Toko 38—Avia , miala sasatra kely
Rehefa niverina avy tamin’ ny diany tany an-tany naha-misionera azy ny apostoly Paoly dia «niangona teo amin’ i Jesosy ka nilaza taminy izay rehetra efa nataony mbamin’ izay nampianariny. Ary hoy Jesosy taminy : Avia hianareo hitokana any an-tany foana, ka mialà sasatra kelikely, fa maro no nifamoivoy, ka tsy nisy hihinanana azas IFM 379.1
Nankeo amin’ i Jesosy ny mpianatra ka nolazainy taminy ny zavatra rehetra. Nifandray am-po taminy izy ireo ka nampahazoto azy ny hamelabelatra teo anatrehany ny fanandramana soa sy ratsy nataony, ny fifaliany nahita ny vokatry ny asany, sy ny alahelony teo amin’ ny tsy fahombiazany, ny hadisoana nataony sy ny fahalemeny. Nisy tsy mety nataony teo amin’ ny asa voalohany tamin’ ny naha-evanjelista azy, ary rehefa notantarainy tamin’ ny fo madio tamin’ i Jesosy ny fanandramany, dia hitan’ i Jesosy fa nila toro-lalana betsaka izy. Hitany koa fa sasatry ny asany izy, ka nila fialan-tsasatra.IFM 379.2
Nefa tsy azony natao ny nitokana araka izay nilainy teo amin’ ny toerana nisy azy tamin’ izay; «fa maro no nifamoivoy, ka tsy nisy nihinanana aza». Nifanizina nanaraka an’ i Kristy ny vahoaka, nahamay azy ny ho sitrana sady naniry ny hihaino ny teniny izy. Betsaka no nahatsiaro ho voasintona ho eo Aminy, satria toa loharanon’ ny fitahiana rehetra ho azy Izy. Betsaka tamin’ ireo izay nifanizina nanodidina an’ i Kristy mba handray ny fanomezana sarobidin’ ny fahasalamana, no nanaiky Azy ho Mpamonjin’ ny tenany. Betsaka koa ny hafa izay natahotra ny hanaiky Azy, noho ny amin’ ny Fariseo, kanjo niova fo tamin’ ny nilatsahan’ ny Fanahy Masina, ary nanaiky Azy ho Zanak’ Andriamanitra, teo anatrehan’ ny mpisorona sy ny mpanapaka vinitry ny hatezerana.IFM 379.3
Naniry ny hiala sasatra anefa Kristy mba hahazoany miaraka amin’ ny mpianany; nanan-javatra betsaka holazaina aminy Izy mantsy. Nandalo fisedrana avy amin’ ny ady izy ireo teo amin’ ny asany, ary efa nisetra fanoherana tamin’ ny endriny samihafa. Hatramin’ izao dia nanontany an’ i Kristy tamin’ ny zavatra rehetra, izy, nefa nisy kosa fotoana naha-irery azy, ary fotoana nahavery hevitra azy ny amin’ ny tokony hatao. Nahita fampaherezana betsaka teo amin’ ny asany izy, satria Kristy tsy nandefa azy tsy niaraka tamin’ ny Fanahiny tsy akory ; noho izany dia nanao fahagagana betsaka izy ireo tamin’ ny alalan’ ny finoana Azy; nilainy anefa ankehitriny ny hofahanana amin’ ny mofon’ aina. Nilainy ny handeha amin’ ny toerana fialan-tsasatra iray. mba handraisany torolalana ho amin’ ny asany amin’ ny ho avy.IFM 380.1
«Ary hoy Izy taminy : Avia hianareo hitokana any an-tany foana, ka mialà sasatra kelikely». Feno fitiavana sy fangorahana an’ izay rehetra ao amin’ ny fanompoana Azy Kristy. Tiany aseho ny mpianany fa tsy mitaky fanaovana sorona ny tena Andriamanitra, fa famindrampo. Ny fanahiny rehetra no efa napetrany teo amin’ ny asa ho an’ ny vahoaka, ka nahatonga ny heriny ara-batana sy aratsaina ho ritra. Adidiny kosa izao ny miala sasatra.IFM 380.2
Nahita fahombiazana teo amin’ ny asany ny mpianatra, ka nananontanona azy ny loza hihevitra izany ho an’ ny tenany, ka ho tratran’ ny fireharehana ara-panahy, ary amin’ izany dia ho lavo ao amin’ ny fakam-panahin’ i Satana. Nisy asa lehibe nanoloana Azy, ary alohan’ ny zavatra rehetra dia tsy maintsy nianarany fa tsy ao amin’ ny «izaho» ny heriny, fa ao amin’ Andriamanitra. Tahaka an’ i Mosesy tany an-efitra Sinay, sy tahaka an’ i Davida tany amin’ ny havoanan’ i Jodia, na Elia teo amoron’ ny renirano Kerita, dia nilain’ ny mpianatra ny hiala amin’ ny fiasany mafy nahabe raharaha azy, ka hisinda kely mba hanana firaisana amin’ i Kristy sy ny zavaboary, ary amin’ ny fon’ ny tenany koa aza.IFM 380.3
Raha nandeha nanao ny asa maha misionera azy ny mpianatra, dia nandeha nitsidika tanàna sy vohitra hafa Jesosy, nitory ny Filazantsaran’ ny fanjakana. Tokony ho tamin’ io fotoana io no nandrenesany ny vaovao momba ny nahafatesan’ i Jaona Mpanao batisa. Nasehon’ io toe-javatra io mazava teo anatrehany ny fiafarana itondran’ ny diany Azy. Nisy rahona matevina nanaloka ny lalany. Nanara-maso Azy ny mpisorona sy ny raby ka nikendry ny hamono Azy, nanara-dia akaiky Azy ny mpitsikilo, ary nitombo isa hatraiza hatraiza ny fiokoana handringanana Azy. Tonga tany amin’ i Heroda ny vaovao momba ny fitoriana ny Filazantsara nataon’ ny apostoly nanerana an’ i Galilia, ka nampifantoka ny sainy tamin’ i Jesosy sy ny asany. «Jaona Mpanao batisa izay», hoy izy «nitsangana tamin’ ny maty izy» ; nilaza izy fa te-hahita an’ i Jesosy. Natahotra lalandava Heroda sao misy korontana kotrehina mangingina mipaoka, mikendry ny hanala azy amin’ ny seza fiandrianana, ka hanapaka ny ziogan’ ny Romana tsy ho eo amin’ ny firenena Jiosy. Be dia be ny toe-tsaina tsy faly sy nikomy tamin’ ny fanjakana teo anivon’ ny vahoaka. Nazava fa tsy afaka hanohy ela ny asany ho an’ ny besinimaro tany Galilia Kristy. Nanakaiky ny toe-javatra hisehoan’ ny fijaliany ka naniry mafy ny hiala amin’ ny tabataban’ ny vahoaka Izy, ary hisinda kely mandritra ny fotoana fohy.IFM 380.4
Feno alahelo ny fon’ ny mpianatr’ i Jaona nitondra ny vatany tapa-doha tany am-pasana. Avy eo dia nandeha nilaza tamin’ i Jesosy izy. Nialona an’ i Kristy ireto mpianatra ireto rehefa nitarika ny vahoaka niala tamin’ i Jaona Izy. Niandany tamin’ ny Fariseo izy tamin’ ny niampangany Azy fony Izy niara-nipetraka tamin’ ny mpamory hetra teo amin’ ny fanasan’ i Matio. Nampisalasala azy ny iraka nampanaovin’ Andriamanitra Azy satria tsy nanafaka an’ i Jaona Mpanao batisa Izy. Maty anefa izao ny mpampianatra azy, ary naniry fampiononana izy noho ny alahelony be, sy naniry fitarihandalana eo amin’ ny asany ho avy, ka nankeo amin’ i Jesosy izy ary nampiraisiny tamin’ ny Azy ny tombon-tsoany. Nila fotoana hitonena koa izy ireo hiraisana amin’ ny Mpamonjy.IFM 381.1
Teo akaikin’ i Betesda, teo amin’ ny tendrony avaratry ny farihy, no nisy faritra mangingina, kanto tokoa noho ny zava-maitso mavan’ ny lohataona, toerana fialan-tsasatra nahafaly an’ i Jesosy sy ny mpianany. Niainga ho any amin’ io toerana io izy, nitaingina sambo niampita ny rano. Any izy no lavitry ny fifamoivoizana, ny fikoropahana sy ny tabataban’ ny tanàn-dehibe. Efa fialan-tsasatra rahateo ny mitoetra eo anivon’ ny zavaboary, ary fiovana mahasoa ny tena. Any izy ireo no afaka hihaino ny tenin’ i Kristy, nefa tsy handre ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo tezitra, mpanapa-teny, manao valinteny henjana sy miampanga. Any izy no afaka hiriaria mandritra ny fotoana fohy ka hahita firaisana sarobidy miaraka amin’ ny Tompony.IFM 381.2
Ny fialan-tsasatr’ i Kristy sy ny mpianany dia tsy fialan-tsasatra nampanaram-po ny tena. Tsy natokana hitadiavana fahafinaretana ny fotoana laniny tamin’ ny fitokanana. Niara-nifandinika momba ny asan’ Andriamanitra izy, sy momba izay hahombiazan’ ny asa bebe kokoa. Efa niaraka tamin’ i Kristy ny mpianatra ka afaka nifandray am-po taminy ; raha hiteny tamin’ ireo Izy dia tsy nilainy ny nampiasa fanoharana. Nanitsy ny fahadisoany Izy, ary nasehony mazava taminy ny fomba mety hanatonana ny vahoaka. Nasehony azy ireo tamin’ ny fomba feno kokoa ireo haren-tsarobidin’ ny fahamarinan’ Andriamanitra. Nahazo aina vaovao avy tamin’ ny herin’ Andriamanitra izy, ary velona tao am-pony ny fanantenana sy ny faherezana.IFM 382.1
Na dia afaka nanao fahagagana aza Jesosy ary efa nanome fahefana ny mpianany hanao izany koa, dia notarihiny ireo mpanompony ireo rehefa hitany fa reraka mba hitokana any ambanivohitra ka hiala sasatra. Raha nilaza Izy fa be ny vokatra ary vitsy ny mpiasa, dia tsy namporisika ny mpianany hanao asa mafy tsy an-kijanona akory , fa hoy Izy : «Koa amin’ izany mangataha amin’ ny Tompon’ ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hamory ny vokatra» . Andriamanitra efa nanendry asa ho an’ ny olona tsirairay avy araka ny fahaizany, ary tsy tiany raha ny sasany itambesaran’ ny andraikitra nefa ny sasany tsy mitondra entana, ary tsy mihevitra ny amin’ ireo fanahy.IFM 382.2
Atao amin’ ny mpiasan’ i Kristy ankehitriny koa ny teny fangorahana nolazain’ i Kristy, tahaka ny nanaovany azy indrindra tamin’ ny mpianany. «Avia hianareo hitokana,.. . ka mialà sasatra kelikely» hoy Izy amin’ izay sasatra sy reraka. Tsy fahendrena ny milozoka eo amin’ ny asa mafy sy ny fihetsiketsehana, na dia eo amin’ ny fanaovana fanompoana momba izay ilain’ ny olona amin’ ny ara-panahy aza; atao an-tsirambina mantsy ny fitiavam-bavaky ny tena amin’ izay, ary tafahoatra loatra ny fampiasana ny herin’ ny saina sy ny fanahy ary ny vatana. Takiana amin’ ny mpianatr’ i Kristy ny fahafoizan-tena, ary tsy maintsy misy fandavan-tena atao; nefa tsy maintsy misy koa fikarakarana atao, ndrao dia araraotin’ i Satana ny fahalemen’ ny maha-olombelona vokatry ny hafanam-po tafahoatra, ka ho simba ny asan’ Andriamanitra.IFM 382.3
Araka ny fanombanan’ ny raby, dia fara-tampon’ ny fivavahana ny misomadodoka lava manao zavatra. Niankina tamin’ ny zava-bita etỳ ivelany izy, mba hanehoana ny fahambonian’ ny fitiavam-bavaka betsaka teo aminy. Tamin’ izany dia nampisaraka ny fanahiny tamin’ Andriamanitra izy, ka nampiorina ny tenany teo amin’ ny fiheveran- tena ho ampy. Mbola misy ankehitriny io loza io. Raha mitombo ny zavatra atao, ka mahita fahombiazana ny olona izay eo amin’ ny fanaovana ny asa ho an’ Andriamanitra na inona na inona, dia misy loza amin’ ny fitokisana ny tetik’ asan’ ny olombelona sy ny fomba fiasany. Misy fironana hampihena ny fivavahana, ka manjary mihena koa ny finoana. Tahaka ny mpianatra, dia tandindomin-doza tsy hitady ny fiankinana amin’ Andriamanitra koa isika, fa hiantehitra amin’ ny asantsika mba hahazoam-pamonjena. Ilaintsika ny hibanjina mandrakariva an’ i Jesosy, ka hahatsapa fa ny heriny ihany no hahavitana ny asa. Raha miasa amin-kafanam-po ho amin’ ny famonjena ny very isika, dia tsy maintsy manokana fotoana koa handinihan-tena, hivavahana, sy hianarana ny tenin’ Andriamanitra. Ny asa atao amim-pivavahana betsaka ihany, sy nohamasinin’ ny fahamendrehan’ i Kristy, no hita amin’ ny farany fa nahomby sy nahavokatra indrindra.IFM 382.4
Tsy nisy mihitsy fiainana hafa rakotry ny asa sy ny andraikitra toy ny an’ i Jesosy; nefa matetika koa no nahitana Azy nivavaka. Naharitra manao ahoana ny firaisany tamin’ Andriamanitra ! Hita miverimberina hatrany ao amin’ ny tantaran’ ny fiainany teto an-tany ny filazana toy izao: «Ary nifoha maraina alina koa Izy, dia nivoaka nankany an-tany foana ka nivavaka tany». Fa mainka niely bebe kokoa ny lazany, dia niangona ny vahoaka betsaka hihaino Azy sy hositranina tamin’ ny aretiny. Ary niala teo Izy, dia nitoetra tany an-efitra nivavaka». «Ary tamin’ izany andro izany dia lasa nankany an-tendrombohitra Jesosy mba hivavaka; ary nihaona tamin’ Andriamanitra nandritra ny alina Izy».IFM 383.1
Eo amin’ ny fiainana voatokana tanteraka hanao soa ny hafa, dia hitan’ ny Mpamonjy fa ilaina ny miala ny lalambe fivezivezina sy ny vahoaka marobe nanaraka Azy isan’ andro isan’ andro. Tsy maintsy niala tamin’ ny fiainana feno fihetsiketsehana tsy an-kijanona sy nifandraisana tamin’ izay ilain’ ny olombelona Izy, mba hitady fialan-tsasatra sy firaisana tsy tapaka amin’ ny Rainy. Amin’ ny maha-iray amintsika Azy, izay nandray anjara tamin’ izay ilaintsika sy ny fahalementsika, dia niankina tanteraka tamin’ Andriamanitra Izy, ary tao amin’ ny toerana mangina nivavahany no nitadiavany ny herin’ Andriamanitra, mba hahazoany mandroso hatrany ka nahazo hery hanaovany ny andraikitra sy hizakany fitsapana. Teto amin’ izao tontolo izao feno fahotana no niaretan’ i Jesosy tolona mafy sy fijaliana am-panahy. Rehefa miray amin’ Andriamanitra Izy dia azony atao ny mametraka eo aminy ny enta-mavesatry ny alahelo izay nanorotoro Azy. Teo no nahitany fiononana sy fifaliana.IFM 383.2
Nahatratra ny Rain’ ny fangorahana tsy misy fetra ny antsoantson’ ny taranak’ olombelona tao amin’ i Kristy. Amin’ ny mahaolona Azy, dia nitaraina teo amin’ ny seza fiandrianan’ Andriamanitra Izy, mandra-pahatonga ny maha-olombelona Azy ho voafahana amin’ ny herin’ aratra avy any an-danitra, izay tokony hampiray ny maha-olombelona amin’ ny maha-Andriamanitra. Tamin’ ny alalan’ ny firaisana tsy miato no nandraisany hery avy tamin’ Andriamanitra, izay ahazoany mizara aina amin’ izao tontolo izao. Tokony hataontsika koa ny fanandramana nataony.IFM 384.1
«Avia hianareo», hoy Izy mibaiko antsika. Raha hihaino ny teniny isika, dia hatanjaka kokoa ary hahavita soa kokoa. Nitady an’ i Jesosy ny mpianatra ka nambarany taminy ny zavatra rehetra; ary nampahery sy nampianatra azy Izy. Raha manokam-potoana hankanesana eo amin’ i Jesosy koa isika ankehitriny mba hilaza Aminy izay ilaintsika, dia tsy tokony ho diso fanantenana, fa ho eo ankavanantsika Izy hanampy antsika. Mila toetra tsotra kokoa, fitokisana sy fahatokiana bebe kokoa ny Mpamonjy antsika isika. Ilay manana anarana hoe : «Andriamanitra mahery, Rain’ ny mandrakizay, Andrianan’ ny fiadanana» ; Ilay nosoratana ho «eo antsorony ny fanapahana» no Mpanolo-tsaina, Mahagaga. Antsoina isika hangataka fahendrcna Aminy «Izay manome malalaka ho an’ ny olona rehetra sady tsy mandatsa» -IFM 384.2
Ao amin’ izay rehetra tezain’ Andriamanitra no isehoan’ ny fiainana izay tsy mifandrindra amin’ izao tontolo izao, amin’ ny fombany na ny fanaony ; ary ny tsirairay avy dia mila ny hanao fanandramana manokana amin’ ny fahazoana fahalalana ny sitrapon’ Andriamanitra. Tsy maintsy ny tenantsika tsirairay no mandre Azy miteny amin’ ny fo. Rehefa hampanginina ny feo hafa rehetra, ka miandry eo anatrehany am-pahatoniana isika, dia mampahazava kokoa ny feon’ Andriamanitra ny fanginan’ ny fanahy. Mibaiko antsika Izy hoe : «Mitsahara, ka aoka ho fantatrareo fa Izaho no Andriamanitra». Eo ihany no mety ahitana tena fitsaharana marina. Ary izany no tena fiomanana mahomby ho an’ ny asan’ Andriamanitra rehetra. Eo anivon’ ny vahoaka miasa mafy, dia ho voahodidin’ ny rivo-piainana feno fahazavana sy fiadanana ny fanahy nahazo aina toy izany. Hamoaka fofo-manitra ny fiainany, ary haneho hery avy amin’ Andriamanitra izay hiantefa hatrany amin’ ny fon’ ny olona.IFM 384.3