Toko 39—Omeonareo hanina izy
Nankeo amin’ ny toerana mitokantokana niaraka tamin’ ny mpianany Kristy, nefa vetivety dia tapaka io fotoana tsy fahita firy nisian’ ny fahanginana feno fiadanana io. Noheverin’ ny mpianatra fa nitokana teo amin’ ny toerana tsy hahavoakotaba azy izy ; nefa raha vantany vao nisaraka tamin’ Ilay Andriamanitra Mpampianatra ny vahoaka, dia nanontany sahady hoe : «Aiza Izy ?» Nisy nahatsikaritra ny nandehanan’ i Kristy sy ny mpianany. Betsaka no nandeha an-tanety hitsena Azy, fa ny sasany kosa nandeha tamin’ ny sambony niampita ny rano. Akaiky ny Paska tamin’ izay, ary avy lavitra sy akaiky, dia nisy antokon’ olona mpivahiny nandeha ho any Jerosalema ary niara-dia mba hahita an’ i Jesosy. Nitombo ihany ny asany, mandra-pahavorian’ ny dimy arivo lahy, afa-tsy ny zaza amambehivavy. Talohan’ ny nahatongavan’ i Kristy teo amoron-drano, dia efa nisy vahoaka marobe niandry Azy. Tsy hitan’ izy ireo anefa ny niakarany an-tanety, ary afaka nitokana fotoana kely niaraka tamin’ ny mpianatra Izy.IFM 385.1
Nitazana ny vahoaka sesehena avy teny amin’ ny havoana Izy dia nangoraka ny fony. Na dia voakotaba aza Izy ary tapaka ny fialan-tsasatra nataony, dia tsy nahasosotra Azy izany. Fahantrana lehibe kokoa nitaky ny fikarakarany no hitany raha nijery ny olona tonga ary mbola tonga ihany Izy. Onena Izy, «fa tahaka ny ondry tsy manana mpiandry ireo». Niala teo amin’ izay nitokanany Izy, ka nahita toerana mety hanampiany azy. Tsy nahazo fanampiana avy tamin’ ny mpisorona sy ny mpanapaka izy ireo ; nikoriana avy tamin’ i Kristy kosa ny ranon’ aina mahavelona raha nampianatra ny lalam-pamonjena tamin’ ny vahoaka Izy.IFM 385.2
Nihaino ny tenin’ ny famindrampo nikoriana malalaka dia malalaka avy tamin’ ny vavan’ ny Zanak’ Andriamanitra ny vahoaka. Reny ireo teny feno fahasoavana, tsotra sy mazava indrindra ka tahaka ny balisama avy any Gileada ho an’ ny fanahiny izany. Ny fanasitranana avy tamin’ ny tanan’ ny maha-Andriamanitra Azy dia nitondra fifaliana sy aina ho an’ izay teo ambavahoana, ary nitondra fanamaivanana sy fahasalamana ho an’ izay nijaly tamin’ ny aretina. Toy ny nidina teto an-tany ny lanitra tamin’ iny andro iny, ary tsy tsapany mihitsy ny halavan’ ny fotoana ka tsy tsaroana hatramin’ ny fihinanan-kanina aza.IFM 386.1
Nony ela, hariva ny andro. Nilentika teny andrefana ny masoandro, nefa mbola naharitra teo amin’ ny toerany ihany ny vahoaka. Niasa mafy nandritra ny andro Jesosy, tsy nihinan-kanina na niala sasatra akory. Hatsatra Izy noho ny havizanana sy ny hanoanana, ka niangavy Azy mafy ny mpianatra hampijanona ny asany. Tsy afaka niala tamin’ ny vahoaka nifanizina taminy anefa Izy.IFM 386.2
Farany, nanatona Azy ny mpianatra, ka nanantitrantitra ny hampiravana ny vahoaka noho ny tombontsoan’ izy ireo ihany. Betsaka no avy lavitra, ary tsy nihinana na inona na inona hatramin’ ny maraina. Mety ho afaka mividy hanina eny amin’ ny tanàna sy ny vohitra manodidina izy. Nefa hoy Jesosy hoe : «Omeonareo hanina izy», dia nitodika tany amin’ i Filipo Izy ka nanontany azy hoe: «Aiza no hividianantsika mofo hohanin’ ireo ?» Nolazainy izany mba hisedrana ny finoan’ ny mpianatra. Notazanin’ i Filipo ireto lohan’ olona marobe toa ranomasina ny fijery azy ka nihevitra izy fa tsy ho azo atao ny hanomana sakafo hahafapo izay ilain’ ny vahoaka be tahaka izao. Namaly izy fa na dia mofo vidina denaria roan-jato aza tsy ampy azy rehetra hananany kely avy. Nanontanian’ i Jesosy ny habetsahan’ ny sakafo mety ho hita eo amin’ ny olona. «Misy zazalahy aty, hoy Andrea, manana mofo vary hordea dimy sy hazandrano madinika roa, fa ho ampy inona moa izany amin’ izao olona betsaka izao ?» Nasain’ i Jesosy nentina teo Aminy izany. Dia nobaikoiny ny mpianatra hampipetraka ny olona amin’ ny ahitra ho antokony dimam-polo na zato mba hisian’ ny filaminana, ka samy ho vavolombelon’ izay hataony ny olona rehetra. Rehefa vita izany, dia noraisin’ i Jesosy ny sakafo, dia «niandrandra ny lanitra Izy, ka nanaovany fisaorana ireo, dia novakiny ka natolony ny mpianany harosony eny anoloan’ ny vahoaka». «Ary samy nihinana avokoa ny olona rehetra ka voky. Ary nangoniny izay sombintsombin’ ny mofo sy ny hazandrano, ka nahafeno harona roa ambin’ ny folo».IFM 386.3
Ilay nampianatra ny olona ny lalana ahazoana antoka ny fiadanana sy ny fahasambarana dia sady nihevitra izay ilaina eo amin’ ny ara-nofo tahaka izay ilaina koa eo amin’ ny ara-panahy. Vizana sy reraka ny vahoaka. Tao ny reny nitondra ny zanany teny an-trotroany, ary ny zaza madinika nifikitra tamin’ ny akanjony. Betsaka no nijoro nandritra ny ora maro. Liana dia liana nihaino ny tenin’ i Kristy izy ka tsy tonga tao an-tsainy akory ny hipetraka, ary be dia be koa ny vahoaka ka mety ho nifanitsaka izy ireo ka nitera-doza. Tian’ i Jesosy ny hanome azy fotoana ahazoany miala sasatra ka dia nampipetraka azy Izy. Nisy ahitra betsaka teo amin’ io toerana io, ka samy afaka niala sasatra tsara ny rehetra.IFM 387.1
Tsy nanao fahagagana mihitsy Kristy raha tsy ny hanomezana zavatra tena ilaina marina; ary ny fahagagana rehetra dia nanana toetra mahatarika ny olona ho eo amin’ ny hazon’ aina, izay fanasitranana ny firenena rehetra ny raviny. Ilay sakafo tsotra izay nasaina nozarain’ ny mpianatra, dia nirakitra fitambaran’ ny lesona sarobidy. Sakafo tsotra no nomanina, sakafo andavan’ andron’ ny mpanarato nanodidina ny Ranomasin’ i Galilia ny hazandrano sy ny mofo vary hordea. Azon’ i Kristy natao ny nanolotra sakafo sarobidy ny vahoaka nefa raha sakafo natao hanomezana fahafahampo ny hatendan-kanina fotsiny dia tsy ho afaka nifono ny lesona hahasoa ny olona. Nampianarin’ i Kristy azy tao amin’ ity lesona ity fa efa simba ny sakafo voajanahary izay nomanin’ Andriamanitra ho an’ ny olombelona. Koa tsy mbola nahita mihitsy fifaliana tamin’ ny sakafo miaingitraingitra natao hanomezana fahafahampo ny lela efa simba ny vahoaka toy ny fifaliana hitany teo amin’ ny fialan-tsasatra sy ny sakafo tsotra izay nomanin’ i Kristy tamin’ ny toerana lavitry ny fonenan’ ny olona.IFM 387.2
Raha tsotra ny olona ankehitriny eo amin’ ny fahazarany, ka mivelona mifandrindra amin’ ny lalàn’ ny zava-boahary, tahaka an’ i Adama sy Eva tany am-boalohany, dia hisy betsaka ny zavatra ilaina hampisinda ny fahasahiranana mianjady amin’ ny fianakaviain ny olombelona. Ho vitsy kokoa ny zavatra ilaina an’ eritreritra fotsiny, ary ho be kokoa ny fotoana mety hiasana araka ny lalàn’ Andriamanitra. Ny fitiavan-tena sy ny fampanaranam-po ny fitiavanjavatra tsy voajanahary, dia nitondra fahotana sy fahoriana eto amin’ izao tontolo izao. Ary izany no mahatonga fanaranam-po tafahoatra etsy ankilany sy ny tsy fahampiana etsy andaniny.IFM 387.3
Tsy nitady izay hisarihana ny vahoaka ho eo Aminy Jesosy tamin’ ny fanomezana fahafahampo ny faniriany fahafinaretana haingitraingitra. Ho an’ ity vahoaka be ity, izay sasatra sy noana taorian’ iny andro lavabe nandreraka azy iny, dia sakafo tsotra no sady hahazoany hery no hahafahana ikarakarana azy amim-pitiavana koa teo amin’ ny zavatra ilaina eo amin’ ny fiainana andavanandro ; mety ho tsotra ny sakafon’ izy ireo, ary kely loatra aza; mety ho voafetran’ ny fahantrana ny anjarany; nefa nahazo toky izy fa homena azy izay ilainy, ary nampanantenaina azy koa izay tsara lavitra noho izay soa indrindra eto amin’ izao tontolo izao, — dia ny fahafahampo vokatry ny fanatrehany.IFM 388.1
Tamin’ ny namahanan’ i Jesosy ny olona dimy arivo, dia ningainy ny lamba nanarona ny toetran’ izao tontolo izao, ka nasehony ny hery izay miasa mandrakariva hahasoa antsika. Manao fahagagana isan’ andro Andriamanitra eo amin’ ny fanomezany ny vokatry ny tany. Tanteraka amin’ ny alalan’ ny zava-boahary ampiasainy ny asa nataony tamin’ ny namelomany ny vahoaka marobe. Mamboatra ny tany ny olona ka mamafy ny voa, fa ny aina avy amin’ Andriamanitra no nahatonga ny voa hitsiry. Ny orana sy ny rivotra ary ny tanamasoandron’ Andriamanitra no mahatonga azy «voalohany misy tahony, dia teraka, ary rehefa izany, dia feno voa» . Andriamanitra no mamelona ny olona an-tapitrisany maro isan’ andro avy amin’ ny vokatry ny tany eny an-tsaha. Nantsoina hiaramiasa amin’ Andriamanitra ny olona eo amin’ ny fikarakarana ny voa sy ny fanomanana ny mofo, ary noho izany dia very teo imasony ny fitiavana ampiasain’ Andriamanitra. Tsy omeny an’ Andriamanitra ny voninahitra mendrika ny anarany masina. Lazaina fa voajanahary na avy amin’ ny asan’ ny olombelona ny asan’ ny herin’ Andriamanitra. Ny olona no omem-boninahitra fa tsy Andriamanitra, ary simbany ny fanomezana feno fahasoavana amin’ ny fampiasany azy amim-pitiavan-tena, ka manjary ozona fa tsy fitahiana. Mitady ny hanova izany rehetra izany Andriamanitra. Tiany raha velombelomina ny saintsika efa donto ka hahafantatra ny fahalemem-panahiny sy ny famindrampony ka hankalaza Azy noho ny fiasan’ ny heriny. Tiany raha hitantsika eo amin’ ny fanomezana ataony Izy, mba ho tonga fitahiana ho antsika ireny, araka ny nikasany azy rahateo. Ny hanatanteraka io fikasana io no nanaovan’ i Kristy fahagagana. Rehefa voafahana ny vahoaka, dia nisy ambiny betsaka ny sakafo. Nefa hoy Ilay afaka mibaiko ny haren’ ny hery tsy misy fetra rehetra: «Angony ny sisa tsy lany mba tsy hisy ho very». Midika mihoatra noho ny fametrahana ny mofo ao anatin’ ny harona izany. Roa sosona ny lesona. Tsy misy na inona na inona tokony holanilaniana foana. Tsy msiy tombon-tsoa ara-nofo tokony havelantsika ho verivery foana. Tsy misy na inona na inona tokony hataontsika an-tsirambina izay mety hitondra soa ho an’ ny olombelona. Aoka hangonina izay rehetra hanamaivanana ny fahasahiranan’ ny noana ara-nofo. Ary tokony hisy koa fikarakarana toy izany ny amin’ ny ara-panahy. Rehefa voangona ny harona nisy ny sombintsombiny, dia nahatsiaro ny namany tany an-tranony ny olona. Niriny ny hizara aminy ny mofo izay notahin’ i Kristy. Nozaraina tamin’ ny vahoaka mazoto ho amin’ izany ny tao anatin’ ny harona, ary nentina tany amin’ ny faritra rehetra manodidina. Izay nanatrika izany fanasana izany dia tokony hanome koa ho an’ ny hafa ny mofo avy any an-danitra, mba hahafa-po ny fanahiny noana. Tokony hamerina izay efa nianarany ny amin’ ny zava-mahagaga momba an’ Andriamanitra izy ireo. Tsy misy na inona na inona tokony hariana. Tsy misy na dia teny iray aza mikasika ny famonjena azy ho mandrakizay no havela ho raraka an-tany.IFM 388.2
Ny fahagagana momba ny mofo dia mampianatra antsika lesona ny amin’ ny fiankinana amin’ Andriamanitra. Rehefa namahana ny dimy arivo lahy Kristy, dia tsy teo am-pelatanany ny hanina ary ny fijery Azy dia toa tsy nanana na inona na inona. Indro Izy, any an-efitra, niaraka tamin’ ny dimy arivo lahy, ankoatry ny zaza amam-behivavy. Tsy niantso ireo vahoaka be ireo hanaraka Azy Izy ; tonga tsy nantsoina na nobaikona ireo; fantany anefa fa rehefa nihaino ela toy izany ny fampianarany izy, dia hahatsiaro noana sy reraka; satria olona tahaka ireo koa izy raha ny.fìlàny haninkohanina. Lavitra ny tranony, ary efa akaiky ny alina. Betsaka no tsy nanana izay hividianan-kanina. Ilay nifady hanina ho azy nandritra ny efapolo andro tany an-efitra dia tsy hamela azy hody any antranony tsy nihinan-kanina. Napetraky ny fitondran’ Andriamanitra teo amin’ izany toerana izany Jesosy ; ary niankina tamin’ ny Rainy any an-danitra Izy ny amin’ izay hanafahana izao fahasahiranana izao.IFM 389.1
Rehefa latsaka an-katerena isika, dia tokony hiankina amin’ Andriamanitra. Tokony hampiasa fahendrena sy handanjalanja ny zavatra rehetra ataontsika eo amin’ ny fiainana andavanandro, mba tsy hihatra amin’ ny tenantsika ny fitsapana, noho ny fihetsika tsy voahevitra. Tsy tokony hianjadian’ ny zava-tsarotra isika, noho ny fanaovana an-tsirambina ny hery atolotr’ Andriamanitra sy noho ny fampiasana tsy mety ny fahaizana nomeny antsika. Tokony hanaraka ny toro-lalana nomeny ny mpiasan’ i Kristy. An’ Andriamanitra ny asa, ary raha tiantsika ny hizara fitahiana ho an’ ny hafa, dia tsy maintsy harahina ny drafitra nataony. Tsy azo atao lohalaharana ny «izaho» ary tsy tokony hindrahindraina ny «izaho». Raha manao drafitra araka ny hevitsika isika, dia havelan’ ny Tompo hitoetra eo amin’ ny fahadisoantsika. Nefa kosa, rehefa nanaraka ny baikony isika, ka latsaka an-katerena, dia hanafaka antsika Izy. Tsy tokony hamoifo sy ho kivy isika, fa kosa hitady fanampiana amin’ Ilay afaka mibaiko ny hery tsy misy fetra rehefa sendra ny zava-manahirana maro. Matetika no voahodidin’ ny toe-javatra sarotra isika, amin’ ny fahatokiana Azy tanteraka. Hiaro ny fanahy rehetra izay tafiditra ao amin’ ny fahaverezan-kevitra Izy, dia ireo izay miezaka hanaraka ny lalan’ ny Tompo.IFM 389.2
Nibaiko antsika tamin’ ny alalan’ ny mpaminany Kristy ka manao hoe: «Afoizo ho an’ ny noana izay hanina tianao», ary «vokiso ny ory» ; «tafio izay hitanao mitanjaka», ary «ampiantranoy ny ory manjenjena». Toy izao ny baiko nomeny antsika : «Mandehana any amin’ izao tontolo izao ianareo, ka mitoria ny filazantsara amin’ ny olombelona rehetra». Impiry anefa ny fontsika no reraka ka resy mbamin’ ny finoantsika, rehefa mahita ny fahalehibeazan’ ny fahoriana, sy ny fahakelezan’ ny fitaovana eo ampelatanantsika. Tahaka an’ i Andrea isika, izay niloa-bava hoe : «Ho ampy inona moa izany amin’ izao olona betsaka izao?» Matetika isika no misalasala tsy ta-hanome izay rehetra ananantsika, matahotra ny handany sy holaniana ho an’ ny hafa. Nibaiko antsika anefa Jesosy hoe: «Omeonareo hanina izy». Teny fikasana ny baikony ; ary atolony miaraka amin’ izany ilay hery izay nahavoky ny vahoaka be teo amoron’ ny ranomasina.IFM 390.1
Ny asa nataon’ i Kristy tamin’ ny fanomezana izay zavatra ara-nofo nilain’ ireo vahoaka marobe noana ireo, dia mifono lesona ara-panahy lalina ho an’ ny mpiasany rehetra. Nandray avy tamin’ ny Ray Kristy ; ary nizara tamin’ ny mpianany ; ireo kosa nizara tamin’ ny vahoaka; ary ny vahoaka nifampizara. Toy izany izay rehetra miray amin’ i Kristy dia handray Aminy ny mofon’ aina, ilay sakafo avy any an-danitra, ka hizara izany amin’ ny hafa.IFM 390.2
Niankina tanteraka tamin’ Andriamanitra Jesosy raha nandray ilay mofo kely teo an-tanany ; ary na dia tokony hanana ampahany kely aza ny mpianatra izay mpianakavikeliny, dia tsy nasainy nihinana ireo, fa nobaikoiny hizara amin’ ny olona aloha. Nitombo ny mofo teny an-tanan’ Í Jesosy ; ary tsy foana mihitsy ny tanan’ ny mpianatra, izay nifandray tamin’ i Kristy Izay tena Mofon’ aina. Ampy ho an’ ny rehetra ilay tahiry kely. Rehefa nahazo fahafahampo ny vahoaka, dia nangonina ny ambinambiny, ka niara-nihinana ny hanina sarobidy nomen’ ny lanitra Kristy sy ny mpianany.IFM 391.1
Ny mpianatra no fantsona mampifandray an’ i Kristy sy ny vahoaka. Mety ho fampaherezana lehibe ho an’ ny mpianany izany ankehitriny. Kristy no foibe lehibe, loharanon’ ny hery rehetra. Tokony handray izay ilainy avy eo Aminy ny mpianany. Tsy afaka hanome afa-tsy izay noraisiny ny manan-tsaina indrindra, ny manam-panahy indrindra. Raha avy amin’ ny tenany dia tsy misy na inona na inona azony omena ho an’ izay ilain’ ny fanahy. Tsy afaka hizara afa-tsy izay noraisintsika tamin’ i Kristy isika ; ary tsy afaka handray koa raha tsy mizara amin’ ny hafa. Raha mitohy hatrany ny fizarantsika amin’ ny hafa, dia tsy ho tapaka koa ny fandraisantsika ; ary arakaraka ny hizarantsika, no handraisantsika koa. Amin’ izay dia azontsika atao ny tsy hijanona ny hino, sy hatoky sy handray ary ny hizara.IFM 391.2
Handroso hatrany ny asa fanorenana ny fanjakan’ i Kristy, na dia toa miadam-pandeha aza izany, ary toa misy zavatra tsy azo ihoarana izay mijoro hanohitra ny fandrosoany. An’ Andriamanitra ny asa, ary Izy no hanome ny fitaovana, ary handefa mpanampy, dia mpianatra marina, mafana fo, mivimbina hanina feno ho an’ ny vahoaka maty noana. Tsy manadino izay miasa mafy amim-pitiavana Andriamanitra mba hanome ny tenin’ ny fiainana ho an’ ny fanahy efa ho faty, izay haninjitra indray koa ny tanany handray hanina ho an’ ny fanahy noana hafa.IFM 391.3
Eo amin’ ny asa ataontsika ho an’ Andriamanitra dia misy loza mananontanona antsika amin’ ny fiankinantsika be loatra amin’ izay azon’ olona atao amin’ ny talentany sy ny fahaizany. Fa raha miantehitra amin’ izany izy dia tsy ho tazan’ ny masony Ilay Tompon’ ny asa. Matetika loatra ny mpiasa ho an’ i Kristy no diso amin’ ny tsy fahatsapany ny andraikitry ny tenany. Loza mananontanona azy ny amindrany ny entany amin’ ny lamin’ asa, fa tsy miankina amin’ Ilay loharanon’ ny hery rehetra. Fahadisoana lehibe ny miankina amin’ ny fahendren’ ny olombelona, na amin’ ny hamaroana eo amin’ ny asan’ Andriamanitra. Ny asa mahomby indrindra ho an’ i Kristy dia tsy miankina firy amin’ ny isa na ny talenta fa amin’ ny fahadiovan’ ny fikasana, ny toetra tsotra sy marina miseho eo amin’ ny hafanampo, ny finoana miankina amin’ Andriamanitra. Tsy maintsy hozakaina ny andraikitry ny tena, tsy maintsy horaisina ny adidy tsy maintsy hataon’ ny tena, ny ezaka hitory amin’ izay tsy mahalala an’ i Kristy. Aza afindra amin’ izay heverinao fa manankarena kokoa amin’ ny talenta noho ianao ny andraikitrao, fa miasà araka ny fahaizanao.IFM 391.4
Rehefa tonga ao am-ponao ny fanontaniana hoe : «Aiza no hividianantsika mofo hohanin’ ireo ?» aoka tsy ho valintenin’ ny tsy finoana no ho valintenintsika. Rehefa nandre ny toromariky ny Mpamonjy ny mpianatra hoe : «Omeonareo hanina izy», dia nirongatra tao an-tsainy ny zava-manahirana. Nanontany izy hoe : «Handeha ho any an-tanàna ve izahay hividy hanina ?» Toy izany koa ankehitriny, rehefa tsy manana ny mofon’ aina ny vahoaka, dia manontany ny zanaky ny Tompo hoe: «Haniraka olona avy lavitra ve izahay hamahanana azy?» Ahoana anefa hoy Kristy? «Asaovy mipetraka ny olona», ary nofahanany izy. Toy izany koa rehefa voahodidin’ ireo fanahy tratry ny fahasahiranana ianao, fantaro fa eo Kristy. Miraisa Aminy. Ento eo amin’ i Jesosy ny mofo vary hordea.IFM 392.1
Mety tsy ho ampy ho an’ ny asa ny fitaovana eo am-pelatanantsika ; nefa raha mandroso amim-pinoana isika, ka matoky ny herin’ Andriamanitra izay ampy ho amin’ ny zavatra rehetra, dia hitosaka amintsika ny loharanon-kery be dia be. Raha an’ Andriamanitra ny asa, dia Izy mihitsy no hanome ny fitaovana ilaina hanatanterahana izany. Hamaly soa ny fitokiana madio sy tsotra Aminy Izy. Ny kely ampiasaina amim-pahendrena sy amim-pitsitsiana ho amin’ ny fanompoana ny Tompon’ ny lanitra dia hitombo amin’ ny fizarana azy indrindra avy eo am-pelatanan’ i Kristy ka tsy hihena ilay sakafo kely zaraina mandra-pahafapo ny vahoaka maty noana rehetra. Raha mankeo amin’ Ilay Loharanon’ ny hery rehetra isika manatsotra ny tanan’ ny finoantsika mba handray, dia hotohanana eo amin’ ny asantsika, eny na dia eo amin’ ny toe-javatra manahirana aza, ary ho afaka hizara ny mofon’ aina ho an’ ny hafa isika.IFM 392.2
Hoy ny Tompo : «Omeo, dia mba homena hianareo». «Izay mamafy kely, dia kely no hojinjainy» . . . «Ary Andriamanitra mahay mampitombo ny fahasoavana rehetra aminareo, mba hanananareo ny onony rehetra mandrakariva amin’ ny zavatra rehetra, araka ny voasoratra hoe : «Namafy izy, eny, nanome ho an’ ny malahelo ; Ny fahamarinany maharitra mandrakizay. Ary izay : «Manome voa ho an’ ny mpamafy Sy mofo hohanina dia hanome sy hahabe ny voa afafinareo sy hampitombo ny vokatry ny fahamarinanareo, dia hanan-karena amin’ ny zavatra rehetra ianareo ka handroso amin’ ny hitsim-po, izay mahatonga ny fisaoranay an’ Andriamanitra».IFM 393.1