Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Ilay Fitiavana Mandresy - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 3—Tonga ny fotoan’andro

    «Fa rehefa tonga ny totoan’ andro, dia nirahin’ Andriamanitra ny Zanany . . . (hanavotra) izay ambanin’ ny lalàna, mba handraisantsika ny fananganan’ anakaw»1Gal.4: 4,5.IFM 25.1

    Voalaza mialoha tany Edena ny fiavian’ ny Mpamonjy. Rehefa ren’ i Adama sy Eva tamin’ ny voalohany ny teny fikasana, dia nanantena izany ho tanteraka vetivety izy. Noraisiny tamim-pifaliana ny zanany lahimatoa. ary nantenainy fa izy no ho Mpagafaka. Naharitra ela anefa ny fahatanterahan’ ny teny fikasana. Maty tsy nahita izany ireo izay nandray azy voalohany. Hatramin’ ny andron’ i Enoka dia naverimberina tamin’ ny alalan’ ireo patriarka sy mpaminany ny teny fikasana, ka namelombelona hatrany ny fanantenana ny amin’ ny fisehoany, nefa mbola tsy tonga Izy. Nasehon’ ny faminanian’ i Daniela ny fotoana iaviany ; tsy ny rehetra anefa no nahazo ny hafatra araka izay izy. Lasa nifandimbindimby ny taonjato ; nangina ny feon’ ny mpaminany. Nitambesatra tamin’ ny Isiraely ny tanan’ ireo mpanao tsindry hazo lena, koa betsaka no efa niteny hoe : «Mihaela ny andro, ary tonga tsinontsinona ny fahitana rehetra» 2Ezek.12:22..IFM 25.2

    Nefa tahaka ireo kintana mihodinkodina eo amin’ ny lalana midadasika nofaritana ho azy, dia tsy mirotoroto na mitaredretra ny fikasan’ Andriamanitra. Tamin’ ny alalan’ ny tandindona nasehon’ ny haizina mikitroka sy ny fatana fandoroana mivoa- tsetroka no nanambaran’ Andriamanitra tamin’ i Abrahama ny fanandevozana ny Isiraely tany Egypta, sy nilazany fa haharitra efa-jato taona ny hitoerany any. «Ary rehefa afaka izany, hoy Izy, dia hivoaka mitondra harem-bevava izy»3Gen. 15: 14. Ho very maina ny ady ataon’ ny fahefana rehetra teo amin’ ny fanjakana mireharehan’ i Farao hanoherana izany teny izany. «Tamin’ izany andro izany indrindra. izay voalazan’ ny teny fikasan’ Andriamanitra. no nivoahan’ ny antokony rehetra izay an’ i Jehovah tamin’ ny tany Egypta»4Eks. 12: 41.Toy izany koa. efa tapaka tao amin’ ny filan-kevitry ny lanitra ny ora iavian’ i Kristy. Rehefa nanondro io ora io ny famantaranandro, dia teraka tany Betlehema Jesosy.IFM 25.3

    «Rehefa tonga ny fotoan’ andro dia nirahin’ Andriamanitra ny Zanany». Ny fitondran’ Andriamanitra no nitarika ny fizotry ny firenena sy ny fisamontan’ ny fìhetseham-pon’ olombelona sy ny hery miasa mangina avy aminy. mandra-pahamasak’ izao tontolo izao ho amin’ ny fiavian’ Ilay Mpanafaka. Tafaray tao amin’ ny fitondram-panjakana tokana ny firenena. Nisy fiteny iray nampiasaina tamin’ ny toerana betsaka, ary nekena hatraiza hatraiza ho fiteny fampiasa amin’ ny haisoratra izany. Nivory tao Jerosalema hanatrika ny andro firavoravoana fanao isan-taona ireo Jiosy niely tany amin’ ny tany rehetra. Rehefa niverina tany amin’ ny toerana nisy azy ireo. dia afaka nampiely ny vaovao momba ny fiavian’ ny Mesia eran’ izao tontolo izao.IFM 26.1

    Tamin’ izany fotoana izany dia tsy nanan-kery firy tamin’ ny vahoaka intsony ny rafitra nisy teo amin’ ny fivavahana jentilisa. Valalanin’ ny tantara sy ny angano ny olona. Naniry mafy ny fivavahana izay mety hahafa-po ny fanahiny izy. Toa niala teo amin’ ny olona ny fahazavan’ ny fahamarinana, nefa nisy fanahy izay nitady fahazavana ary feno fahaverezan-kevitra sy alahelo. Nangetaheta fahalaiana ny amin’ Andriamanitra velona izy, sy fanomezan-toky momba ny fiainana any ankoatry ny fasana.IFM 26.2

    Rehefa niala tamin’ Andriamanitra ny Jiosy, dia nihamatromatroka ny finoana, ary efa saiky nitsahatra tsy hanazava intsony ny ho avy ny fanantenana. Tsy azo ny dikan’ ny tenin’ ny mpaminany. Zava-miafina mahatahotra ny fahafatesana teo amin’ ny sarambabem-bahoaka; mampisalasala sy manjombona ny any ankoatra. Tsy ny fitarainan’ ny reny tao Betlehema fotsiny. fa ny fitarainana sy ny finanananan’ ny fon’ ny taranak’ olombelona manontolo koa no nentina teo amin’ ny mpaminany nanavatsava ny taonjato nifandimby, — dia ilay feo re tao Rama, «dia fidradradradrana sy fitomaniana fatratra. Rahely nitomany ny zanany, ary tsy azo nampiononina izy, satria lany ritra ireny»5Mat. 2: 18.IFM 26.3

    Tsy azo ampiononina ny olona izay nitoetra tao amin’ ny aloky ny fahafatesana. Manina dia manina ny fijeriny mibanjina ny tiavian’ Hay Mpanafaka, raha hisava ny haizina. ary hazava ny zava-miafina momba ny ho avy.IFM 27.1

    Nisy olona tsy tao amin’ ny firenena jiosy nanambara mialoha ny fisehoan’ ny mpampianatra avy amin’ Andriamanitra. Nikatsaka ny fahamarinana ireny olona ireny ka nomena azy ny Fanahy Izay nanindry mandry azy. Nifandimby tahaka ny kintana eny amin’ ny lanitra anaty haizina ny fisehoan’ ny mpampianatra toy izany. Nampitsiry fanantenana tao am-pon’ ny olona an’ arivony tany amin’ izao tontolo izao jentilisa ny teny faminaniana nentiny.IFM 27.2

    Efa an-jato taona maro no nandikana ny Soratra Masina tamin’ ny teny Grika. izay nampiasaina hatraiza hatraiza nanerana ny fanjakana Romana. Niparitaka hatraiza hatraiza ny Jiosy. koa nisy jentilisa niray fanantenana taminy momba ny fiavian’ ny Mesia. Teo amin’ ireo izay nataon ny Jiosy hoe mpanompo sampy dia nisy olona izay nahatakatra bebe kokoa ireo faminaniana tao amin’ ny Soratra Masina mikasika ny Mesia mihoatra noho ireo mpampianatra tao amin’ ny Isiraely. Nisy nanantena ny fiaviany amin’ ny mahampanafaka ny fahotana Azy. Niezaka ny handinika ireo zavamiafin’ ny fanompoam-pivavahana hebreo ireo mpanao «filozòfia». Nefa nanakana ny fiparitahan’ ny fahazavana ny fitompoan-teny fantatra nasehon’ ny Jiosy. Satria nokasain’ izy ireo ny hitana izay mampisaraka azy amin’ ny firenena hafa, dia tsy nampazoto azy ny hizara ny fahalaiana mbola nananany mikasika ny fanompoampivavahana ara-tandindona. Tsy. maintsy ho avy Ilay tena Mpanazava izany marina. Ilay nasehon’ ireo tandindona rehetra ireo no tsy maintsy hanazava ny dikany.IFM 27.3

    Niteny tamin’ izao tontolo izao Andriamanitra tamin’ ny alalan’ ny zava-boahary, tamin’ ny alalan’ ny tandindona sy sary aman’ ohatra, tamin’ ny alalan’ ny patriarka sy mpaminany. Misy lesona tsy maintsy homena ny taranak’ olombelona amin’ ny fitenin’ olombelona. Tsy maintsy hiteny Ilay Iraky ny fanekena. Tsy maintsy ho re ao amin’ ny tempoliny ny feony. Tsy maintsy ho avy Kristy hila/.a teny ho azo mazava tsara tsy hisy hisalasalana. Ilay niavian’ ny fahamarinana no tsy maintsy hampisaraka ny marina sy ny akofa eo amin’ ny teny lazain’ ny olona, izay nahatonga ny fahamarinana ho tsy nisy asany. Tsy maintsy faritana mazava tsara ireo foto-kevitry ny fanjakan’ Andriamanitra sy ny drafitry ny famonjena. Tsy maintsy haseho amin’ ny fahafenoany ireo lesona ao amin’ ny Test amenta Taloha.IFM 27.4

    Teo amin’ ireo Jiosy dia mbola nisy fanahy nifahatra tsara, taranak’ ireo olo-masina izay nitahiry ny fahalaana an’ Andriamanitra. Mbola nibanjina ilay fanantenana momba ny teny fikasana natao tamin’ ny razambeny izy ireo. Nampahery ny finoany ny fitoerany teo amin’ ilay toky nomena tamin’ ny alalan’ i Mosesy hoe : «Mpaminany no hatsangan’ i Jehovah Andriamanitra ho anareo avy amin’ ny rahalahinareo, tahaka ahy ; izy no hohenoinareo amin’ izay rehetra holazainy aminareo» 6Asa 3 : 22. Izao koa no novakiany mikasika ny fomba hanosoran’ i Jehovah Ilay «hitory teny soa mahafaly amin’ ny mpandefitra». Ilay «hahasitrana ny torotoro fo», ary hitory fanafahana amin’ ny babo sy hamoaka ny ao an-tranomaizina», ary hitory taona ankasitrahan’ i Jehovah» 7Isa. 61 : 1, 2. Novakiany ny fomba hanorenany «ny rariny amin’ ny tany». novakiany fa «hiandry ny lalàny» ny nosy, ny «firenena» manatona ny fahazavany ary ny mpanjaka mankeo amin’ ny famirapiratan’ ny fiposahany» 8Isa. 42 : 4 ; 60 : 3.IFM 28.1

    Nahafeno fanantenana azy ny tenin’ i Jakoba raha efa ho faty izy nanao hoe : «Ny tehim-panjakany tsy hiala amin’ i Joda na ny tehina fanapahana eo anelanelan’ ny tongony, mandra-pahatongan’ i Silo»9Gen. 49 : 10. Vavolombelon’ ny maha-antomotra ny fiavian’ ny Mesia ny fihilanan’ ny fahefan’ ny Isiraely. Ny faminanian’ i Daniela dia naneho an-tsary ny voninahitry ny fanjkana’ ny Mesia amin’ ny fanjakana izay tokony handimby ny fanjakana rehetra eto an-tany ; ary hoy ny mpaminany hoe : «izay tsy ho rava mandrakizay» 10Dan. 2 : 44. Vitsy no nahazo ny tena toetry ny asa nanirahana an’ i Kristy, nefa nitatra hatraiza hatraiza ny fanantenana ny fiavian’ Ilay Andriandehibe izay hanorina ny fanjakany ao amin’ ny Isiraely, sy ho avy, amin’ ny maha-Mpanafaka ny firenena Azy.IFM 28.2

    Tonga ny fotoan’ andro. Niantso ny fiavian’ ny Mpanavotra ny taranak’ olombelona izay nitotongana hatrany nandritra ireo taona maro nifandimby izay nandikany ny lalàna. Efa niasa mafy i Satana ahatonga ny hantsana manelanelana ny tany sy ny lanitra ho lalina ka tsy azo hiampitana. Nitarika ny olona ho sahisahy amin’ ny ota izy tamin’ ny alalan’ ny hevi-diso natsofony. Ny zavatra nokendreny dia ny hahavalaka ny faharipon’ Andriamanitra sy ny hahalevona ny fitiavany ny olombelona ka havelany eo ambanin’ ny fahefan’ i Satana.IFM 28.3

    Nokatsahin’ i Satana izay hanakanana ny olona tsy hahalala an’ Andriamanitra sy izay hampitodika ny sainy tsy hijery ny tempolin’ Andriamanitra. ary izay hampiorina ny fanjakany. Toa saiky efa nahomby tanteraka ny ady nataony handraisany ny fahefana fara-tampony. Marina fa manana ny olona ampiasainy Andriamanitra amin’ ny taranaka rehetra. Na dia teo amin’ ny mpanompo sampy aza dia nisy olona niasan’ i Kristy mba hanandratra ny vahoaka hiala amin’ ny fahotany sy ny fitotonganany. Nefa nohamavoina sy nankahalaina ireny olona ireny. Betsaka tamin’ izy ireo no nizaka fahafatesana mahatsiravina. Ny aloka mainty izay nasaron’ i Satana an’ izao tontolo izao dia niha-maizina hatrany.IFM 29.1

    Tamin’ ny alalan’ ny fanompoan-tsampy no nanodinan’ i Satana ny olona hanalavitra an’ Andriamanitra nandritra ny taona maro nifandimby : fa ny fandresena lehibe azony dia tamin’ ny nanimbany ny finoan’ ny Isiraely. Ny fibanjinany sy ny fankalazany ny hevitry ny tenany no nahavery ny fahalaiana an’ Andriamanitra teo amin’ ny mpanompo sampy, ka niharatsy sy niharatsy hatrany izy ireo. Toy izany koa tamin’ ny Isiraely. Ny foto-kevitra nilaza fa mahavonjy ny tenany ny olona amin’ ny alalan’ ny asany no fototra iorenan’ ny fivavahana mpanompo sampy rehetra ; ankehitriny dia nanjary fotokevitra iorenan’ ny fivavahana jentilisa izany. Satana no efa nampitoetra io foto-kevitra io. Na aiza na aiza ijoroan’ izany dia tsy misy fefy miaro ny olona amin’ ny fahotana.IFM 29.2

    Tamin’ ny alalan’ ny olombelona no nampitana ny hafatry ny famonjena tamin’ ny olona. Nefa nataon’ ny Jiosy izay aha-tompon’ izy ireny ny fahamarinana izay fiainana mandrakizay. Nangoniny sy notehiriziny ny mana velona ka simba. Nanjary fanafintohinana ny fivavahana izay niezahany hotazonina ho azy samirery. Nandroba an’ Andriamanitra tamin’ ny voninahiny izy, ka namitaka an’ izao tontolo izao tamin’ ny alalan’ ny filazantsara sandoka. Efa nandà ny hilefitra amin’ Andriamanitra izy ho famonjena an’ izao tontolo izao, ka nanjary fiasan’ i Satana ho fandravana azy.IFM 29.3

    Ny vahoaka izay efa nantsoin’ Andriamanitra mba ho andry sy ho fototra iorenan’ ny fahamarinana, dia nanjary solontenan’ i Satana. Nanao ny asa tian’ i Satana ataony izy ary nanana fihetsika izay nandiso ny toetra amam-panahin’ Andriamanitra ka nahatonga an’ izao tontolo izao hihevitra Azy ho tsy refesi-mandidy. Ireo mpisorona koa aza. izay nanao fanompoam-pivavahana tao amin’ ny tempoly dia nanary ny dikan’ ny fanompoam-pivavahana notanterahiny. Nijanona tsy nijery ny tena zavatra an-koatry ny tandindona izy. Tahaka ny mpilalao an-dapihazo izy raha nitondra ny fanatitra natao sorona. Ny baiko nomen’ Andriamanitra mihitsy aza dia nanjary fomba nanamaizina ny saina sy nanamafisana ny fo. Tsy misy na inona na inona intsony azon’ Andriamanitra atao amin’ ny alalan’ ireo fantsona ireo. Tsy maintsy ho foanana ny rafitra manontolo.IFM 30.1

    Tonga amin’ ny fara-tampony ny fitaka nataon’ ny fahotana. Niditra an-tsehatra avokoa ny fiasana rehetra mba hanimba ny fanahin’ ny olona. Raha nijery an’ izao tontolo izao ny ZanakAndriamanitra, dia fahoriana sy fahantrana no hitany. Tamimpangorahana no nahitany ny fomba nahatonga ny olona ho hazan’ i Satana ka nampahoriany fatratra. Nahonena Azy ny nijery ireo izay nanjary ratsy fanahy, izay novonoina sy very. Efa nifidy mpifehy izay namatotra azy tamin’ ny gadra teo amin’ ny kalesiny toy ny babo izy. Very hevitra sy voafitaka izy raha nandroso hitanjozotra ho any amin’ ny fandringanana mandrakizay, — ho amin’ ny fahafatesana izay tsy misy fanantenan’ ny fiainana, ho amin’ ny alina izay tsy dimbiasan’ ny maraina. Nampidirina hiara-miasa amin’ ny olona ny anjelin’ i Satana. Nanjary fonenan’ ny demonia ny tenan’ ny olombelona izay natao itoeran’ Andriamanitra. Niasa tamin’ ny retsika samihafa. tamin’ ny hozatra, tamin’ ny fihetseham-po mahery vaika, tamin’ ny taovan’ ny olombelona ireo anjely manankery ambonin’ ny an’ ny olombelona ka nampanaram-po ny fironana ambany indrindra. Ny mariky ny demonia mihitsy no voapetaka teo amin’ ny tavan’ ny olona. Nitaratra ny endrik’ ireo legionan’ ny ratsy izay nameno azy ny tarehin’ ny olombelona. Toy izany no fanombatombanana nobanjinin’ Ilay Mpanavotra an’ izao tontolo izao. Toe-javatra manao ahoana re izany eo imason’ Ilay Fahadiovana tsy manam-petra !IFM 30.2

    Nanjary «siansa» ny fahotana, ary natokana ho anisan’ ny fivavahana ny toetra ratsy. Latsaka lalina tao am-po ny fakan’ ny fikomiana, ary nahery vaika indrindra ny fandrafian’ ny olombelona ny lanitra. Naseho mazava teo anatrehan’ izao tontolo izao. fa raha misaraka amin’ Andriamanitra ny taranak’ olombelona dia tsy tafasandratra. Tsy maintsy misy aina sy hery vaovao hozarain’ Ilay nanao an’ izao tontolo izao.IFM 30.3

    Liana dia liana tokoa ireo izao tontolo izao tsy lavo nanaramaso raha hitsangana Jehovah, ka hanao indray mifafa ny mponin’ ny tany. Raha nanao izany Andriamanitra. dia vonona i Satana hanatanteraka ny drailtra nataony mba hahazoany antoka ny fanarahan’ ny mponin’ ny lanitra azy. Efa nambarany la ny foto-kevitra iorenan’ ny fanjakan’ Andriamanitra dia mahatonga ny famelan-keloka ho tsy azo tanterahina. Raha noravana izao tontolo izao, dia ho azony natao ny nilaza fa mitoetra ny fiampangany. Vonona ny hanome tsiny an’ Andriamanitra izy. sy hanitatra ny tikomiana any amin’ ireo izao tontolo izao any ambony. Nefa tsy nandrava an’ izao tontolo izao Andriamanitra, fa nirahiny ny Zanany hamonjy azy. Na dia faharatsiana sy tsy fitokisana aza no hita teo amin’ io faritany nanalavitra Azy io, dia nisy lalana nomanina mba hamerenana azy. Tamin’ ny fotoan-tsarotra indrindra. izay toa handresen’ i Satana. dia tonga ny Zanak’ Andriamanitra nitondra ny fahasoavan’ Andriamanitra. Tamin’ ny andro rehetra, tamin’ ny ora rehetra. dia efa niasa ho an’ ny taranaka lavo ny fitiavan’ Andriamanitra. Na dia teo aza ny faharatsian’ ny olombelona. dia naseho mazava hatrany ny fanambaran’ ny famindrampo. Koa rehefa tonga ny fotoan’ andro, dia nomem-boninahitra Ilay Andriamanitra tamin’ ny nampitosahana teo amin’ izao tontolo izao ny riam-pahasoavana manasitrana izay tsy ho voasakana na oviana na oviana. na hajanona mandra-pahatanteraka ny drafitry ny famonjena.IFM 31.1

    Nibitaka i Satana satria nahomby izy teo amin’ ny nanimbany ny endrik’ Andriamanitra teo amin’ ny taranak’ olombelona. Tonga ary Jesosy namerina ny endrik’ Ilay Mpanao azy teo amin’ ny olombelona. Tsy misy afa-tsy Kristy irery ihany ho afaka hamolavola indray ny toetra amam-panahy izay ravan’ ny fahotana. Tonga Izy handroaka ny demonia izay efa nifehy an’ izao tontolo izao. Tonga Izy hanandratra antsika hiala amin’ ny vovoka, hanamboatra indray ny toetra amam-panahy efa simba ho araka ny ohatry ny toetra amam-panahin’ Andriamanitra, ka hahatonga azy hanana ny hatsaran-tarehin’ ny voninahitry ny tenany.IFM 31.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents