sakramenta i Jodasy mpamadika. Noraisiny avy tamin’ i Jesosy ny tandindon’ ny tenany vakivaky sy ny rany nijininika. Reny ny teny hoe : «lzao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy». Raha nipetraka teo izy, teo anatrehan’ ny Zanak’ ondrin’ Andriamanitra mihitsy, dia nieritreritra lalina ny fikasany maizina ilay mpamadika, ary nankamamy ny eritreriny maloto, feno valifaty.IFM 705.1
Teo amin’ ny fanasana tongotra dia nanome porofo maharesy lahatra Kristy fa fantany ny toetra amam-panahin’ i Jodasy. «Tsy madio avokoa hianareo rehetra», hoy Izy. Nandresy lahatra ilay mpianatra sandoka ireo teny ireo fa namaky ny fikasany miafina Kristy. Miteny amin’ ny fomba mazava kokoa Kristy ankehitriny. Raha naka toerana teo amin’ ny latabatra izy ireo, dia hoy Kristy nijery ny mpianany : «Tsy milaza anareo rehetra Aho ; fa fantatro izay nofidiko , fa mba hahatanteraka ny Soratra Masina hoe : Izay miara-komana Amiko no nanangana ny ombelahin-tongony hamely Ahy».IFM 705.2
Na dia hatreo amin’ izany fotoana izany aza dia mbola tsy niahiahy an’ i Jodasy ny mpianatra. Hitan’ izy ireo anefa fa toa nalahelo mafy Kristy. Nisy rahona nitatao tamin’ izy rehetra, fambara zava-doza mahatahotra, izay tsy azony na inona na inona izany. Raha nihinana tamim-pahanginana izy? dia hoy Jesosy hoe : «Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa : Fa ny anankiray aminareo hamadika Ahy». Gaga sy taitra izy nandre izany. Tsy azon’ ny sainy ekena izany hoe ny iray amin’ izy ireo hanana fihetsiky ny mpamadika amin’ Ilay Andriamanitra Mpampianatra azy. Inona no antony hamadihany azy ? Ary amin’ iza ? Fon’ iza no afaka hiteraka fikasana toy izany ? Azo antoka fa tsy ny anankiray amin’ izy roa ambin’ ny folo lahy nanehoam-pitiavana manokana, izay nomena tombontsoa ambonin’ ny hafa rehetra handre ny fampianarany, izay efa nandray anjara tamin’ ny fitiavany mahagaga, ary efa nanehoany fikarakarana lehibe toy izany tamin’ ny nampifandraisany azy akaiky tamin’ ny tenany !IFM 705.3
Rehefa tsapan’ izy ireo ny maha-zava-dehibe ny teniny, dia tsaroany ny fahamarinan’ ny teny nolazainy, ka nameno azy ny tahotra sy ny tsy fitokisany ny tenany. Nanomboka nandinika ny fony izy hahita sao misy eritreritra iray manohitra ny Mpampianatra azy nialokaloka tao. Tamin’ ny fihetseham-po nankarary indrindra no nifandimbiasany nanontany hoe : «Moa izaho va izany, Tompoko?» Nipetraka mangina anefa i Jodasy. Tamin’ ny farany nanontany i Jaona tamin’ ny alahelo lalina indrindra hoe : «Tompo, iza izany?» Jesosy namaly ka nanao hoe : «lzay niara-nanatsoboka ny tanany tao anaty lovia, izy no hamadika Ahy. Ny Zanak’ olona dia mandeha tokoa araka izay nanoratana Azy, nefa lozan’ izay olona hahazoana ny Zanak’ olona hatolotra ! tsara ho an’ izany olona izany raha tsy ary akory». Nifampijerijery akaiky ny mpianatra raha nanontany hoe: «Izaho, va izany, Tompo ô ?» Nanintona ny maso rehetra hijery an’ i Jodasy izao ny fahanginany. Tao anatin’ ny tabataba noho ny fanontaniana sy ny teny milaza fahagagana dia tsy ren’ i Jodasy ny tenin’ i Jesosy namaly ny fanontanian’ i Jaona. Izao kosa, mba hialana amin’ ny fijerin’ ny mpianatra mifantoka aminy lalina, dia mba nanontany tahaka ny nataon’ izy ireo koa izy hoe : «Izaho va izany, Raby ô ?» Namaly tamin’ ny fomba manetriketrika Jesosy hoe : «Voalazanao».IFM 706.1
Sady gaga Jodasy no menatra noho ny nanehoana miharihary ny fikasany, ka nitsangana haingana izy niala ny efitrano. «Hoy Jesosy taminy : Izay ataonao dia ataovy faingana . . . Ary rehefa nandray ny sombin-kanina izy dia nivoaka niaraka tamin’ izay ary efa alina ny andro». Alina ny andro ho an’ ilay mpamadika raha niodina niala tamin’ i Kristy ho any amin’ ny haizina any ivelany izy.IFM 706.2
Mandra-panaovany an’ io dingana io dia tsy mbola nihoatra ny hahazoany mibebaka i Jodasy. Nefa kosa rehefa niala tsy ho eo anatrehan’ ny Tompony sy ny mpianatra namany izy, dia noraisiny ny fanapahan-kevitra farany. Nihoatra ny fetra izy.IFM 706.3
Nahagaga ny faharipon’ i Jesosy tamin’ ny fifandraisany tamin’ ity fanahy nalaim-panahy ity. Tsy misy na inona na inona azo natao hamonjena an’ i Jodasy ka navelany tsy ho vita. Rehefa indroa izy no nanao fanekena fa hamadika ny Tompony, dia mbola nomeny fotoana mety ihany izy hibebahana. Tamin’ ny namakian’ i Kristy ny fikasana miafina tao am-pon’ ilay mpamadika, dia nomeny an’ i Jodasy ny porofo farany mandresy lahatra ny amin’ ny maha-Andriamanitra Azy. Io no antso farany ho amin’ ny fibebahana ho an’ ilay mpianatra sandoka. Tsy misy antso izay azon’ ny fon’ Ilay Kristy Andriamanitra sady olona natao ka tsy nataony. Ny onjan’ ny famindrampo, izay nifandona tamin’ ny avonavon’ ny fo mafy ka miverina, dia nitampody indray tamin’ ny fitiavana mambabo nisamonta mafimafy kokoa. Nefa na dia zendana sy taitra aza izy rehefa tra-tehaka ny helony, dia vao mainka tapa-kevitra ihany i Jodasy. Avy tao amin’ ny fandraisana fanasan’ ny Tompo izy dia nivoaka hanatanteraka ny asan’ ny mpamadika.IFM 706.4
Tamin’ ny nilazan’ i Kristy ny loza hanjo an’ i Jodasy dia nisy koa fikasan’ ny famindrampo ho an’ ny mpianany teo amin’ i Kristy. Nomeny azy arak’ izany ny porofo fara-tampony ny maha-Mesia Azy. «Hatramin’ izao, dia milaza aminareo Aho» hoy Izy «raha tsy mbola tonga izany, mba hinoanareo, rehefa tonga, fa IZAHO NO IZY». Raha nijanona nangina Jesosy, ary raha toa tsy niseho nahalala izay zavatra mitranga Aminy, dia mety hieritreritra ny mpianatra fa tsy manana ny fijerin’ Andriamanitra mahita ny ho avy ny Tompony, ka tratran’ ny tsy nampoiziny raha natolotra teo ampelatanan’ ny vahoaka liandrà sy misafoaka. Herintaona talohan’ izao Jesosy efa nilaza tamin’ ny mpianany fa efa nifidy roa ambin’ ny folo lahy Izy ary ny iray dia devoly. Ary ankehitriny ny teniny tamin’ i Jodasy izay mampiseho fa fantatry ny Tompony tanteraka ny famadihana Azy, dia tokony hampahery ny finoan’ ireto tena mpanaraka an’ i Kristy marina mandritra ny fampietrena Azy. Ary rehefa ho tonga tokoa ho eo amin’ ny fiafarany mahatsiravina i Jodasy, dia ho tsaroan’ izy ireo ny loza izay notononin’ i Jesosy tamin’ ilay mpamadika.IFM 707.1
Mbola nanana fikasana hafa koa ny Mpamonjy. Tsy nisakana ny asa fanompoana azy Izy, dia ilay efa fantany fa mpamadika. Tsy azon’ ny mpianatra ny dikan’ ny teniny raha hoy Izy tamin’ ny fanasana tongotra hoe : «Tsy madio avokoa hianareo rehetra», ary tsy azony koa ny teniny raha hoy Izy teo ampisakafoanana hoe : «Izay miara-komana Amiko no nanangana ny ombelahin-tongony hamely Ahy» . Taty aoriana anefa rehefa nazava ny dikan’ izany dia afaka mandinika ny amin’ ny fahari-po sy ny famindrampon’ Andriamanitra amin’ ny mania faran’ izay ratsy loatra indrindra izy ireo.IFM 707.2
Na dia nahafantatra an’ i Jodasy hatramin’ ny voalohany aza Jesosy, dia nanasa ny tongony Izy. Ary nandray tombontsoa hiray amin’ i Kristy tamin’ ny nandraisany anjara tamin’ ny fanompoampivavahana masina ilay mpamadika. Mpamonjy be faharipo no nampiseho fiangaviana rehetra ny mpanota mba handray Azy, mba hibebaka, ary mba ho diovina amin’ ny fandotoan’ ny fahotana. Ho antsika io ohatra io. Tsy tokony ariantsika ireo izay heverintsika fa diso sy manota. Tsy tokony havelantsika ho hazan’ ny fakampanahy izy noho ny fisarahana aminy sy ny tsy fikarakarana azy, ka hitarika azy ho eo amin’ ny tany fiadian’ i Satana izany. Tsy fomba fiasan’ i Kristy izany. Ny maha-diso azy sy ny nanaovany ny tsy mety no nanasany ny tongony, ary izy rehetra afa-tsy ny iray tamin’ ny roa ambin’ ny folo no tonga teo amin’ ny fibebahana tamin’ izany fomba izany.IFM 708.1
Manakana antsika tsy hanavakavaka eo amin’ ny fanasan’ ny Tompo ny ohatra nomen’ i Kristy. Marina fa ny fahotana miharihary dia misakana ilay olo-meloka tsy handray izany. Mampianatra izany mazava ny Fanahy Masina. Nefa ankoatr’ izany dia tsy misy tokony hitsara. Tsy navelan’ Andriamanitra ho anjaran’ ny olona ny hanapa-kevitra izay tokony handray anjara amin’ ireny fotoana ireny. Fa iza no afaka hamaky ny ao am-po ? Iza no afaka hanavaka ny tsimparifary amin’ ny vary? «Fa aoka ny olona hamantatra ny tenany, dia aoka izy hihinana ny mofo sy hisotro amin’ ny kapoaka». Fa «na zovy na zovy no mihinana ny mofo sy misotro amin’ ny kapoaky ny Tompo amin’ ny fanahy tsy mendrika, dia ho meloka ny amin’ ny tena sy ny ran’ ny Tompo izy. Fa izay rehetra mihinana sy misotro dia mihinana sy misotro fanamelohana ho an’ ny tenany, raha tsy mamantatra ny tena izy» .IFM 708.2
Rehefa mivory ny mpino mba hankalaza ireo fanompoampivavahana ireo,dia manatrika eo ny iraka tsy hitan’ ny mason’ olombelona. Mety hisy Jodasy eo amin’ izay mivory eo, ary raha misy izany, dia eo koa ny iraka avy amin’ ny andrian’ ny maizina, satria manotrona izay rehetra mandà ny hofehezin’ ny Fanahy Masina izy. Manatrika ao koa ny anjely avy any an-danitra. Manatrika ireo mpamangy tsy hita maso ireo isaky ny fotoana toy izany. Mety hisy olona izay tsy mpanompon’ ny fahamarinana sy ny fahamasinana eo amin’ ny mpivory, nefa mety hanam-paniriana ny handray anjara angaha izy. Tsy tokony hosakanana izy. Misy vavolombelona eo izay nanatrika tamin’ i Jesosy nanasa ny tongotry ny mpianatra sy ny an’ i Jodasy. Nisy maso izay mihoatra noho ny mason’ olombelona nijery ny toe-javatra koa.IFM 708.3
Eo Kristy amin’ ny alalan’ ny Fanahy Masina mba hametraka tombo-kase eo amin’ ny fanompoam-pivavahana nampanaovin’ ny tenany. Eo Izy mba hampiaiky ny fo sy hanalefaka azy. Tsy misy eritreritra iray feno alahelo, ka tsy hitany. Ny mibebaka, ny torotoro fo no andrasany. Vonona ny zavatra rehetra handraisana io fanahy io. Ilay nanasa ny tongotr’ i Jodasy, dia maniry mafy ny hanasa ny fo tsirairay ho afaka amin’ ny pentin’ ny ota.IFM 709.1
Tsy misy tokony hiala tsy handray anjara amin’ ny fandraisana satria misy tsy mendrika mety hanatrika eo. Antsoina ny mpianatra tsirairay handray anjara ampahibemaso, ary amin’ izany dia ho vavolombelona fa manaiky an’ i Kristy ho Mpamonjin’ ny tenany manokana izy. Amin’ ireny fivoriana ireny, izay notendren’ i Kristy mihitsy no mihaona amin’ ny vahoakan’ i Kristy, ka manome hery azy amin’ ny fanatrehany. Fo sy tanana tsy mendrika mihitsy aza no mety hanao ny fanompoam-pivavahana, ao anefa Kristy manao asa fanompoana ho an’ ny zanany. Izay rehetra manatona amin’ ny finoany mifantoka Aminy dia handray fitahiana be. Izay rehetra manao an-tsirambina ireny fotoana hisian’ ny tombontsoa avy amin’ Andriamanitra ireny dia hizaka fatiantoka. Amin’ izy ireny no hiantefan’ ilay fitenenana hoe : «Tsy madio avokoa hianareo rehetra».IFM 709.2
Tamin’ ny nizaran’ i Kristy ny mofo sy ny divay tamin’ ny mpianany, dia nanome toky azy ireo Izy fa Mpanavotra azy. Nankininy tamin’ izy ireo ny fanekena vaovao, izay hahatonga izay rehetra mandray Azy ho zanak’ Andriamanitra sy mpiara-mandova amin’ i Kristy. Amin’ ny alalan’ io fanekena io, ny fitahiana rehetra izay azon’ ny lanitra arotsaka amin’ ity fiainana ity sy amin’ ny fiainana ho avy, dia azy. Hohamafisin’ ny ran’ i Kristy io asa fanekena io. Ny fampiharana an’ io fanompoam-pivavahana io dia natao hitanana ao an-tsain’ ny mpianatra ilay sorona tsy misy fetra natao ho azy tsirairay avy manokana amin’ ny maha-anisan’ ny taranak’ olombelona lavo manontolo azy.IFM 709.3
Tsy tokony ho fotoana mampalahelo anefa ny fanompoampivavahana fandraisana. Tsy izany no zava-kendreny. Raha nanodidina ny latabany ny mpianatry ny Tompo, dia tsy tokony hamerina ao an-tsainy ny fahalemeny izy ka hitaraina ny amin’ izany. Tsy tokony hijanona ka hihevitra ny amin’ ny fanandramany ara-pivavahana efa lasa izy, na nampisandratra izany na nampalahelo. Tsy tokony hahatsiaro ny fahasamihafana misy aminy sy ny rahalahiny izy. Nahafaoka izany rehetra izany ilay fanompoam-pivavahana fiomanana. Ny fandinihan-tena, ny fiaikena ny fahotana, ny fandravonana ny fahasamihafana, dia samy efa vita daholo. Ankehitriny izy dia tonga hihaona amin’ i Kristy. Tsy tokony hijoro eo amin’ ny aloky ny hazo fijaliana izy, fa eo amin’ ny fahazavany mamonjy. Tokony hanokatra ny fanahiny ho amin’ ny tara-pahazavana mamirapiratry ny Masoandron’ ny Fahamarinana izy. Ny fony voadion’ ny ran’ i Kristy sarobidy indrindra, izy mahatsiaro ny fanatrehany amin’ ny fomba feno, na dia tsy hita aza, amin’ izany no handrenesany ny teniny manao hoe : «Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo ; tsy tahaka ny fanomezan’ izao tontolo izao no fanomeko anareo».IFM 709.4
Miteny ny Tompo : raha mahatsiaro fa nanota ianao, dia tsarovy fa maty ho anao Aho. Rehefa ampahoriana sy enjehina ary mijaly noho ny anarako sy noho ny filazantsara ianao, dia tsarovy ny fitiavako, izay lehibe indrindra ho anao ka nomeko anao ny aiko. Rehefa toa henjana sy sarotra ny adidinao, ka mavesatra hoentina ny entanao, dia tsarovy fa ho anao no niaretako ny hazo fijaliana, ka tsy nitandroko henatra. Rehefa mikainkona ny fonao manoloana ny afon’ ny fitsapana mahamay, dia tsarovy fa velona hanao fifonana ho anao ny Mpanavotra anao.IFM 710.1
Manondro ny fiavian’ i Kristy fanindroany ny fanompoampivavahana fandraisana. Natao izany mba hihazonana io fanantenana io ho velona ao an-tsain’ ny mpianatra. Na oviana na oviana izy ireo no mivory hahatsiaro ny fahafatesany, dia ao an-tsain’ izy ireo indray izany. «nandray ny kapoaka Izy, ka nony efa nisaotra, dia natolony azy ka nataony hoe : Sotroinàreo rehetra ity ; fa ity no rako, dia ny amin’ ny fanekena, izay alatsaka ho an’ ny maro ho famelan-keloka. Ary lazaiko aminareo fa hatramin’ izao dia tsy mba hisotro itony vokatry ny voaloboka itony intsony Aho mandrapiavin’ ny andro hiarahako misotro izay vaovao aminareo any amin’ ny fanjakan’ ny Raiko». Nahitany fampiononana ny fahitany ny fanantenana ny fiverenan’ ny Tompony tao amin’ ny ady mafy natrehiny. Sarobidy aminy tokoa mihoatra noho izay azo eritreretina ity fisainana ity : «Fa na oviana na oviana hianareo mihinana itony mofo itony, sy misotro amin’ ny kapoaka. dia manambara ny fahafatesan’ ny Tompo hianareo mandra-piaviny».IFM 710.2
Zavatra tsy tokony hohadinointsika mihitsy ireo. Ny fitiavan’ i Jesosy. sy ny heriny manery antsika, dia tokony hotehirizina ho ao amin’ ny fitadidiantsika. Natsangan’ i Kristy io fanompoampivavahana io mba hitenenany amin’ ny retsika ao amintsika ny fitiavan’ Andriamanitra izay nambara ho antsika. Tsy mety hisy firaisana amin’ ny fanahintsika sy Andriamanitra raha tsy amin’ ny alalan’ i Kristy. Tsy maintsy ny fitiavan’ i Jesosy no mampiraikitra sy mahatonga ho mandrakizay ny firaisana sy ny fitiavana eo amin’ ny mpirahalahy avy. Ary tsy misy afa-tsy ny fahafatesan’ i Kristy no mahatonga ny fitiavany hisy asany ho antsika. Ny fahafatesany ihany no ahazoantsika mibanjina ny fiaviany fanindroany amim-pifaliana. Foiben’ ny fanantenantsika ny sorona nataony. Tsy maintsy hifantoka amin’ izany ny finoantsika.IFM 711.1
Heverina loatra ho fombafomba ny fanompoam-pivavahana izay manondro ny fietrena sy ny fijalian’ ny Tompontsika. Misy antony ny nanorenana azy. Ilàna ny hamohazana ny retsika eo amintsika mba hamikirana ny zava-miafin’ ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra. Tombon-tsoa ho an’ ny rehetra mihoatra lavitra noho izay ataontsika, ny mahazo ny dikan’ ny fijalian’ i Kristy ho fanavotana antsika. «Ary tahaka ny nanandratan’ i Mosesy ny menarana tany an-efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak’ olona, mba hanana fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy». Ny hazo fijalian’ i Kalvary, mitondra Mpamonjy efa ho faty no tsy maintsy hobanjinintsika. Ny tombon-tsoantsika mandrakizay dia mitaky ny hanehoantsika finoana an’ i Kristy.IFM 711.2
Niteny ny Tompo hoe : «Raha tsy mihinana ny nofon’ ny Zanak’ olona sy misotro ny rany hianareo, dia tsy manana fiainana ao aminareo . . . Fa ny nofoko no tena fihinana, ary ny rako no tepa fisotro». Marina izany eo amin’ ny tenantsika ara-batana. Ny fahafatesan’ i Kristy no ahazoantsika na dia ity fiainana ara-nofo ity aza. Ny mofo izay hanintsika dia voavidin’ ny tenany torotoro. Novidin’ ny rany nifatsitsitra ny rano sotrointsika. Tsy misy mihitsy olo-masina iray na mpanota, mihinana ny sakafony isan’ andro, ka tsy velomin’ ny tenan’ i Kristy sy ny rany. Vita fitomboka amin’ ny ravinkazo tsirairay ny hazo fijalian’ i Kalvary. Mitaratra eo amin’ ny loharano rehetra izany. Izany rehetra izany no nampianarin’ i Kristy raha nanondro ny tandindon’ ny sorona lehibe nataony Izy. Mahatonga ny sakafontsika amin’ ny fiainana andavanandro ho masina ny fahazavana mamirapiratra avy amin’ io fanompoam-pivavahana fandraisana tao amin’ ny efitra ambony io. Manjary toy ny latabatry ny Tompo ny latabatry ny fianakaviana, ary hosotra masina ny sakafo tsirairay.IFM 711.3
Marina mihoatra lavitra manao ahoana ny tenin’ i Kristy momba ny ara-panahintsika. Hoy Izy : «Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no manana fiainana mandrakizay». Ny fandraisana ny fiainana izay nalatsaka ho antsika teo amin’ ny hazo fijalian’ i Kalvary, no ahazoantsika mivelona amin’ ny fiainan’ ny fahamasinana. Ary io fiainana io dia raisintsika amin’ ny fandraisana ny teniny, amin’ ny anaovana ny zavatra izay nobaikoiny. Amin’ izay dia manjary iray Aminy isika : «Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako, hoy Izy, no mitoetra ao Amiko, ary Izaho kosa ao aminy. Ary tahaka ny nanirahan’ ny Ray velona Ahy, ary Izaho koa velona amin’ ny Ray, dia tahaka izany koa, izay mihinana Ahy no ho velona Amiko». Ampiharina amin’ ny heviny manokana amin’ ny fandraisana masina io teny io. Raha mibanjina ny sorona lehibe nataon’ ny Tompontsika ny finoana, dia mandray ny fiainan’ i Kristy ara-panahy ho azy ny fanahy. Handray hery ara-panahy avy amin’ ny fandraisana rehetra io fanahy io. Miteraka firaisana velona ny fanompoam-pivavahana izay mampifamatotra ny mpino amin’ i Kristy ary amin’ izany dia mampifamatotra azy amin’ ny Ray. Miteraka fifandraisana amin’ ny heviny manokana amin’ ny olombelona mila fiankinana sy amin’ Andriamanitra izany.IFM 712.1
Raha mandray ny mofo sy ny divay tandindon’ ny tenan’ i Kristy torotoro sy ny rany nifatsitsitra isika, dia miray amin’ ny eritreritra amin’ ny fifandraisana tao amin’ ny efitra ambony. Toa mandeha mamakivaky ilay saha nohamasinin’ ny ady mihatra aman’ aina niaretan’ Ilay nitondra ny fahotan’ izao tontolo izao isika. Manatri-maso ny tolona izay nahazoana ny fampihavanana antsika tamin’ Andriamanitra isika. Aseho Kristy homboina amin’ ny hazo fijaliana eo anivontsika.IFM 712.2
Rehefa mibanjina Ilay Mpanavotra voahombo isika, dia azontsika amin’ ny fomba feno kokoa ny halehibe sy ny dikan’ ny sorona nataon’ Ilay Andrianan’ ny lanitra. Omem-boninahitra eo anoloantsika ny drafitry ny fanavotana, ka mamohafoha fihetseham-po velona sy masina ao am-pontsika ny fieritreretana an’ i Kalvary. Ho ao am-pontsika sy eo am-bavantsika ny fiderana an’ Andriamanitra sy ny Zanak’ ondry ; satria tsy afaka manjaka ao amin’ ny fanahy izay mitahiry ny fisehoan-javatra tao Kalvary ho velona ao amin’ ny fitadidiany ny avonavona sy ny fideran-tena.IFM 713.1
Izay mibanjina ny fitiavan’ ny Mpamonjy tsy misy toa azy, dia hasandratra ny sainy, hodiovina ny fony, hovana ny toetra amampanahiny. Handroso izy ho fahazavana ho an’ izao tontolo izao, hitaratra amin’ ny ambaratonga hafa indray io fitiavana zary miafina io. Arakaraka ny hibanjinantsika ny hazo fijalian’ i Kristy dia arakaraka izany no handraisantsika ny tenin’ ny apostoly ho antsika amin’ ny fomba feno kokoa, raha hoy izy hoe : «Fa sanatria raha misy hataoko rehareha afa-tsy ny hazo fijalian’ i Jesosy Kristy Tompontsika, izay maha-voahombo izao tontolo izao amiko, ary izaho kosa, raha ny amin’ izao tontolo izao».IFM 713.2